FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/3 p. 25-28
  • Tokony Hiditra any Amin’ny Sekoly Kilasimandry ve ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Hiditra any Amin’ny Sekoly Kilasimandry ve ny Zanakao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianarana sy fiainana ara-panahy
  • Ny fitaoman’ireo mpianatra hafa
  • Ny fitaoman’ireo mpampianatra
  • Fahafahana mivoaka voafetra
  • Fisehoana ho hafa
  • Andraikitry ny ray aman-dreny
  • Misy safidy hafa ve?
  • Ireo Fanalahidin’ny Fampianarana Tsara
    Mifohaza!—1996
  • Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly
    Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
    Mifohaza!—1996
  • Tokony Hiala Amin’ny Fianarana ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/3 p. 25-28

Tokony Hiditra any Amin’ny Sekoly Kilasimandry ve ny Zanakao?

ALAO sary an-tsaina hoe mipetraka ao amin’ny vohitra kely any amin’ny tany iray andalam-pandrosoana ianao. Manan-janaka maromaro mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra ianao, nefa rehefa ho 12 taona izy ireo dia hisondrotra ho amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Be mpianatra sady tsy ampy fitaovana sy mpampianatra ireo sekoly ambaratonga faharoa ao amin’ny faritra misy anao. Mihidy mandritra ny herinandro sy volana maro indray miaraka indraindray ireo sekoly noho ny fitokonana.

Misy manolotra bokikely manintona iray anao izay milazalaza momba ny sekoly kilasimandry iray any an-tanàn-dehibe. Hitanao ao ny sarin’ireo mpianatra falifaly sy mitafy amin’ny fomba mihaja, mianatra ao amin’ny lakilasy sy laboratoara ary efitra famakiam-boky ampy fitaovana tsara. Mampiasa ordinatera ny mpianatra ary miala sasatra ao amin’ny efitrano fatoriana madio sy manintona. Vakinao fa ny iray amin’ireo tanjon’ilay sekoly dia ny hanampy ireo mpianatra “hahazo ny fari-pahaizana ambony indrindra mety ho azony”. Mbola vakinao koa fa: “Takina amin’ny mpianatra rehetra ny mba hanaraka lalàm-pitondran-tena mitovy amin’izay antenaina ara-dalàna ho hita ao amin’ny faritry ny fianakaviana, ka anantitranterana ny fiheverana ny hafa, ny fahalalam-pomba, ny fanajana ny ray aman-dreny sy ny zokiolona, ny fiaraha-miasa, ny fifandeferana, ny hatsaram-panahy, sy ny fanaovana ny marina ary ny tsy fivadihana.”

Voalaza ho niteny toy izao ny tovolahy iray mitsikitsiky: “Nanome ahy tombontsoa miavaka ny ray aman-dreniko dia ny hankany amin’ny sekoly tsara indrindra.” Milaza ny tovovavy iray: “Mampahazoto sy mandrisika ny sekoly. Eto dia mandeha ho azy ny fianarana.” Handefa ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ho any amin’ny sekoly kilasimandry toy izany ve ianao?

Fampianarana sy fiainana ara-panahy

Maniry hanome fiaingana tsara eo amin’ny fiainana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny miahy rehetra, ary mba hanatratrarana izany, dia zava-dehibe ny fampianarana feno amin’ny lafiny rehetra sy voalanjalanja. Matetika ny fampianarana ivelan’ny fivavahana dia manome fahafahana hahita asa amin’ny ho avy ary manampy ireo tanora hivelatra ka ho tonga olon-dehibe ho afaka hikarakara ny tenany sy izay ho fianakaviany rahatrizay.

‘Raha manolotra fampianarana tsara miaraka amin’ny tari-dalana sasany ara-pitondran-tena ny sekoly kilasimandry iray, nahoana no tsy hararaotina izany?’, hoy ny mety ho fanontanianao. Rehefa mamaly io fanontaniana io ny ray aman-dreny kristiana, dia tokony hihevitra ao amin’ny vavaka ny anton-javatra iray tena lehibe — ny fahasalamana ara-panahin’ireo zanany. Nanontany toy izao i Jesosy Kristy: “Inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?” (Marka 8:36). Mazava ho azy fa tsy misy soa velively amin’izany. Alohan’ny hanapahan’izy ireo hevitra handefa ny zanany any amin’ny sekoly kilasimandry iray àry, dia tokony hieritreritra amim-pitandremana ny amin’izay mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fahatsinjovan’ny zanany fiainana mandrakizay, ny ray aman-dreny kristiana.

