FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/90 p. 1
  • Ampianarin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampianarin’i Jehovah
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
    Mifohaza!—1996
  • Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ny Hasarobidin’ny Fiomanana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 12/90 p. 1

Ampianarin’i Jehovah

1 Nanambara toy izao i Isaia mpaminany: “Jehovah Tompo manome ahy ny lelan’ny efa nampianarina mba hahaizako manao teny hamaliana ny reraka.” (Isaia 50:4, MN) Ny fomba iray anaovan’i Jehovah izany dia amin’ny alalan’ny fampiofanana omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Takina foana anefa ny fiezahan’ny tsirairay. Ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique, eo amin’ny pejy faha-39 dia manao izao fanamarihana izao: Na dia efa imbetsaka aza no nanaovanao ny karazan’anjara iray dia sarobidy foana ny fiomanana.” Mihatra amintsika rehetra izany, na nanaraka sekoly vao volana vitsivitsy monja isika na hatramin’ny nanombohan’ny sekoly tamin’ny 1943.

2 Tokony hiomana amim-pitandremana ny mpianatra rehetra. Tafiditra amin’izany ny fanajana ny fotoana. Ny toro-marika ao amin’ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanampoana Teokratika dia manambara toy izao: “Tsy misy lahateny mahazo mihoatra ny fotoanany.” Rehefa mihoatra ny fotoana matetika ny rahalahy manao ny anjaran’ny n° 1 dia tokony homena torohevitra mitokana. Tokony hanomboka ny fivoriana amin’ny ora marina koa ilay mpiandraikitra ny sekoly ary hitandrina ireo toromarika momba ny fotoana voafetra ho an’ny toroheviny sy ny fanamarihany. Mba mariho kely, aza fady, fa ny boky Toute écriture, fanontana nohavaozina tamin’ny 1990 no hampiasaina.

3 Afaka mandray soa betsaka avy amin’ny tapany ao amin’ny Baiboly hasongadina ny rehetra. Ampahatsiahivina isika fa izany dia tsy tokony ho famintinana ireo hevitra fotsiny. Tokony hanampy ny mpanatrika ny mpandahateny hahafantatra hoe nahoana ary amin’ny ahoana ny fanazavana no sarobidy ho antsika.

4 Faritra maro no azo ampiasaina amin’ny famelabelarana N° 3 miaraka amin’ny fahombiazana miovaova. Kanefa amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny iray amin’ireo zava-kendren’ny sekoly lehibe indrindra: ny hanampy antsika hampiseho ny fahamarinana amin’ny fomba hentitra sy mazava, dia tsara kokoa raha mahakasika ny saha fitoriana na ny fitoriana tampotampoka ireo faritra.

5 Rehefa nalaina avy ao amin’ny boky Votre jeunesse—Comment en tirer le meilleur parti ny famelabelarana N° 4 dia tokony hampanaovina mpianatra vaovao na tanora kokoa. Mazava ho azy fa ilay mpianatra tendrena dia tokony hahay hamaky teny. Ampifandimbiasina isaky ny roa herinandro amin’ny fampisehoana avy ao amin’ny Foto-dresaka araka ny Baiboly ireny famelabelarana ireny. Amin’ny famelabelarana N° 3 sy N° 4, ny mpianatra dia tokony hampiasa ny foto-kevitra voatondro.

6 Ilaina ny mitandrina rehefa mitondra fanazavana fanampiny. Mety hahafaoka fehintsoratra iray na roa monja ny zavatra anendrena sasany. Kanefa dia azo aseho amin’ny fomba mahomby mandritra ny fotoana voatokana ho amin’izany ihany ny zavatra dinihina amin’ny famakiana sy ny fanazavana ireo andininy, amin’ny fampiasana fanoharana sy ny sisa. Amin’ny ankapobeny, dia tsy mila ny mampiseho fanazavana mihoatra izay natolotra isika. Tokony ho afaka hanaraka anao ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra iorenan’ny famelabelarana ny mpanatrika.

7 Manome loharanom-pahendrena sy fahalalana tsy mety ritra ilay Andriamanitra izay tompointsika. (Rom.11:33) Na dia aorian’ny an’arivony taona maro aza dia mbola hanan-javatra maro hianarana foana isika. Ny fahafahantsika midera ny Raintsika any an-danitra sy mahita vahaolana amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ary koa ny fahafahampo sy ny fifaliantsika dia hitombo avokoa arakaraka ny fiezahana ataontsika mba hahazoana ny fahendren’Andriamanitra. Manàna àry fahatapahan-kevitra ny handray soa feno avy amin’ny fandaharana ataon’ny Mpampianatra antsika lehibe ho antsika amin’ny fanatrehana tsy tapaka ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Enga anie ny fahazotoanao amin’ny fanomanana sy ny fandraisana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika mandritra ny taona 1991 hanampy anao hahatanteraka izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara