“Ry Malala, (...) tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
“Ry malala, (...) ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo marina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.”—Joda 20, 21.
1, 2. Ankoatra ny fitandremana,inona no fampianarana hitantsika koa ao amin’ny taratasin’i Joda?
JEHOVAH dia mampiseho an-karihary ny fankasitrahany an’izay tsy mendrika akory amin’ny fomba fiasany ho an’ireo izay tia azy. Amin’ny alalan’ny Teniny ara-tsindrimandry dia asehony azy ireo izay andrasany aminy. Azontsika atao ny ho velom-pankasitrahana azy koa noho ny amin’ny taratasin’i Joda izay anisan’ny Teniny, manome fampitandremana hanampy antsika hihazona fifandraisana tsara aminy.
2 Tsy vitan’ny hoe manome fampitandremana tena ilaina ho antsika I Joda, fa mampiseho ihany koa izay tokony hataontsika mba hiorenana amin’ny ara-panahy ka ‘hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’. Ny fandinihana ny taratasiny àry dia tena hahasoa antsika.
Nanambara ny fisian’ny mpaniratsira
3, 4. Nanisy fitenenana ny amin’ny “tenin” ireo apostolin’i Jesosy hoe ahoana moa i Joda?
3 Joda dia nanome izao fampitandremana lehibe izao:
“Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.” (Joda 17-19).
Efa nitatra lava ny tenin’i Joda mba hampahafantarana ny “olona ratsy fanahy” niditra an-tsokosoko tao anatin’ny kongregasiona. Avy eo izy dia niangavy mafy ny rahalahiny izay tiany tokoa, mba hitadidy izay nambaran’ny apostolin’i Jesosy fahiny. Izany fampahatsiahivana izany dia tokony ho nanosika ny kristiana tso-po rehetra mba “hiezaka mafy hiaro ny finoana”.
4 Ny apostoly Paoly koa dia nampitandrina mpiandraikitra rahalahiny fa avy eo aminy no hiposahan’ny olona izay ‘mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy’. (Asa. 20:29, 30.) Nanoratra ho an’i Timoty koa izy fa ‘ amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany’. (I Timoty 4:1, 2.) Ny apostoly Petera kosa dia nanome izao fampitandremana hentitra izao: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira (...) manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?” — II Petera 3:1-4.
5. Tamin’ny fomba ahoana no nety ho nitondran’ny “olona ratsy fanahy” izay tafiditra tao anatin’ny kongregasiona ny kristiana nahatoky, nefa ahoana no tokony ho fihetsiky ny kristiana tia fivavahana?
5 Ireo nandefasan’i Joda ny taratasiny àry dia tokony hanampo hahita “mpaniratsira “hipoitra amin’ny fe-potoana hialoha avy hatrany ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. Tsy hoe tsy nety àry ny niheverana fa ny “olona ratsy fanahy” tafiditra tao anatin’ny kongregasiona dia naniratsira ny mpino nahatoky nifikitra tamin’ireo foto-poto-pitsipika marin’i Jehovah sy nanda ny hanaraka ireny “rahalahy sandoka” ireny tamin’ny fitondrantenany ratsy. Nefa ilain’ireny kristiana tia fivavahana ireny ny ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’, na dia nety nitarika ny fanesoan’ny mpampianatra sandoka izay ‘nandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny’ sady natosik’ireny filana ireny aza izany. — Jereo II Korintiana 11:26; Galatiana 2:4, 5.
6. Na dia Andriamanitra aza no niantoka ny firaisan-tsain’ireo izay tia Azy, inona no notadiavan’ny olona ratsy fanahy hatao?
6 Raha mbola niantoka ny firaisan’ireo izay tia azy Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahiny, ny mpaniratsira ratsy fanahy kosa dia nitady ‘hahatonga fisarahana’ na “fanavakavahana”, tamin’ny fiasana mba hampizarazara ny vahoakan’i Jehovah (Joda 19, “New World Tanslation”, 1950, fanamarihana ambany pejy; Salamo 133:1-3; I Korintiana 1:10). Nisy mpaniratsira niteny ratsy ireo lehilahy nahatoky niantsoroka andraikitra tao anatin’ny kongregasiona, fa ny olona ratsy fanahy kosa dia nandoka olona izay nety nahazoany tombony (Joda 8, 16). Tahaka ny Fariseo, dia nanao tsinontsinona ny mpikambana tsotra sy tia fivavahana tao amin’ny kongregasiona izy ireny. Tsy nanangana niaraka tamin’ny Tompo izy ireny fa nitady hampihahaka kosa. Ankehitriny ny sasany dia mbola mitady hitarika ny misalasala ao amin’ny antoko mitokana, mba, araka ny filazany, “hianatra ny Baiboly”. Ny fihetsika toy izany dia tsy mamporisika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra, ny an’i Kristy sy ny an’ny kongregasiona kristiana. — Lioka 11:23.
7. Nahoana no nety ny niresahana an’ireny “olona ratsy fanahy” ireny ho toy ny “olona biby”?
7 Mety tsara ny firesahan’i Joda an’ireny olona ratsy fanahy ireny ho toy ny olona “biby” na “araka ny fanahy (âme)”, satria izy ireny dia zavaboary navela tamin’ny toe-tenany ara-batana, natolotra ho amin’ny heviny, ny fironany ary ny filan’ny nofony (jereo ”kingdom Interlinear Translation”, andininy faha-19). Nihevi-tena ho voazava teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireny, nefa Joda dia milaza fa “tsy mba manana ny Fanahy” izy. Raha ny marina, ireny “olona biby” ireny dia tsy nahazo ny fanahin’i Jehovah. Izy ireny dia tsy afaka mamantatra ny zavatra ara-panahy ary tsy niakatra afa-tsy nahalana dia nahalana ho ambonin’ny biby tsy manan-tsaina. Raha manana ny fanahin’i Jehovah isika ray raha tsy takatsika ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”, dia tokony ho faran’izay feno fankasitrahana noho izany ny Raintsika any an-danitra isika.— I Korintiana 2:6-16.
Ahoana no fomba hitehirizana ny tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra
8. Inona no nety notondroin’ny teny hoe “finoana masina indrindra”?
8 Joda dia nilaza izao fiangaviana amim-pahatsorana izao ho an’ny rahalahiny avy eo:
“Fa hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 20, 21).
Nasehon’i Joda tamim-pitiavana hoe tamin’ny fomba ahoana ny mpino, ny rahalahiny tiany indrindra, no afaka hitahiry ny tenan’izy ireo tao amin’ny fitiavan’i Jehovah. Mba hanarahana io torohevitra io, dia nilaina, ankoatra ny zava-drehetra, ny namboly ny finoana, izany hoe ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra (Galatiana 5:22, 23). Kanefa, noho izay efa nambaran’i Joda teo aloha ny amin’ny ady ‘hiarovana ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina’ (and. 3), ny fitenenana hoe “finoana masina indrindra” dia nety nanondro ny fitambaran’ny fampianarana kristiana, tafiditra amin’izany ny vaovao tsaran’ny famonjena, ka ny fototry ny finoana toy izany dia Kristy. Nantsoin’i Joda hoe “masina indrindra” izany satria nanosika ny kristiana hitodika amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana sady niorina tanteraka tamin’ny teniny masina. — Asa. 20:32; I Korintiana 3:10-15.