Ny fitaoman’ireo mpianatra hafa

Mety hanana fari-pahaizana ambony be ny sekoly kilasimandry sasany. Ahoana anefa ny amin’ny fari-pitondran-tenan’ireo izay mianatra ao na angamba aza ny an’ny sasany amin’ireo izay mitantana ny sekoly toy ireny? Raha ny amin’ny karazan’olona ho betsaka amin’izao “andro farany” izao, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina noho ny fieboeboana, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, hanana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny; ary ireo dia ialao.” — 2 Timoty 3:1-5, NW.

Maneran-tany izany fikororosiana ara-pitondran-tena sy ara-panahy izany, ka mahaforona fihaikana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Hitan’ireo mpianatra kilasimody fa mampihatra fitaomana mahery manimba eo amin’ny ara-panahiny na dia ny fiarahana voafetra amin’ireo mpiara-mianatra eo amin’izao tontolo izao fotsiny aza. Mety ho ady mafy ho an’ny ankizy Vavolombelona mihitsy ny fanoherana izany fitaomana izany, na dia eo aza ny fanohanana sy torohevitra ary fampaherezana isan’andro avy amin’ny ray aman-dreniny.

Inona àry no tarehin-javatra misy ny ankizy izay alefa lavitra ny tranony mba ho any amin’ny sekoly kilasimandry? Irery izy ireo, tsy mahazo ny fanohanana ara-panahy tsy tapaka avy amin’ny ray aman-dreny be fitiavana. Koa satria miara-miaina amin’ireo mpiara-mianatra aminy 24 ora isan’andro izy ireo, dia azo inoana fa mampihatra fitaomana mahery kokoa eo amin’ny sainy sy ny fony tanora ny fanerena hanara-drian-drano noho ny eo amin’ny mpianatra kilasimody. Hoy ny mpianatra iray: “Tandindomin-doza amin’ny ara-pitondran-tena ny mpianatra kilasimandry iray, manomboka amin’ny maraina ka hatramin’ny alina.”

Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka tsy ho voafitaka ianareo. Manimba ny fahazarana mahasoa ny fifaneraserana ratsy.” (1 Korintiana 15:33, NW ). Tsy tokony ho voafitaka ireo ray aman-dreny kristiana amin’ny fieritreretana fa tsy hahita fahavoazana ara-panahy ny zanany raha toa ka mifanerasera tsy an-kijanona amin’ireo izay tsy manompo an’Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hanjary tsy hihontsina amin’ireo fitsipika sarobidy ho an’ny Kristiana ireo ankizy tia an’Andriamanitra, ka hamoy ny fankasitrahana rehetra ireo zavatra ara-panahy. Indraindray izany dia tsy miharihary amin’ny ray aman-dreny raha tsy rehefa avy nandao ny sekoly kilasimandry ny zanany. Diso aoriana loatra amin’izay mba hanitsiana ny toe-javatra.

Ohatra ny amin’izany ny zavatra niainan’i Clément. Mitantara toy izao izy: “Talohan’ny nandehanako tany amin’ny sekoly kilasimandry, dia nanana fitiavana ny fahamarinana aho ary nandeha teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha niaraka tamin’ireo rahalahy. Nankafiziko indrindra ny nandray anjara tamin’ny fianaram-pianakavianay mifototra amin’ny Baiboly sy tamin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Kanefa, rehefa tany amin’ny sekoly kilasimandry aho fony 14 taona, dia niala tanteraka tamin’ny fahamarinana. Nandritra ny dimy taona ngarangidina nolaniko tany amin’ny sekoly kilasimandry, dia tsy nanatrika ireo fivoriana mihitsy aho. Ho vokatry ny fifaneraserana ratsy, dia nanjary voasingotra tamin’ny zava-mahadomelina sy ny fifohana sigara ary ny fimamoana aho.”

Ny fitaoman’ireo mpampianatra

Mety hisy mpampianatra simba ara-pitondran-tena izay manararaotra ny fahefany any amin’ny sekoly rehetra. Ny sasany masiaka sy henjana, ny hafa kosa mety hanararaotra ny mpianatra eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Azo inoana kokoa fa tsy hisy hanao tatitra ny zavatra ataon’ny mpampianatra toy izany any amin’ireo sekoly kilasimandry.

Kanefa, ny ankamaroan’ireo mpampianatra dia miezaka amim-pahatsorana hampiofana ireo ankizy ho tonga mpikambana mamokatra eo amin’ny fiaraha-monina, ho tonga anisan’ny tontolo manodidina azy, hifanaraka amin’izany. Amin’izay anefa no mipetraka ny olana hafa iray ho an’ny ankizy Vavolombelona. Tsy mifanitsy foana amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana ireo fitsipika sarobidy amin’izao tontolo izao. Raha mampirisika ireo mpianatra mba ho tonga anisan’itỳ tontolo itỳ ireo mpampianatra, i Jesosy kosa dia nilaza fa “tsy naman’izao tontolo izao” ireo mpanara-dia azy. — Jaona 17:16.

Ahoana raha mipoitra ny olana rehefa manaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny ankizy? Raha mandeha any amin’ny sekoly eo an-toerana ny ankizy ka mipetraka any aminy, dia afaka miara-midinika amin’ny ray aman-dreniny ny amin’izany olana izany izy. Afaka manome tari-dalana ny zanany kosa ny ray aman-dreny etsy an-kilany, ka mety hiresaka amin’ny mpampianatra. Ho vokatr’izany, dia mazàna voavaha haingana ireo olana sy tsy fahazoan-kevitra.

Raharaha hafa izany any amin’ny sekoly kilasimandry. Eo ambany fifehezan’ireo mpampianatra azy tsy tapaka ny mpianatra toy izany. Raha miandany amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana ny ankizy, dia tsy maintsy manao izany izy ireo, tsy misy fanohanana isan’andro avy amin’ny ray aman-dreniny. Indraindray dia mahavita mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny toe-javatra toy izany, ny ankizy. Matetika kokoa anefa dia tsy manao izany izy ireo. Azo inoana fa hilefitra amin’ny sitrapon’ny mpampianatra ny ankizy iray.

Fahafahana mivoaka voafetra

Tsy tahaka ny any amin’ny oniversite, izay mazàna ahafahan’ny mpianatra mivoaka sy miditra araka izay tiany, fa feran’ny sekoly kilasimandry ny fahafahan’ny ankizy mivoaka. Maro amin’ireny sekoly ireny no tsy mamela ireo mpianatra hiala ny faritry ny sekoly raha tsy ny alahady ihany, ary ny sasany aza tsy mamela izany akory. Hoy ny mpianatra 11 taona iray antsoina hoe Eru, izay any amin’ny sekoly kilasimandry: “Tsy manome lalana anay hivoaka hankany amin’ireo fivoriana mihitsy ireo fahefana ao an-tsekoly, mainka moa fa ny fanompoana eny amin’ny saha. Misy fotoam-pivavahana ao anatin’ny faritry ny sekoly, fa ho an’ny Katolika sy ny Miozolimanina ihany. Tsy maintsy mifantina ny iray amin’ireo ny mpianatra tsirairay na misetra fanoherana mafy avy amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra. Terena koa ny mpianatra hiredona ny hiram-pirenena sy ireo hiram-piangonana.”

Rehefa mandatsaka ny zanany any amin’ny sekoly toy izany ny ray aman-dreny, hevitra inona no ampitainy amin’ireo zatovony? Mety ho izao izany: ny fampianarana ivelan’ny fivavahana dia zava-dehibe kokoa noho ny fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fandraisana anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra — mbola zava-dehibe mihitsy noho ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra aza. — Matio 24:14; 28:19, 20; 2 Korintiana 6:14-18; Hebreo 10:24, 25.

Any amin’ny sekoly kilasimandry sasany dia mahavita miara-mianatra ny Baiboly ireo mpianatra Vavolombelona, nefa na dia ny fanaovana izany aza matetika dia sarotra. Hoy ny tanora iray 16 taona antsoina hoe Blessing momba ilay sekoly kilasimandry misy azy: “Isan’andro dia mivory mba hivavaka ireo lazaina fa Kristiana. Manandrana miangavy an-dry zareo izahay Vavolombelona mba ho afaka hanao ny fianaranay, nefa milaza aminay ireo ao amin’ny kilasy ambony fa tsy ekena ho ara-dalàna ny fandaminanay. Manandrana manery anay hiara-mivavaka aminy izy ireo avy eo. Faiziny izahay raha toa ka tsy mety. Vao mainka ratsy ny toe-javatra raha mandaza any amin’ny mpampianatra. Antsoin’izy ireo amin’izao karazan-teny fanaratsiana rehetra izao izahay ary asainy faizin’ireo mpianatra any amin’ny kilasy ambony.”

Fisehoana ho hafa

Rehefa fantatra mazava fa Vavolombelon’i Jehovah ireo mpianatra kilasimandry, dia afaka mitondra tombontsoa ho azy izany. Mety hamela azy ireo tsy handray anjara amin’ireo zavatra tsy maintsy hatao avy amin’ny fivavahan-diso, izay mifanohitra amin’ny finoan’ny Vavolombelona, ireo fahefana ao an-tsekoly. Mety tsy hanandrana hampiditra azy ireo amin’ny asa na resaka manimba ara-pitondran-tena ireo mpiara-mianatra. Mety hanokatra fahafahana hanao fanambarana amin’ny mpiara-mianatra sy ny mpampianatra izany. Ankoatra izany, dia azo inoana fa tsy ahiahina hanao zava-dratsy ireo izay miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana, ary indraindray dia mahazo ny fanajan’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra izy.

Kanefa, tsy toy izany foana ny zava-mitranga. Matetika mahatonga ny tanora iray ho lasibatry ny fanenjehana sy ny fanesoan’ireo mpianatra sy mpampianatra tsy an-kanavaka, ny fisehoana ho hafa. Hoy i Yinka, tovolahy 15 taona, izay any amin’ny sekoly kilasimandry iray: “Any an-tsekoly, dia tonga lasibatra ianao raha fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah. Koa satria fantany ny fijoroanay ara-panahy sy ara-pitondran-tena, dia mamela-pandrika mba hahavoa anay izy ireo.”

Andraikitry ny ray aman-dreny

Tsy misy mpampianatra, sekoly, na lise, afaka miantsoroka amin’ny fomba mety tsara, ny asa famolavolana ny ankizy ho tonga mpanompon’i Jehovah nanolo-tena. Tsy asany no sady tsy andraikiny izany. Mandidy ny Tenin’Andriamanitra fa ny tenan’ny ray aman-dreny no tokony hiahy ny zavatra ilain’ny zanany ara-panahy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampihatra io torohevitra avy amin’Andriamanitra io raha toa ny zanany ka lavitra, any amin’ny sekoly kilasimandry, izay mety hamerana ny fitsidihan’ny ray aman-dreny ho indray mandeha na indroa isam-bolana?

Miovaova be ny toe-javatra, nefa ny ray aman-dreny kristiana dia miezaka mafy hanao zavatra mifanaraka amin’itỳ fanambarana ara-tsindrimandry itỳ: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:8.

Misy safidy hafa ve?

Inona no mety ho azon’ny ray aman-dreny atao raha toa tsy manana afa-tsy safidy roa izy — sekoly kilasimandry na sekoly eo an-toerana tsy ampy fitaovana? Ny sasany izay tao anatin’izany tarehin-javatra izany dia nampanao cours ny zanany mba hanatevenana ny fianarany ao amin’ny sekoly eo an-toerana. Manokana fotoana ny ray aman-dreny hafa mba hampianarany manokana ny zanany.

Indraindray dia misoroka zava-manahirana ny ray aman-dreny amin’ny fieritreretana mialoha be ny fotoana haha-lehibe ny zanany ka hidirany any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Raha manan-janaka kely na mikasa hitaiza zanaka ianao, dia mety hizaha ianao mba hahitana raha misy sekoly ambaratonga faharoa sahaza ao amin’ny faritra misy anareo. Raha tsy misy, dia mety ho azo atao ny mifindra any akaikin’izay misy izany.

Araka ny fantatry ny ray aman-dreny tsara, dia mitaky fahaizana sy faharetana ary fotoana be dia be ny mampiditra tsikelikely ao amin’ny ankizy iray ny fitiavana an’i Jehovah. Raha sarotra izany ho an’ny ankizy iray miaina ao an-trano, vao mainka mazana toy inona moa izany raha miaina any lavitra ilay ankizy! Koa satria ny fiainana mandrakizain’ny ankizy no tafiditra, dia tsy maintsy manapa-kevitra amim-pitandremana sy ao amin’ny vavaka ny ray aman-dreny raha mahaleo ny sarany ny vidin’ny fandefasana ireo zatovony any amin’ny sekoly kilasimandry. Tsy fahaiza-mitsinjo lavitra toy inona moa ny mahafoy ny tombontsoa ara-panahin’ny ankizy iray noho ny soa entin’ny fampianarana any amin’ny sekoly kilasimandry! Izany dia ho toy ny miriotra mankao amin’ny trano may iray mba hamonjena zavatra tsinontsinona — mba ho kilan’ny afo fotsiny.

Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3). Tsara kokoa ny misoroka tarehin-javatra ratsy iray noho ny manarina izany atỳ aoriana. Ho fahendrena ny mieritreritra izany raha manontany tena ianao hoe: ‘Tokony hiditra any amin’ny sekoly kilasimandry ve ny zanako?’

[Efajoro, pejy 28]

Milaza ny Heviny Momba ny Sekoly Kilasimandry Ireo Vavolombelona Tanora

“Tsy mahazo fifaneraserana ara-panahy ny ankizy, any amin’ny sekoly kilasimandry. Toe-piainana tena tsy mahatamana izany, misy fanerena be hanao izay ratsy.” — Rotimi, izay tany amin’ny sekoly kilasimandry teo amin’ny faha-11 ka hatramin’ny faha-14 taonany.

“Sarotra indrindra ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana. Ny alahady ihany aho vao afaka nanatrika, ary mba hanaovana izany, dia tsy maintsy niala tsy niteniteny aho raha teo am-pilaharana ho any am-piangonana ny mpianatra. Tsy sambatra mihitsy aho, satria fony aho tany an-trano dia zatra nanatrika ny fivorian’ny kongregasiona rehetra, ary nivoaka teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha ny asabotsy sy ny alahady. Tsy fanandraman-javatra nampahery ny sekoly. Be dia be ny zavatra nafoiko.” — Esther, izay voakapok’ireo mpampianatra tsy tapaka satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana natao tao an-tsekoly.

“Tsy mora ny manao fanambarana amin’ireo mpiara-mianatra any amin’ny sekoly kilasimandry. Tsy mora ny miseho ho hafa. Naniry hanaraka ny hafa aho. Angamba nety ho sahisahy kokoa aho raha afaka nandeha tany amin’ireo fivoriana sy nanao fanompoana teny amin’ny saha. Tsy afaka nanao izany anefa aho afa-tsy tamin’ny vakansy, izay intelo isan-taona monja. Raha manana fanaovan-jiro izay tsy nofenoina solika indray ianao, dia hihena ny hazavana. Mitovy amin’izany tany an-tsekoly.” — Lara, izay tany amin’ny sekoly kilasimandry nanomboka tamin’ny faha-11 ka hatramin’ny faha-16 taonany.

“Faly aho ankehitriny fa tsy any amin’ny kilasimandry intsony, ka afaka manatrika ireo fivoriana rehetra, mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, sy mankafy ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro miaraka amin’ny sisa amin’ny fianakaviana. Na dia misy tombontsoa sasany aza ny fijanonana ao amin’ilay sekoly, dia tsy misy zava-dehibe kokoa noho ny fifandraisako amin’i Jehovah.” — Naomi, izay nandresy lahatra ny rainy mba hanala azy tany amin’ny sekoly kilasimandry.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara