“Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina”
“Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy” — Joda 14, 15.
1. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anatrehan’i Jehovah, ilay Mpitsara tampony?
JEHOVAH, ilay Mpitsara tampony, dia mendrika ny fanajantsika (Isaia 33:22) Kanefa maro no mihevitra azy amim-panamavoana. Anisan’ireny mpanota miavonavona ireny ny “olona ratsy fanahy” resahin’i Joda mpianatra ao amin’ny taratasiny azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Kanefa tsy misy olona ho afa-maina amin’ny fanamavoana an’Andriamanitra, satria tsy isalasalana fa ho ‘tonga Jehovah hitsara ny olona ratsy fanahy’. — Joda 14, 15; Joba 9:1-4.
2. a) Inona no efa nasehon’ny fandinihana ny tapany voalohany tamin’ny taratasin’i Joda antsika? b) Inona no tokony ho vokatry ny torohevitra manaraka nomen’I Joda eo amintsika?
2 Ny resadresatsika teo aloha ny amin’ny taratasin’i Joda dia nanipika ny ilàna hanoherana ireo mpampianatra sandoka sy ireo izay mitady handoto ny nofo, hiheverana ireo fampitandreman’ny Soratra Masina sy hanajana ny fahefana naorin’Andriamanitra (Joda 1-10). Enga anie izao ny torohevitra hafa nomen’i Joda hampitombo ny fanajantsika ilay Mpitsara tampony mba tsy hihozongozonantsika eo ampovoan’ny vavolombelony izay manana ny fiainana mandrakizay eo anoloany!
“Hahita loza izy!”
3. Meloka ny amin’inona moa i Kaina?
3 Nanoratra izao Joda ny amin’ireo “olona ratsy fanahy” izay mihaika an’Andriamanitra:
“Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ny làlan’i Kaina, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ny fiodinan’i Kora izy.” (Joda 11).
Tamin’ny filazana hoe “hahita loza izy”, Joda dia nanondro ny loza hianjady amin’ny “olona ratsy fanahy” izay tafiditra tao amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah (jereo Lioka 11:42-47, 52). “Nandeha tamin’ny làlan’i Kaina” ireny olona ireny. Nankasitrahan’Andriamanitra Abela sy ny fanatiny, nofo sy ram-biby iray, fa nolaviny kosa ny fanatitra tsy nisy ra nalatsaka nataon’i Kaina tamin’ny toe-tsaina ratsy. Kaina dia tsy ampy finoana sady tsy nanaja ny voninahitra na ny fahamendrehana nomen’Andriamanitra an’i Abela. Natosiky ny fitsiriritana sy ny fankahalana izy ka nanamavo mihitsy ny fampitandremana nomen’Andriamanitra azy, ary namono ny rahalahiny. — Genesisy 4:2-8; Hebreo 11:4; I Jaona 3:12.
4. a) Inona no atao hoe ny “làlan’i Kaina”? b) Nahoana no tokony hohalavirina izany?
4 Alohan’ny zavatra rehetra, Kaina dia nanamavo an’i Jehovah ka ny fitondrantenany tsy nanaja no nantsoina hoe “ny làlan’i Kaina”. Ny fihetsiny nikomy sy ny antony nanosika azy ratsy dia mazava fa ratsy; tahaka izany koa ankehitriny ho an’izay sady milaza tena ho Vavolombelon’i Jehovah no mitady hanova ny fankasitrahan’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory ho fialan-tsiny hanarahana fitondrantena ratsy. Ny olona toy izany dia mandeha amin’ny “làlan’i Kaina. Tahaka an’i Kaina izay nankahala sy namono ny rahalahiny, ireny olona ireny dia ‘mpamono olona’ satria mankahala ny kristiana mahatoky izay omen’Andriamanitra voninahitra amin’ny fanankinana amin’izy ireny ny fanompoana azy (I Jaona 3:15). Nozonin’Andriamanitra Kaina izay ny taranany dia fongotra tamin’ny safodrano. Toy izany koa fa “hahita loza” ireo izay manaraka ny “làlan’i Kaina”, satria io làlana io dia tsy ankasitrahan’i Jehovah sady mitondra ho amin’ny fandringanana.
5. a) Lalana inona no narahin’i Balama? b) Tamin’ny andron’i Joda, iza ireo lehilahy “nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama”? c) Inona no hanjo an’izay rehetra mitady hanimba ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny fampianaran-diso na amin’ny famporisihana azy hanome fahafaham-po ny filan-dratsiny ara-nofo?
5 Ny olona ratsy fanahy izay nandoto ny nofo dia “nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoany tamby” koa. Satria nanaiky ireo fanolorana tamby niverimberina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, i Balama dia nanandrana nanozona intelo ny Isiraelita, nefa novan’i Jehovah hatrany ho fitahiana ny fanozonana. Balama fatra-pitia harena àry dia nampino an’i Balaka fa raha nety ho voataona hanaraka ny fivavahan-diso sy hampanaram-po ny filan’ny nofony ny Isiraely, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no hanozona ny vahoakany. Nanaraka izany torohevitra izany Balaka ka Isiraelita 24 000 no ringana noho ny fitondrantenany ratsy, na novonoina izany, na maty noho ny loza nalefan’Andriamanitra (Nomery 22:1-25:9; Apokalypsy 2:14). Taty aoriana, ny tenan’i Balama koa dia novonoin’ny tanan’ireo izay notadiaviny hozonina (Nomery 31:8). Dia torak’izany koa fa ho azon-doza izay rehetra milaza tena ho Vavolombelon’i Jehovah, nefa miseho ho mpierina ary mitady hanaratsy ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fampianaran-diso sy amin’ny fanomezana fahafahampo ny filan’ny nofony. Nisy fisehoan-javatra toy izany tamin’izao androntsika izao, noho izany, ireo vavolombelona mahatoky nanolo-tena ho an’i Jehovah dia tokony ho malina.
6, 7. a) Meloka ny amin’inoana i Kora Levita? b) Inona no nahazo an’i Kora sy ireo nanaraka azy? c) Ahoana no tokony hiheverana ny ‘fiodinana’?
6 Nanonona ohatra hafa iray i Joda ho fampitandremana: dia ny amin’i Kora Levita izay ‘niodina’. Natosiky ny fanirian-doza izy ka niampanga lainga an’i Mosesy ho nanao zavatra tamim-pitiavan-tena mba hahatongavan’i Arona rahalahiny ho mpisoronabe. Nampangainy koa aza Arona ho naka ny tombontsoan’ny fisoronana ho azy sy ny fianakaviany. Tsy nanana fiheverana mihitsy ny voninahitra na ny fahamendrehana nomen’Andriamanitra an’i Arona sy ny zanany lahy i Kora ka nikomy tamin’ny fanendrena avy tamin’Andriamanitra.
7 Na dia navotana avy tany Egypta aza Kora sy ny sasany tamin’ireo Robenita izay niandany taminy, izy ireo dia tsy niditra mihitsy tao amin’ny Tany nampanantenaina. Mifanohitra amin’izany kosa fa nisokatra ny tany ary nitelina ny sasany tamin’izy ireo, ary ny hafa kosa matin’ny afo nalefan’i Jehovah. Avy eo, dia Isiraelita 14 700 izay nimonomonona nanohitra io fitsaran’Andriamanitra io, no levona noho ny loza nalefan’i Jehovah ihany koa (Nomery toko faha-16). Tena niaiky i Joda fa ny fitsaran’Andriamanitra dia hamely ny “olona ratsy fanahy” mikomy, hany ka nilaza izy fa ireny “olona ratsy fanahy” ireny dia “efa ringana” , toy ny hoe efa vita sahady izany. Tokony hanosika antsika tokoa izany hanohitra ny ‘fiodianana’.
8. Inona no vidin’ny ohatra ny amin’i Kaina, Balama sy Kora amin’izao andro izao?
8 Tsy isalasalana mihitsy fa izay rehetra mikiry amin’ny lalan’ny fikomiana amin’i Jehovah sy ny fandaharany raha ny amin’ny fandaminana, dia hahita loza. Nasehon’i Joda fa “hahita loza” ireo rehetra tsy ampy fitiavana sy finoana (toa an’i Kaina), izay (tahaka an’i Balama) niantehitra fatratra tamin’ny tamby noho ny famporisihana hanao fitondrantena ratsy tamin’ny fampianarany na (tahaka an’i Kora) naniratsira ny fahefana nomen’Andriamanitra ny sasany. Ny tenin’i Joda dia tsy isalasalana fa mahaforona fampitandremana mahery tokoa ho an’izay rehetra milaza tena ho Vavolombelon’i Jehovah ka manana fihetsika tia fanakianana na tsy manaja ny fandaminana teokratika nomanin’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao.
Fanoharana mba ho fampitandremana
9. Inona no tian’i Joda holazaina raha nanohatra ny mpampianatra sandoka ratsy fanahy tamin’ny “harambato voasaron-drano” izy?
“Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavanareo raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ny maizina.” (Joda 12, 13).
Joda dia nanohatra indrindra ny mpampianatra sandoka tamin’ny “harambato voasaron-drano”. Milaza ho tia ny mpino ireny olona ireny, nefa nitovy tamin’ny harambato misy rirany maranitra izay mety handratra na hahafaty mpilomano, na koa haharendrika sambo. Raha tsy manohy “miezaka mafy hiaro ny finoana” ny Vavolombelon’i Jehovah, ny sasany aminy izay tsy miorina tsara dia mety ho voafitaka ka ho “toy ny olona vaky sambo ny amin’ny finoany”. — I Timoty 1:19.
10. Mety ho inona ireo “fanasam-pifankatiavan’” ny kristiana voalohany, ary inona no fikasan’ireo “olona ratsy fanahy” raha nandeha tany? b) Inona no tokony hohalavirina amin’ny fivoriam-pialam-boly alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’izy samy izy?
10 Ireny “olona ratsy fanahy” ireny dia nanatrika ny fanasam-pifankatiavan’ireo” kristiana. Mety ho fanasana izay niantsoan’ny kristiana manana ny ampy ara-nofo ny rahalahiny mahantra izany. Nefa ireny olona ireny izay nitady handoto ny nofo dia nandeha tany tamin’ny fananana sain-dratsy (jereo II Petera 2:13). Toy izany ankehitriny fa ny sasany dia nitady hanararaotra ny takarivam-pialan-tsasatry ny samy Vavolombelon’i Jehovah mba hihinanana sy hisotroana tafahoatra, na hampidirina ao hira na dihin’izao tontolo izao. Enga anie ny vavolombelona kristiana mahatoky tsy hamela an’izany hisy mihitsy mandritra ny fivoriany amin’ny samy mpirahalahy!
11. a) Karazana mpiandry nanao ahoana moa ireo mpampianatra sandoka? b) Inona no tokony ho fihetsiky ny kristiana mahatoky eo anoloan’ny mpampianatra sandoka ankehitriny?
11 Ny mpampianatra sandoka ratsy fanahy koa dia azo nampitahaina tamin’ny mpiandry izay nanety sy nandany ny ondry mba hitafiana sy hohanina. Nanandrana nitaona ny kristiana tsy niorina tsara ho eo amin’ny lalan’ny fikomiana izy, nefa tsy nanome azy ireny sakafo ara-panahy (jereo Ezekiela 34:7-10). Tena ilaina ny handavan’ny kristiana mahatoky ny hevitry ny mpampianatra sandoka izay mety hitranga amin’izao androntsika izao.
12. Amin’ny heviny ahoana moa ny mpampianatra sandoka tamin’ny andron’i Joda no rahona tsy nisy rano nentin’ny rivotra?
12 Ny mpampianatra sandoka tamin’ny andron’i Joda dia azo noharina koa tamin’ny rahona mamitaka mampanantena orana tena ilaina, nefa raha ny marina tsy misy rano, entin’ny rivotra lavitra. Ireny olona ireny entin’ny rivotry ny fahadisoan-kevitra ka, toy ny “rahona tsy misy rano”, dia poakaty ara-panahy sady tsy ilaina. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hitandrina koa ankehitriny amin’ireo mpampianatra sandoka mieboebo.
13. Nahoana ny mpampianatra sandoka no nitovy tamin’ny hazo tsy nisy voany, “indroa maty, voafongotra”?
13 Tsy namoa vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra ireny olona ratsy ireny fa nitovy kosa tamin’ny hazo izay, amin’ny fararano, amin’ny faran’ny fotoam-pijinjana, dia tsy mbola namoa voa ihany. Izy ireny dia “hazo indroa maty” na “maty tanteraka”. (Testamenta vaovao voadika amin’ny teny frantsay mahazatra.) Ireny olona ireny dia “tafiditra” tao anatin’ny kongregasiona rehefa nilaza ho velona ara-panahy ka natao batisa ho fanaraham-pomba fotsiny. Nefa hatreto izy ireo dia tsy namoa voa mihitsy ho voninahitr’Andriamanitra; tsy maintsy nisy zavatra natao tamin’izy ireny àry tahaka ny fanao fahiny tany Palestina tamin’ny hazo tsy namoa izay nongotana sy nofoanana mba tsy handoavan-ketra amin’ny hazo mamoa. Ny fampiasana ny teny hoe “voafongotra” dia mampiseho mazava fa natokana ho amin’ny fandringanana ireny mpampianatra mpivadi-pinoana tsy nibebaka ireny.
14. Amin’ny heviny ahoana moa ny mpampianatra sandoka no tahaka ny “onjan-dranomasina mitopatopa”?
14 Koa satria tsy mahazo ny fanahy masin’Andriamanitra ireny mpampianatra sandoka ireny dia noharina koa tamin’ny “onjan-dranomasina mitopatopa”. Mahery tahaka ny onja misamboaravoara izay mamoaka fotaka sy volon-kotona (algues0 izy ireny. Raha ampitahaina, ireny olona araka ny nofo ireny, taitaitra foana, dia milaza ho manam-pinoana toa tena mahery, nefa ny fampianarany sy ny asany ratsy dia mampitovy azy amin’ny mpanao ratsy maharikoriko izay manana antony maro tokony hahamenatra.— Isaia 57:20, 21.
15. Nitovy tamin’ny karazan-kintana nanao ahoana moa ny mpampianatra sandoka, ary inona no anjara voatokana ho azy ireo?
15 Koa satria ireny mpampianatra sandoka ireny tsy nitoetra teo amin’ny lalan’ny fahamarinana tsy miovaova, dia toy ny “kintana mivezivezy” izy ireny. (“Testamenta vaovao voadika amin’ny teny frantsay mahazatra”). Miharihary fa tsy ho azo atao ny hitondra sambo amin’ny fanarahana ny kintana raha mivily amin’ny lalany amin’ny fomba tsy ampoizina izy ireny. Dia toy izany fa tahaka ny kintana “mifindrafindra”, ireny mpivadi-pinoana ireny dia tsy nety ho mpitarika ara-panahy azo antoka sy azo itokisana. Andriamanitra dia tsy afaka ‘nitahiry’ ho an’ireny fahazavana mamitaka ireny afa-tsy ny “fahamaintisan’ny maizina” mandrakizay, izany hoe ny fandringanana mandrakizay. Ny vavolombelona kristian’i Jehovah mahatoky dia manana antony tokoa tokony handavana tanteraka ny mpampianatra sandoka sy ny fampianarany.
Hanatanteraka ny fitsarany Jehovah
16. Iza moa Enoka, ary naminany inona izy?
16 Ta-hanaporofo i Joda fa hanao zavatra hanoherana ny olona ratsy fanahy i Jehovah ka mbola nilaza toy izao koa:
“Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nanao hoe: ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy’.” (Joda 14, 15).
Raha isaina ny lehilahy voalohany, Enoka dia “ilay fahafito nandimby an’i Adama”. Teo anelanelan’izy ireo, dia nisy an’i Seta, Enosy, Kenana, Mahalalila ary Jareda (Genesisy 5:3-18). ‘Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka’ amin’ny heviny hoe nanaraka ny lalana nifanaraka tamin’ny fahamarinana nasehon’i Jehovah izy (Genesisy 5:24; Hebreo 11:5). Na dia velona teo ampovoan’ny faharatsiana ara-panahy lehibe aza izy, dia nanompo tamin-kerim-po tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra.
17. Tamin’ny fomba ahoana no nety nahafantaran’i Joda ny faminanian’i Enoka?
17 Tsy nampahafantarina antsika ny fomba nahalalan’i Joda ny faminanian’i Enoka, izay tsy voalaza taloha tao amin’ny Soratra azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, nefa Jesosy angamba no nanonona azy tao amin’ny iray amin’ireo toriteniny izay nety ho nampitaina am-bava avy eo. Ankoatr’izany, tsy misy na inona na inona manaporofo fa Joda dia nanonona teto fanambarana mitovy amin’izay hita tao amin’ny Bokin’i Enoka, boky “tsy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra” iray. Tamin’ny fampidirana ny faminanian’i Enoka tao amin’ny taratasiny, Joda izay nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra dia nanaporofo ny fahamarinany.
18. a) Nahoana i Joda no afaka nilaza fa ny faminanian’i Enoka dia nikendry koa ny mpampianatra sandoka tamin’ny androny? b) Araka ny faminanian’i Enoka, inona no hataon’ilay Mpitsara tampony amin’ireo izay tsy nanaja Azy?
18 Enoka “dia efa naminany ny amin’ireny [ny mpampianatra sandoka tamin’ny andron’i Joda]”, azo inoana fa tamin’ny heviny hoe izay nambarany ny amin’ny mpandika lalàna tamin’ny androny dia hihatra ihany koa amin’ireto mpivadi-pinoana tamin’ny taonjato voalohany. Jehovah, ilay Mpitsara tampony, izay nohamavoin’ireny olona ratsy fanahy sy tsy manaja ireny, dia hampihatra ny fitsaram-panamelohany amin’izy ireo. Amin’izany dia ho avy izy miaraka amin’ny “masiny tsy omby alinalina [ny alinalina iray dia mifanitsy amin’ny iray alina]”, izany hoe anjely masina tsy hita isa (jereo Deoteronomia 33:2; Daniela 7:9, 10). Ny filohan’ireny anjely ‘masina tsy omby alinalina’ ireny dia ny Mesia, izay amin’ny alalany no hahatongavan’i Jehovah sy hampiharany ny fitsarany. — Lioka 1:35; Jaona 5:27; Asa. 17:30, 31.
19. a) Tahaka ireo ratsy fanahy tamin’ny andron’i Enoka, amin’ny ahoana no ilazan’ireo “olona ratsy fanahy” “teny sarotra” hanoherana an’i Jehovah? b) Inona no hanjo tokoa an’ireo olona ratsy fanahy nandoto ny nofo? c) Ahoana no tokony ho fitondrantenan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?
19 Jehovah dia nanome fahafahana malalaka ho an’ireny olona ratsy fanahy sy tsy manaja ireny mba hanehoany ny fahadisoany, indrindra amin’ny “asa ratsiny”. Ny asa sy ny teny ratsiny dia nampiharihary ny haratsiam-panahiny sady nanaporofo ny fahadisoany; ‘nampiaiky’ azy ireo tamin’ny faharatsiam-panahy Andriamanitra. Toy ny nitenenan’ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Enoka “teny sarotra”, dia toy izany koa fa ireny “olona ratsy fanahy” ireny dia manamavo ny manana fahalehibeazana ary miteny ratsy an’ireo izay nomen’Andriamanitra voninahitra sasany (Joda 8-10). Manao “teny sarotra” momba an’i Jehovah àry izy ireny ka noho izany dia voaheloka. Mifanaraka amin’ny faminanian’i Enoka, Andriamanitra dia nampihatra ny fitsarany teo amin’ny olona ratsy fanahy tamin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa. Noho izany, ny fitsarana notononin’Andriamanitra teo amin’ny olona ratsy fanahy nandoto ny nofo dia tanteraka tokoa, ary ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny dia afaka manantena hanatrika fanaovan-javatra mitovy amin’izany. Tokony hitandrina izay ataontsika sy izay lazaintsika àry isika mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ka ho afa-mandositra ny fandringanana.
Aoka hariantsika ny fimonomononana sy ny teny miavonavona loatra
20. Amin’ny fomba ahoana no tokony hiheveran’ny mpanompon’i Jehovah ny fimonomononana sy ny fitarainan’ireo “olona ratsy fanahy”?
20 Joda dia mbola nilazalaza ny toetra hafa mampiavaka ireny olona ratsy ireny tamin’ny filazana hoe:
“Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy [mimenomenona noho ny manjo azy eo amin’ny fiainana, MN], mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.” (Joda 16).
Ny vavolombelona kristian’i Jehovah dia amporisihana mba hanohy ‘hanao ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana’. (Filipiana 2:14, 15.) Fa ny olona ratsy fanahy kosa dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona. Nahatonga azy ireo ho faty tany an’efitra izany, satria raha ny marina dia nimonomonona tamin’i Jehovah izy ireo. (Nomery 14:1-38; I Korintiana 10:10). Ireny olona araka ny nofo ireny dia tsy nitsahatra ‘nimenomenona noho ny nanjo azy teo amin’ny fiainana’ koa, tahaka ny olona izay mahantra amin’ny fananan’izao tontolo izao, mitaraina fa tsy manankarena, ets. Marina fa, tahaka ireo kristiana marina tamin’ny andron’i Joda, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia miantehitra amin’ny fahendrena avy any an-danitra sy ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra mba hizakana ny fotoan-tsarotra. Enga anie isika tsy hanahaka mihitsy ireny olona ratsy fanahy izay nimonomonana lava tamin’ny andron’i Joda ireny!
21. a) Amin’ny ahoana no nandehanan’ireo “olona ratsy fanahy” araka ny filany? b) Tamin’ny fomba ahoana ireny mpikomy ireny no ‘nandoka olona mba hahazoan yzavatra’ aminy ary nahoana izany no ratsy?
21 Ireny olona mpikomy ireny dia ‘ nandeha araka ny filany’, notapahin’ny filan-dratsiny fa tsy ny didin’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany (jereo Jakoba 4:1-3). Ary raha ‘nanao teny niavonavona loatra’ izy ireo, dia niraharaha ny amin’ny kristiana sasany izay anaovany teny feno doka nefa mihatsaravelatsihy (jereo Salamo 140:11; Titosy 1:10, 11; II Petera 2:18, 19). Ireny olona ratsy fitondrantena ireny dia ‘mandoka olona mba hahazoany zavatra’. Mitady sitraka sy fanohanan’ny mpanankarena izy ireny, dia amin’ny olona manana toerana ambony na hafa koa mba hahazoana tombony ara-nofo na ara-tsosialy avy aminy. Izany fihetsika faran’izay feno fitiavan-tena izany dia nanariany ny zava-kendrena ambony lavitra: hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izy ireny àry dia tsy nanana fanajana mihitsy an’ilay Mpitsara tampony izay nanameloka azy ireny noho izany ho amin’ny fandringanana.
22. Teto amin’ity tapany amin’ny taratasiny ity. Inona no nasehon’i Joda mba hahasoa antsika, ary inona no raketin’ny teny famaranany?
22 Joda dia niresaka tsy an-kifonofono tamin’ireo rahalahiny mpino raha namporisika azy ireo “hiezaka mafy hiaro ny finoana”. Nanintona ny saina ho amin’ny fampitandreman’ny Soratra Masina ny amin’ny faharatsiam-pitondrantena, ny fikomiana sy ny fimonomononana izy, ary tsy nampisy fisalasalana mihitsy ny amin’ny fahatanterahan’ny fitsaran’Andriamanitra izy. Mety tokoa àry raha misaintsaina ny amin’izany zavatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka ny ho hitantsika etsy aoriana, ny teny famaranan’i Joda, izay mirakitra fitalahoana amim-pahatsorana, dia tena ilain’ny mpanompon’i Jehovah koa.
Ho hainao ve ny hamaly?
□ Inona no atao hoe ny “làlan’I Kaina”, ary nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tokony hanalavitra izany?
□ Iza no ‘nimaona fatratra hanaraka nyfahadisoan’I Balama’, ary nahoana no tokony handosirana izy ireny?
□ Fampitandremana inona no omen’ny ohatra ny amin’i Kora Levita ho antsika?
□ Amin’ny heviny ahoana moa ny “olona ratsy fanahy” resahin’i Joda no azo oharina amin’ny hazo tsy misy voany, “indroa maty, voafongotra”?
□ Naminany inona Enoka, ary tokony hanosika antsika hanao inona ny teniny?
□ Araka ireo torohevitra nomen’i Joda, ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fimonomononana sy ny ‘fandokafana olona mba hahazoana zavatra’?
[Sary, pejy 16]
Toy ny hazo tsy mamoa nongotana, dia toy izany koa fa ireo mpampianatra nivadi-pinoana sy tsy nibebaka dia voatokana ho amin’ny fandringanana.