9. Inona no tokony hataontsika mba ‘handrosoana amin’ny finoana masina indrindra’?
9 Mba ‘handrosoana amin’ny finoany masina indrindra’ na mba hiorenan’izany mafy, ny kristiana dia tokony hianatra amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra, isam-batan’olona sy ao anatin’ny kongregasiona. Amin’ny fanaovana dinidinika matetika miorina amin’ny Soratra Masina miaraka amin’ny Vavolombelona kristian’i Jehovah hafa sy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy, izy ireo dia hamela ny Baiboly hanamarika lalina kokoa hatrany ny fony. Nefa tsy ho vita izany raha tsy mivavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah. ‘Mivavaka ao amin’ny fanahy’ ny tena raha mivavaka eo ambany fitarihany sy mifanaraka amin’ny Tenin’i Jehovah. Ankoatr’izany, ny Soratra Masina, izay nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, dia mampiseho amintsika ny fomba fivavaka sy izay tokony hangatahina ao amin’ny vavaka ataontsika. Ohatra, azontsika atao ny mangataka amin-toky mba ho feno ny fanahy masin’Andriamanitra. Raha mivavaka “ao amin’ny fanahy masina” isika, ny hataka ataontsika dia hampiseho toe-po tsara izay tian’Andriamanitra. Amin’izany dia ho afaka hiaro tena amin’ny fitaoman-dratsy isika, indrindra fa amin’ny hevitry ny “olona ratsy fanahy” rehetra izay mety ho tafiditra ao anatin’ny kongregasiona. — Lioka 11:13; Romana 8:9, 26, 27.
10. Inona no tokony hataon’ny mpino mba ‘hitehirizana ny tenany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’?
10 Mba ‘hitehirizana ny tenany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’, ny rahalahin’i Joda kristiana dia tokony hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny an’ny Zanany (Jaona 15:10; I Jaona 5:3). Mba hijanonana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia tokony hanana fiteny sy fitondrantena ankasitrahany. Satria mpanota sy tsy lavorary izy ireo, ny olona mahatoky àry dia hila lalandava ny famindrampon’i Jehovah izay omena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ka azo natao noho ny sorom-panavotan’ny Tompon’izy ireo (Romana 5:8; 9:14-18; I Jaona 4:9, 10). Noho ny famindrampon’Andriamanitra izay azon’izy ireo foana amin’izany fomba izany, ny mpianatra mahatokin’i Jesosy dia ho afaka hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany. — Jaona 3:16.
Tokony hampisehoana famindrampo ny hafa
11. Inona no nolazain’i Joda ny amin’ny famindrampo, ary inona no fanavahana tsy maintsy natao sady niseho ho namindra fo?
11 Mba hampisehoana ny ilàna hananana famindrampo amin’ny hafa, Joda dia nanoratra izao:
“Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ny nofo aza.” (Joda 22, 23).
Raha naniry hahazo hatrany ny famindrampon’Andriamanitra ny mpino, rahalahin’i Joda, dia tokony haneho famindrampo koa amin’ny hafa izay voakasika ny fiainany mandrakizay (Jakoba 2:13). Nefa mba ‘hamindrana fo amin’ny sasany izay miahanahana’, dia tokony hahay hanavaka ireo izay mendrika ny hamindrana fo sy ny ‘mpanofinofy’ ny olona mahatoky.
12. a) Noho ny fitaoman’ny “olona ratsy fanahy”, karazana fisalasalana inona no nety nahazo ny sasany? b) Tamin’ny fomba ahoana no azo ‘nisarihana azy ireny avy amin’ny afo’?
12 Tamin’ny fampianaran-disony, ny fimonomononany, ny fitarainany, ets., ny “olona ratsy fanahy” dia namorona fisalasalana teo amin’ny kristiana tsy niorina tsara teo amin’ny lafiny ara-panahy. Noho izy ireo voahozongozon’ny teny marevaka nataon’ireo mpampianatra sandoka, ireo izay nanana fisalasalana dia nety nanontany tena raha toa ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka nahaforona marina ny vahoakan’Andriamanitra. Angamba aza izy ireny nitsahatra tsy nandray anjara niaraka taminy tamin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitoriana ny vaovao tsara. Ireny olona niahanahana ireny dia notandindomin-doza, norahonan’ny “afo”, izany hoe ny fandringanana mandrakizay (jereo Matio 18:8, 9; 25:31-33, 41-46). Kanefa tamin’ny fanampiana azy ireny haingana, tamin’ny alalan’ny famporisihana ara-panahy sy ny vavaka, ny kristiana niorina tsara, indrindra fa ny mpiandraikitra ny kongregasiona, dia afaka namonjy azy ireny tamin’ny ‘fisarihana azy tamin’ny afo’. — Galatiana 6:1; Jakoba 5:13-20.
13. Tamin’ny fomba ahoana no ‘nahavoapentimpentina ny akanjon’ny sasany? b) Tamin’ny fomba ahoana no azo namonjena ihany an’ireo izay nitondra ‘akanjo voapentimpentina’?
13 Ny sasany angamba nanaiky ho voataonan’ireo izay nandoto ny nofo, ka noho izany dia latsaka niaraka taminy tao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena na ny fijangajangana ara-panahy (Jakoba 4:4). Satria nanaiky hanaraka fanao araka ny nofo izy, dia toy ny hoe ‘voapentimpentina ny akanjony’ anaty. Tahaka ny fandotoana ny akanjo manolo-koditra, dia nolotoin’izy ireny ny toetra anaty nampiavaka ny kristiana marina (jereo Apokalypsy 3:4, 5). Ny Vavolombelon’i Jehovah nahatoky dia nitandrina tsara mba tsy handoto tamin’izany fomba izany ny akanjony, izany hoe ny toetrany kristiana, satria tsy ankasitrahan’i Jehovah izany sady mety hitarika ho amin’ny fandringanana mandrakizay. Kanefa ny kristiana tia fivavahana, ary indrindra fa ireo izay notendrena ho loholona tao amin’ny kongregasiona, dia nanao zavatra tamim-pangoraham-po tamin’ny fitadiavana izay hanampiana ny olona tsy mitoetra tsara, izay nitondra ‘akanjo voapentimpentina’, mba hahita indray ny lalan’ny famonjena. Arakaraka ny nampisehoan’ireny mpaniasia ireny fibebahana marina, dia azo natao ny ‘fisarihana’ azy tamin’ny fahafatesana tao amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra, izay mety hitondran’ny lalan’ny fahalotoana azy ireny — Ohabolana 28:13.
Aoka homentsika an’Andriamanitra ny voninahitra, ny fahalehibeazana sy ny fahefana
14, 15. a) Iza no afaka niaro ny kristiana voahosotra tsy ho tafintohina, ary nety ho latsaka tao amin’inona ny olona anankiray? b) Tamin’ny fomba ahoana ny vavolombelon’i Jehovah nahatoky voahosotry ny fanahy no afaka ‘napetraka tsy nanan-tsiny’ teo anoloan’Andriamanitra? d) Inona no tsy andrin’ny “vahoaka betsaka”?
14 Ho famaranana dia nankinin’i Joda tamin’Andriamanitra ny mpamaky azy tamin’ny filazana hoe:
“Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.” (Joda 24, 25).
Taorian’ny nanomezany fampitandremana sy torohevitra tena tsara azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, Joda dia nanankina an’ireo mpino notandindomin-doza teo amin’ny lafiny ara-panahy tamin’ny fikarakaran’Andriamanitra. Marina tokoa fa Jehovah irery no afaka namela azy ireo hahatohitra amim-pahombiazana ireo “olona ratsy fanahy” izay teo aminy. Noho izany, Joda dia namarana ny taratasiny tamin’ny fomba mety tsara sady niaiky fa ny voninahitra amin’izany dia ho an’ny Avo Indrindra.
15 Ny naman’i Joda, ireo mpivavaka voahosotra, dia afaka natoky an’i Jehovah ‘Izay maharo azy ireo mba tsy ho tafintohina’. Andriamanitra dia afaka niaro azy ireo mba tsy ho latsaka tao amin’ny fandikan-dalàna sy ho resin’ny fakam-panahy nokendrena mba hampandehanana azy tamin’ny lalana tsy madio, izay namporisihin’ireo olona ratsy fanahy mandoto ny nofo indrindra mba hataony. Jehovah dia afaka niaro tokoa ny kristiana tia fivavahana mba tsy ho tafintohina sy ho latsaka ao amin’ny fahotana mahamenatra, ka ho tonga amin’ny fandringanana izay miandry ny kristiana sandoka araka ny nofo sy tsy mibebaka, amin’ny farany. Ambonin’izany, Jehovah dia afaka ‘nametraka ireo [Vavolombelony nahatoky] tsy nanan-tsiny teo anoloan’ny voninahiny tamin’ny firavoravoana’ na ‘teo anoloan’ny tenany be voninahitra’. (“NW”, 1950.) Noho ny fankasitrahan’Andriamanitra an’izay tsy mendrika akory, izy ireo dia afaka nitoetra tsy nanan-tsiny teo amin’ny lafiny ara-panahy (Efesiana 2:1-7; Kolosiana 1:21-23). Ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky izay nahazo ny fanosoran’ny fanahy dia maniry hatsangan’i Jesosy Kristy amin’ny maty ka hatolony ao anatin’ny fahalavorariana ara-panahy eo anatrehan’ny “tena be voninahitra” izay an’Andriamanitra (Jaona 5:25; 11:24, 25). Izany dia hitondra “firavoravoana” ho azy ireo tokoa. Dia toy izany koa fa tsy andrin’ny anisan’ny “olona betsaka” ny hitondrana azy ireo hamakivaky ny “fahoriana lehibe” sy ny hanankinana aminy tombontsoa vaovao ao amin’ny faritry ny “fanompoana masina”, raha mbola handroso ho amin’ny fahatanterahan’olombelona eto an-tany izy ireo. — Apokalypsy 7:9, 10, 14-17.
16. a) Nahoana Jehovah no azo antsoina hoe “Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika”? b) Inona no natolotr’i Joda ho an’Andriamanitra, ary nahoana no nety tsara izany?
16 Araka ny voalazan’i Joda, Jehovah dia “Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika”. Ny Soratra Masina dia mampiseho matetika an’i Jehovah ho toy ny Mpamonjy (Salamo 106:21; Isaia 43:3; Jeremia 14:8; Lioka 1:46, 47). Izy no manome famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. (Matio 20:28; Jaona 3:16; Romana 5:8; I Jaona 4:9, 14). Ara-drariny tokoa àry raha natolotr’i Joda ho an’i Jehovah ny “voninahitra” (grika, doxa) izay mampiseho laza (jereo Salamo 29:1, 2). Natolony azy koa ny “fahalehibiazana” (grika mégalôsunê), izay midika ho “fahalehibeazan”’ny mpanjaka (“Int”). Fiaikena marina tokoa ny fahefan’ny mpanjaka Tampony ananan’i Jehovah amin’ny maha-“Mpanjaka tsy manan-taloha” azy izany. (I Timoty 1:17.) Ny “fanjakana” (kratos) koa dia ekena ho an’i Jehovah. Izany dia tokony ho ny fanapahany na ny any an-danitra na ny eto an-tany (jereo Daniela 4:25; Apokalypsy 11:16-18). Nomen’i Joda an’Andriamanitra koa ny “fahefana” (grika, exousia), satria Jehovah tokoa dia manana fahefana hanao zavatra araka izay tiany. — Daniela 4:31, 32.
17. Nahoana no nety ny fiaiken’i Joda ny amin’ireo toetran’Andriamanitra ireo? a) “hatramin’ny taloha indrindra”, b) “ankehitriny” ary d) “mandrakizay”?
17 Nety tokoa ny nanomezan’i Joda ny voninahitra, ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fahefana ho an’i Jehovah “hatramin’ny taloha indrindra” na “talohan’ny fotoana rehetra”, araka izay efa azon’ny olona nekena, satria Jehovah dia Andriamanitra “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Joda 25, “NW” 1950, fanamarihana ambany pejy; Salamo 90:2.) Ny mpivavaka amin’i Jehovah dia hiaiky ny amin’ireo toetrany ireo “ankehitriny”, fony nanoratra ny taratasiny i Joda ka hatramin’izao androntsika izao. Ambonin’izany, Jehovah dia mendrika ny fanolorany azy an’ireo toetra ireo “mandrakizay”, satria tsy ho faty na oviana na oviana Izy sady hanana foana mpivavaka mahatoky hidera azy (Habakoka 1:12; Salamo 148). Nofaranan’i Joda tamin’ny teny hoe “Amena” na “Ho toy izany tokoa anie” izay azo atao hoe vavaka raha ny marina, ary ny vavolombelona kristian’i Jehovah mahatoky rehetra dia mankasitraka amim-pahatsorana ireo fiderana natolotra an’Andriamanitra ireo.
Raiso am-po ny hafatr’i Joda
18. Inona no fianarana azontsika tamin’ny taratasin’i Joda momba a) ny mpampianatra sandoka, b) ny “fitondrantena ratsy”, d) ny tsy fahampiam-pinoana, e) ny fanajana ny fahefana, f) ny fimonomononana sy ny fitarainana, ary g) ny fandokafana atao amin’ny sasany mba hahazoana tamby?
18 Ny taratasin’i Joda dia misy vidiny marina tokoa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tokony hifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy handositra tanteraka ny mpampianatra sandoka isika (Joba 13:16; 27:8, 9, “MN”; Jeremia 17:13; Joda 4, 19). Ny olona mahatoky dia tokony hanohitra ny famporisihana rehetra ho amin’ny “fitondrantena ratsy”. (Joda 3, 4; Genesisy 39:7-12.) Tsy mety koa ny ho resin’ny tsy fahampiam-pinoana, satria hamery ny fiainana mandrakizay isika (Hebreo 3:12; Joda 5). Ny hafatr’i Joda koa dia tokony hamporisika antsika hanaja ny fahefana naorin’Andriamanitra sy hanohitra izay rehetra mety hanosika antsika hanakiana ireo izay miantsoroka amim-pahatokiana ireo andraikitra ao anatin’ny kongregasiona (Hebreo 13:17; Joda 8, 9). Ny taratasin’i Joda dia mamporisika antsika tsy himonomonona sy tsy hitaraina fa hampiseho fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpino hafa kosa (Matio 22:37-40; Jaona 13:34, 35; Romana 13:8-10; Joda 16).
19 Amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah sy ny Zanany malala, nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia aoka horaisintsika am-po ny hafatra mahery sy feno fitiavana nentin’i Joda (jereo Isaia 43:10-12; Asa. 1:8). Ny zavatra raketiny dia hahatonga ny diantsika ho azo antoka kokoa, raha mbola manaraka ny “lalan’aina” isika. (Salamo 16:11). Enga anie àry isika hijanona ao amin’ny ‘fitandremana araka ny tenin’i Jehovah’, anisan’izany ny taratasy nosoratan’i Joda (Salamo 119:9-16)! Amin’ny fanaovana izany dia hahomby isika amin’ny “fiezahana mafy hiaro ny finoana” ka noho ny fanampian’Andriamanitra, dia ‘hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’ isika.
Tadidinao ve ireto hevitra ireto?
□ Iza no nampitandrina ny kristiana fa ‘amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira’ ary nahoana i Joda no nanintona ny saina ho amin’io hevitra io?
□ Inona no natao hoe “finoana masina indrindra”, ary amin’ny fomba ahoana no azontsika iorenana eo amboniny?
□ Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo rahalahin’i Joda ‘nitahiry ny tenany tao amin’ny fitiavan’Andriamanitra’?
□ Nahoana ny sasany milaza tena ho kristiana no nila famindrampo ary inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘sariho avy amin’ny afo izy ireny’?
□ Nahoana no nety ny nanoloran’i Joda ny voninahitra, ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fahefana ho an’i Jehovah Andriamanitra?
□ Tokony horaisintsika am-po ny hafatr’i Joda satria manampy antsika handamina zava-manahirana inona avy moa izany?
19. Nahoana no tokony horaisina am-po ny hafatr’i Joda azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 19]
Ireo vavolombelon’i Jehovah nahatoky tamin’ny taonjato voalohany dia ‘niady mafy ho an’ny finoana’, na dia nisy mpampianatra sandoka naneso azy aza.