FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/2 p. 19-23
  • “Miadia mafy ho an’ny finoana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Miadia mafy ho an’ny finoana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hataka mba hitombo ao amintsika ny famindrampo, ny fiadanana sy ny fitiavana
  • ‘Miadia mafy ho an’ny finoana’
  • Torohevitra lehibe no an’ny androntsika
  • “Ry Malala, (...) tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • ‘Miadia Mafy Hiaro ny Finoana’!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Joda, Taratasy Nosoratan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/2 p. 19-23

“Miadia mafy ho an’ny finoana”

“Ry malala, (...) noheveriko fa ilaina ny hanoratana aminareo mba hananarana anareo hiady mafy ho amin’ny finoana izay voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.”—Joda 3, MN.

1. Inona moa no sasantsasany amin’ireo fomba ampiasain’i Satana mba hanandramana hanimba ny kristianisma, nefa tsy misy vokany?

TOKONY hiady mafy ho an’ny finoana marina ireo mpanompon’i Jehovah. Ilay fahavalony, ny Devoly, dia miezaka, amin’ny alalan’ny fanenjehana ankarihary na ny “fitaka misy hafetsena”, mba hanimba ny fifandraisana tsara tanany amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Efesiana 6:11, “Kingdom Interlinear Translation”; I Petera 5:8). Noho ny faniriany tsinontsinona hanapotika ny kristianisma marina, dia tadiavin’i Satana hatrany hatrany izay hanimbana azy. Anisan’ny fomba fanimbana mety hampiasainy, dia aoka hotononintsika 1) ny fampianaran-diso; 2) ny fitondrantena tsy mendrika; 3) ny tsy fahampian’ny finoana; 4) ny tsy firaharahana ny fahefana voatendrin’Andriamanitra; 5) ny fimonomononana sy ny fitarainana; ary 6) ny fiderana olo-malaza sasany noho ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena.

2. Inona avy moa no antsipiriany omena antsika ny amin’ny taratasin’i Joda?

2 Omen’i Jehovah indrindra izay ilain’ireo mpanompony ara-panahy mba hiarovan-tena sy mba hiadiana tsy ankijanona amin’ilay mpamitaka lehibe (Isaia 59:1). Araka izany, dia ananantsika ny taratasin’i Joda ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Azo inoana fa Joda mpianatra dia nanoratra azy io tany Palestina talohan’ny taona 66, satria izy tsy nanisy fitenenana na ny amin’ny nanaovan’i Cestius Gallus fahirano an’i Jerosalema tamin’io taona io, na ny amin’ny nandresen’ny Romana notarihin’i Titus an’ilay tanàna tamin’ny 70a.

3. Amin’ny fomba ahoana avy moa ny taratasin’i Joda ara-tsindrimandry no mety ho sarobidy tokoa amin’izao andro izao?

3 Na dia efa taonjato maro aza no nanoratana azy, ny taratasin’i Joda dia misy vidiny lehibe ho antsika amin’izao andro izao. Ireo mpiandraikitra kristiana izay voatendrin’ny fanahy dia afaka sy tokony hampiasa azy mba hanoroana hevitra an’ireo rahalahiny. Afaka manampy antsika manokana koa izy io raha ianarantsika ao amin’ny vavaka sy amim-panetren-tena, indrindra fa raha mahatsiaro isika fa mandrahona antsika kokoa ihany ny fampianaran-diso na ny fanintonan’ny fahalotoam-pitondrantena, raha tsapantsika fa mihena ny finoantsika, na raha voamarintsika ao am-pontsika koa ny fitomboan’ny fironana tsy ho ampy fanajana ny fahefana voatendrin’Andriamanitra, himonomonona sy hitaraina na handoka olona sasany noho ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena sy ny fitiavan-tena. Raha mbola handinika isan’andininy an’io taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io isika, dia tsy isalasalana fa ho takatsika mora foana ny fomba fampiharana ny toroheviny tsy miova na eo amin’ny lafiny manokana na ao anatin’ny kongregasiona.

Hataka mba hitombo ao amintsika ny famindrampo, ny fiadanana sy ny fitiavana

4. Ahoana no ampahalalan’i Joda ny tenany, milaza inona izany?

4 Manomboka ny taratasiny amin’izao teny izao i Joda:

“Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy.” (Joda 1).

Na dia “mpanompon’i Jesosy Kristy” aza i Joda dia tsy tao anatin’ny toeram-panompoana mampietry sy mendrika ny fanesoana. Tsia, “mpanompo” izy amin’ny heviny hoe, sahala amin’ireo mpianatra hafa dia novidina tamin’ny ra sarobidin’i Jesosy mba hanompo azy, dia tombontsoa mahafinaritra, ho fitsinjovana ny fiainana mandrakizay. Ireny mpianatra ireny dia nentina ho babo tamin’ny fitiavan’i Jesosy ary nanolo-tena an-tsitrapo ho azy (Matio 11:29, 30; jereo Efesiana 5:21-33). Nilaza i Joda fa izy dia “mpanompon’i” Kristy nefa “rahalahin’i Jakoba”, toa an’i Jakoba mpianatra izay anankiray tamin’ireo “andry” ara-panahy tao amin’ny kongregasiona sady “rahalahin’ny Tompo”. (Galatiana 2:9; 1:19; jereo Asa. 12:17; 15:13-21.) Joda àry dia azo inoana fa anankiray tamin’ireo rahalahin’i Jesosy ara-nofo iray reny taminy, nefa noho izy nanetry tena dia tsy nitady izay hampisongadina ny tenany izy noho ny fatoram-pihavanany tamin’ny Zanak’Andriamanitra. — Marka 6:3.

5. a) Iza moa ireo “olona masina”? b) Tamin’ny heviny ahoana moa izy ireny no “voatahiry ho an’i Jesosy Kristy”? d) Afa-tsy ireo “olona voantso”, loharanom-pampaherezana ho an’iza moa ny taratasin’i Joda?

5 Ny taratasin’i Joda natao haely be dia be satria natao ho an’ireo “olona voantso”, izany hoe ho an’ireo nantsoin’Andriamanitra ho amin’ny Fanjakana malazan’ny Zanany any an-danitra (Jaona 6:44; jereo Asa. 16:14). Jehovah, izay tia an’ireny “olona voantso” ireny dia nanana faniriana ny hanome azy ireny ny Fanjakana raha mitana isam-batan’olona toe-piainana ara-panahy azo ekena izy ireny (Lioka 12:32; Romana 8:38, 39; jereo Isaia 52:11). “Voatahiry ho an’i Jesosy Kristy” izy ireny amin’ny heviny hoe niaro azy ireny Jehovah satria izy ireny tafakambana tamin’ny Zanany, anisan’ny tenany. Raha tsy mivadika izy ireo, dia hiaraka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany (Efesiana 4:15, 16; II Timoty 1:12; I Petera 1:3-5). Tsy natao ho an’ireny “olona voantso” ireny ihany anefa ireo fampitandremana tsara dia tsara raketin’io taratasy io. Mety ho loharanom-pampaherezana koa izy ho an’ny “olona betsaka” mahatoky hafa izay miaraka amin’ireo “rahalahy” ara-panahin’i Kristy ho amin’ny fiasana ho toy ny mpanompo ho an’ilay Fanjakana. — Matio 24:14; 25:34-40; Apokalypsy 7:4, 9, 15.

6. Tamin’ny fomba ahoana avy moa ireo rahalahin’i Joda kristiana no niharan’ny famindrampon’Andriamanitra?

6 Rehefa avy eo dia milaza izao fihetseham-po lalina izao i Joda:

“Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana.” (Joda 2).

Ireo nanaovana ny taratasin’i Joda dia nahazo ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavan’Andriamanitra rehefa tonga mpino nanolo-tena ho azy izy ireny ka navelan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny fahotany. Ny famindrampon’Andriamanitra dia niseho tamin’ny fanavotana noho Jesosy (Titosy 3:4-7). Niharan’ny famindrampon’Andriamanitra koa izy ireny tamin’ny heviny hoe tsy nanandevo azy intsony ny lalàn’i Mosesy, ny lovantsofina tsy araka ny Baiboly, ny fitondrantena manala baraka an’Andriamanitra na ny zavatra hafa sahala amin’izany (Romana 7:4; Galatiana 5:13; I Petera 1:18, 19; jereo Apokalypsy 18:1-5). Niseho ho mamindra fo koa Jehovah tamin’ny fiarovana azy ireny ho an’i Jesosy Kristy, mba hahafahany manompo azy ho toy ny mpanompo, indrindra fa amin’ny fanambarana ny “vaovao tsara”. (Marka 13:10, MN.) Nirin’i Joda tao amin’ny vavaka ny handraisan’ireo namany mpivavaka tamin’i Jehovah, soa avy amin’ny famindrampon’Andriamanitra mbola lehibe kokoa ihany.

7. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana moa no anandraman’ny kristiana fiadanana?

7 Nivavaka ho an’ireo rahalahiny koa i Joda mba hitomboan’ny fiadanan’izy ireo. Noho izy nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra, ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mitana fifandraisana akaiky aminy. Mihavana aminy àry izy ireo ary mandray sao koa amin’ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”, izany hoe fahatoniam-po sy saina tsy takatr’ireo tsy mpino (Filipiana 4:6, 7; Kolosiana 1:19, 20). Ambonin’izany, dia amboleny sy asehony ny fiadanana, anankiray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra ka afaka maneho fihavanana amin’ny mpiara-belona aminy izy ireo (Galatiana 5:22, 23; Hebreo 12:14). Etsy andaniny koa, ireo olo-mahatoky kristiana dia tsy matahotra ny ho avy na ny fahafatesana; miadana izy ireo noho ny fahafantarana fa momba azy Jehovah ary ny asany rehetra dia ataony miara-miasa hahasoa an’ireo izay tia azy. — Matio 10:28; Romana 8:28.

8. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jehovah ny fitiavany antsika?

8 Nasehon’i Jehovah ny fitiavany lehibe tamin’ny fanomezana ny Zanany “mba tsy ho very [ringana, MN] izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16.) Fony isika mbola mpanota tsy manana fifandraisana manokana taminy mihitsy, dia naneho ny fitiavany antsika Jehovah (Romana 5:8). Nefa tsy vitan’ny hoe tokony haneho finoana ny fanavotana isika fa tokony hitoetra ao amin’ny fitiavana an’Andriamanitra koa. Nivavaka àry i Joda mba hitombo eo amin’ireo nanaovana ny taratasiny ny fitiavana.

9. Nahoana moa ireo rahalahin’i Joda kristiana no nila ny hampitomboana ho azy ny famindrampo, ny fiadanana sy ny fitiavana?

9 Matoa nivavaka i Joda mba hitombo eo amin’ireo mpino, ireo rahalahy malalany, ny fiadanana sy ny fitiavan’Andriamanitra, dia satria notandindomin-doza ny toe-piainany ara-panahy tsara. Nilainy tsy mbola nisy toy izany ny famindrampo, ny fiadanana sy ny fitiavana mitombon’Andriamanitra.

‘Miadia mafy ho an’ny finoana’

10. Nanam-pikasana ny hanoratra ny amin’inona moa i Joda?

10 Nanaraka izany, dia nosoritan’i Joda ny hamafin’ireo zavatra ireo tamin’ny filazana hoe:

“Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotr indray mandeha monja ho an’ny olona masina.” (Joda 3).

Tamin’ny fampiasana ny fitenenana mampiseho firaiketam-po hoe “malala”, Joda dia nanome toky an’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra, ireo rahalahiny, ny amin’ny firaiketam-pony rehetra, na dia nilaza tamin’izy ireo izany hafatra mahery izany aza izy (Jaona 13:35; jereo Romana 1:7; II Jaona 1, 2). Nanam-pikasana izy ny hanoratra ho azy ireo ny amin’ny ‘famonjena iombonan’ireo’ izay “nantsoina ho any amin’ny Fanjakan’ny lanitra (Galatiana 3:26-29). Izany famonjena izany dia nifamatotra tamin’ny fanantenana sarobidy tokoa nananan’ireo kristiana tamin’ny andron’i Joda, “araka ny finoana iombonantsika”. — Titosy 1:4.

11. Inona moa ny ‘finoana vaotolotra ho an’ny olona masina’?

11 Ny finoana ‘voatolotra ho an’ny olona masina’ dia ny fitambaram-pinoana ny amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany, araka ny nampianaran’i Jesosy sy ireo mpianany nahazo tsindrimandry azy tamin’ny kristiana. Azo inoana fa nampitaina “indray mandeha” izany tamin’ny heviny hoe ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra, ireo “olona masina” , dia nandray izany, taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, ho ny hany tena vaovao tsara. Mbola izany ihany no “finoana” fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao fa tokony hifikirany mafy hatrany, satria tsy misy vaovao tsara na hafatra hafa azo inoana (Galatiana 1:6-8). Ary anefa ny lafiny lehibe tokoa amin’io vaovao tsara io dia ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ho an’ny taranak’olombelona maneran-tany, ka izany dia zava-dehibe tokoa ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” amin’izao andro izao. — Jaona 10:16; I Jaona 2:1, 2; Apokalypsy 7:9.

12. Nahoana moa i Joda no nanoratra ho an’ireo rahalahiny mba hananarana azy ireny ‘hiady mafy ho an’ny finoana’?

12 Tamin’ny andron’i Joda, ny mpampianatra sandoka milaza tena fa kristiana dia niezaka nampiditra vaovao tsara sandoka teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Loza ho an’ny finoana sy ny famonjena ny kristiana ny fampianaran’izy ireo (Matio 24:13; II Korintiana 11:3, 4). Noho izany antony izany, ho fanoherana an’io asa io, ary hetsehin’ny fanahy masina sy ny fitiavana, Joda dia “nihevitra fa nilaina” ny hanoratana ho an’ireo rahalahiny mba hananarana azy ireo “hiady mafy ho an’ny finoana”.

13. Inona moa no tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao mba tsy hahavoafitaka sy hamoizana ny famonjena?

13 Raha toa amin’izao andro izao, amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah, ka tsy tokony hivadika hatrany amin’Andriamanitra isika ary hanao izay tsy hahavoafitaka sy hanariana ny famonjena, dia tokony “hiady mafy” koa isika hanohitra izay rehetra mety ho vaovao tsara sandoka, hanohitra sy handa mafy ny fanandramana rehetra hatao hampialana antsika amin’ny fampianaran’ny Teny madio sy ara-tsindrimandrin’i Jehovah na hanampy na inona na inona amin’izany (Deoteronomia 4:2; Ohabolana 30:5, 6; Apokalypsy 22:18, 190. Tokony hodinihintsika ny fampianarana vaovao rehetra na tsy araka ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fitambarany ka hifikitra mafy hatrany amin’ny finoana izay mitarika ho amin’ny famonjena isika. — Hebreo 1:1, 2; 2:3, 4.

14, 15. a) Ahoana moa no anazavan’i Joda ny antony nanovany ny zava-nokendrena tamin’ny taratasiny? b) Nahoana moa ireo mpampianatra sandoka no tsy hahomby amin’ny fanimbana ny kongregasiona kristiana amin’ny fitambarany?

14 Raha nanazava ny antony nanovany ny zava-kendrena tamin’ny taratasiny i Joda dia nanambara hoe:

“Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.” (Joda 4).

Ny olona izay “niditra misokosoko” teo amin’ireo kristiana marina dia nampianatra fahadisoan-kevitra tamin’ny fomba mamitaka (Jereo Galatiana 2:4; I Jaona 2:19). Jesosy dia nanambara fanafihan’ny fahavalo nokendrena hanimbana ny vahoakan’i Jehovah; nambarany tokoa fa hamafy “ahidratsy”, dia kristiana sandoka, ny Devoly, eo afovoan’ny “vary”, izany hoe ny tena mpianatr’i Kristy (Matio 13:24-30, 36-43). Ireo apostoly dia nampitandrina koa ny kristiana tamin’ny fivadiham-pinoana, ka notononin’i Petera indrindra ny “mpampianatra sandoka”. — II Petera 2:1; Asa. 20:29, 30; II Tesaloniana 2:3.

15 Tsy hahomby amin’ny fanimbana ny kongregasiona amin’ny fitambarany anefa ireny ratsy fanahy ireny. “Fahiny”, ary talohan’ny naminanian’i Enoka nahatoky aza, ny olona karazan’izany dia notsaraina sy nomelohin’Andriamanitra (Genesisy 3:15; 5:21-24; Joda 14, 15). Voazavan’i Joda tsara ny amin’izany “fahamelohana” izany ao amin’ny tohin’ny taratasiny.

16. Ahoana moa no nahatonga an’ireo “olona ratsy fanahy” ho meloka ho ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana’, ary tamin’ny ahoana izy ireny no diso hevitra?

16 Ireny mpampianatra sandoka ireny dia “ratsy fanahy” na olona tsy manana “fanajana mihitsy an’Andriamanitra”. (“The New Testament in Modern English”, nadikan’i J.B. Phillips.) Nijery ny vahoaka madion’i Jehovah tamin’ny antony manosika sy ny maso tsy madio izy ireo. Ireny olona tsy mampiseho fanajana ireny dia nanatsoaka hevitra tamin’ny fomba diso fa noho Andriamanitra namela an’ireo mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, ets., dia ho ampy famindrampo izy mba hamela izay rehetra hinia hiditra indray ao amin’ny karazam-pahotana toy izany. Nino tamin’ny fomba diso izy ireo fa afaka nandika ireo lalàna ara-pitondrantenan’Andriamanitra nefa ho afa-maina, avy eo dia handalo amin’ny karazam-pibebahana sy hijanona ao amin’ny vahoakan’i Jehovah mandra-paniriny indray hanao fahotana sy ‘hamitaka ny tsy miorina tsara’ mba hitarihana azy ireny ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena (II Petera 2:14). Meloka àry ireny “olona ratsy fanahy” ireny satria ‘hanova ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana’. Tsy nankasitrahany na tena nekeny tokoa ny famindrampon’Andriamanitra izay nanasa ny mpino tamin’ny fahotany tao amin’ny ran’i Kristy, mba hahafahan’izy ireo hatramin’izao manaraka mandrakizay ny lalana mahitsy. — Romana 6:11-23; I Korintiana 6:9-11.

17. Amin’ny fomba ahoana moa no mety hahatonga kristiana ‘handa ny Andrian-tokana sady Tompony’? Inona no miandry ny olona toy izany?

17 Raha sendra voatarik’ireny olona ratsy fanahy ireny isika izay vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena ka tonga andevon’ny ota mba hanome fahafaham-po filan’ny nofo mampiseho fitiavan-tena, dia ‘hamadika’ an’ilay nividy antsika tamin’ny rany sarobidy; amin’izay isika dia handa an’i Jesosy Kristy izay Tompontsika (I Korintiana 7:22, 23). Koa satria miandry an’ireo izay mitondra tena toy izany ny fandringanana, dia tena ilaina ny hanoherantsika an’ireny ratsy fanahy ireny.

Torohevitra lehibe no an’ny androntsika

18, 19. a) Lalan-dratsy inona moa no arahin’olona milaza fa kristiana? b) Inona no vokatr’izany eo amin’ny sasany? d) Torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra inona no tokony hanampy ireo kristiana mahatoky mba ho tsara fitaovana kokoa ‘hiadiana mafy ho an’ny finoana’?

18 Tamin’izao androntsika izao, ny sasantsasany tamin’ireo izay niaraka tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitady hampiditra tao, fampianaran-diso sy fijejojejoana. Ireny olona maty eritreritra ireny dia tsy miraharaha ny lalàna marin’i Jehovah ary tena loza ho an’ireo kristiana mahatoky.

19 Mampalahelo anefa fa na dia ireo mpianatr’i Jesosy Kristy mazoto sy mahitsy fo aza dia mety ho voan’ny fampianaran-diso sy ny fijejojejoana. Ireo torohevitra mahery nomen’i Joda anefa dia hanatanjaka ny olo-mahatoky, mba tsy hahalavoany amin’ny fiezahan’i Satana nokendrena hanimbana ny fifandraisany tsara amin’i Jehovah Andriamanitra. Enga anie isika, amin’ny fanohizana ny fandinihantsika ny taratasin’i Joda ara-tsindrimandry, ho tsara fitaovana kokoa mba ‘hiady mafy ho an’ny finoana’!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Aid to Bible Understanding, pp. 978, 979; “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile”, pp. 246, 247, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society any New York.

Fantatrao ve ny valiny?

◻ Araka ny taratasin’i Joda, loza inona no mandrahona ny kristiana tso-po?

◻ Nahoana moa no sarobidy tokoa ho antsika ny taratasin’i Joda amin’izao andro izao?

◻ Nahoana moa ireo nanoratan’i Joda no nila ny famindrampo, ny fiadanana sy ny fitiavana nampitomboina ho azy?

◻ Inona moa ‘ny finoana voatolotra indray mandeha ho an’ny olona masina?

◻ Inona moa no antony nananaran’i Joda an’ireo rahalahiny kristiana mba ‘hiady mafy ho an’ny finoana’?

[Sary, pejy 21]

Toy ny nataon’ireo kristiana mahatoky tamin’ny fotoana rehetra, ‘miady mafy sy amin’ny fananana toky, ho an’ny finoana, ve ianao?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara