Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fampitrangana fahafahana hanao fanambarana tampotampoka
1 Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy mba hampamirapiratra ny fahazavany (Matio 5:14-16). Niriny ny hampitan’izy ireo amin’ny namany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny toe-javatra mety rehetra. Ohatra ny amin’io lafiny io izy. Nanararaotra ny fahafahana hiresaka ny fahamarinana tamin’ny vehivavy Samaritana iray teo amin’ny fantsakana tany Sikara izy, ohatra, (Jaona 4:5-30). Ary isika? Mampitranga fahafahana hanao fanambarana ve isika?
2 Tsy afaka mandray anjara isan’andro amin’ny fanompoana isika rehetra. Mety hisy anefa fahafahana saiky isan’andro hanao fanambarana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fomba tampotampoka. Tamin’izany fomba izany no nahafantaran’ny olona an’arivony maro ny fahamarinana. Raha mijery tsara ny fahafahana miseho isika ary raha manao fiezahana hanararaotra izany dia olona maro no mety ho voakasika.
AMIN’IZA NO AZONTSIKA ITORIANA?
3 Ankoatra ny asa isan-trano voalamina, ireo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly, dia afaka manao fanambarana amin’ny fomba tampotampoka isika amin’ireo mpiara-miasa na olona ifandraisana amin’ny asa, ireo mpiara-mianatra, ireo mpikambana amin’ny fianakaviantsika ary olona hafa fantatsika. Afaka manombo-dresaka amin’ny mpandeha hafa isika indraindray rehefa ao anatin’ny fiarambahoaka, fiarandalamby na fiaramanidina. Rehefa miala sasatra isika dia afaka hampita ny vaovao tsara amin’ny mpiasa ao amin’ny hôtely fatoriana, ao amin’ny toerana fakan-dasantsy, ao amin’ny hôtely fisakafoana ary amin’ny mpitondra fiara karetsaka (taxi). Tena afaka miresaka amin’ny hafa isika rehefa miandry ao amin’ny mpitsabo na ao amin’ny fanasan-damba miasa ho azy. Ao antranontsika dia angamba isika afaka manao fanambarana amin’ireo mpifanolobodirindrina amintsika, na ireo masoivohon’ny tranom-barotra iray na ireo mpanatitra entana any amintsika. Na dia marary any amin’ny hôpitaly aza isika dia manana fahafahana hiresaka amin’ny mpitsabo, ny mpanampy ny mpitsabo na ireo marary hafa.
AHOANA NO HANOMBOHANA RESAKA
4 Rehefa mifanao fotoana amin’olona isika ka mahafantatra fa tokony hiandry, dia afaka mandray ireo gazety farany ary miomana hiresaka ny amin’ny lahatsoratra iray izay mety hahaliana ny olona izay ho hitantsika. Na koa, afaka mampiasa taratasy mivalona iray na bokikely iray isika hanombohana ny resaka amin’ny fanaovana fanamarihana manaitra momba ny zava-nitranga vao haingana, avy eo dia manontany ny hevitr’ilay olona. Ny hafa mifidy ny hilaza fanontaniana mampieritreritra momba ny zava-nitranga vao haingana, ka izany dia mety hiafara amin’ny fanambarana tsara. Na manao ahoana na manao ahoana, dia amin’ny fanehoana fahaiza-mitari-javatra no hahazoana vokatra.
AOKA ISIKA HANAO FANAMBARANA ANY AM-PIASANA
5 Afaka mampitranga fahafahana hanao fanambarana amin’ireo mpiara-miasa aminy ireo izay manana asa ara-nofo. Nanao lisitry ny mpiara-miasa aminy izay mety ho liana amin’ny fahamarinana ny vehivavy kristiana roa monina any Etazonia. Tamin’ny firesahana tamin’ireo olona ireo sy ny vitsivitsy hafa dia nizara 65 mahery tamin’ny boky Révélation dénouement izy ireo ary nahita fahalianana betsaka.
6 Tamin’ny toe-javatra hafa, ny Vavolombelona iray dia nanapa-kevitra ny hanao fanambarana any amin’ny toeram-piasany amin’izay olona voalohany hipetraka eo anilany mandritra ny fotoana 15 minitra. Efa nahafantatra ny fahamarinana ilay lehilahy niresahany, nefa nanambara izy fa tsy maniry hanohy ny dinidinika. Nametraka zavatra vita an-tsoratra teo amin’ny toerana mety hahafahan’ilay lehilahy mandray izany mora foana anefa ilay Vavolombelona. Tsy ampy enim-bolana taty aoriana dia natao batisa izy sy ny mpianakaviny.
7 Nampitranga fahafahana hanao fanambarana amin’ny fomba tampotampoka i Jesosy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12). Raha malina isika ary vonona hizara ny fanantenantsika miorina amin’ny Baiboly isika koa dia tsy hamela fahafahana hanao fanambarana handalo fotsiny. Amin’izay, toy ireo mpianatr’i Jesosy, dia “hiseho tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” isika.—Fil. 2:15, 16.