Fivoriamben’ny Distrika 1996 “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”
TAMIN’NY andro fahiny dia nankalaza andro firavoravoana telo lehibe isan-taona ny vahoakan’i Jehovah. Tahaka izany koa, amin’ny andro ankehitriny dia mihaona intelo isan-taona mandritra ny fotoam-piravoravoana ny vahoaka mitondra ny anaran’i Jehovah. Faly izy ireo tafangona mandritra ny andro iray fivoriambe manokana sy ny fivoriamben’ny fizaran-tany roa andro ary ny fivoriamben’ny distrika telo na efatra andro. Amin’itỳ taona itỳ, ny foto-kevitra amin’ny fivoriamben’ny distrika dia hoe “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”.
Foto-kevitra mety toy inona moa izany! I Jehovah Andriamanitsika dia “Andriamanitry ny fiadanana”, eny, “Andriamanitra manome fiadanana”. I Jesosy Kristy, Mpitarika antsika, no ilay “Andrian’ny fiadanana”, ary ny hafatra entin’ny mpanompon’i Jehovah dia hafatra iray milaza fiadanana araka an’Andriamanitra. (Filipiana 4:9; Romana 15:33, NW; Isaia 9:5; Nahoma 2:1). Nomanina mba hanampy ny rehetra hankasitraka amin’ny fomba feno kokoa ny maha-zava-dehibe ny fiadanana araka an’Andriamanitra ny fandaharam-pivoriambe iray tsara dia tsara.
Amin’itỳ taona itỳ, any Etazonia fotsiny, dia hisy fivoriambe 198. Azo inoana fa hisy fivoriambe iray ao amin’ny toerana tsy lavitra anao. Nahoana raha manontany ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana akaiky anao ny amin’ny fotoana sy ny toerana marina hanaovana azy io, ary avy eo dia manao fandaharana mialoha mba hanatrehana izany? Horaisina amin-kafanam-po ireo rehetra liana amin’ny tena fiadanana maharitra.