Ny fomba ampifandraisana ny fampidiran-dresatsika amin’ireo zavatra vita an-tsoratra
1 Rehefa manomana ny fomba fampiseho hampiasainao amin’ity volana ity ianao, dia ho azonao atao aloha ny handinika ireo zava-manahirana lehibe indrindra atrehin’ireo olona eo amin’ny manodidina anao. Avy eo ianao dia hifidy izay teny avy amin’ireo gazety farany na avy amin’ny bokikely iray izay mampiseho ny vahaolana azo ampiharina sy araka ny Soratra Masina ho amin’izany.
2 Any amin’ny faritra sasany, ny olona dia mety ho feno fanahiana noho ny fitomboan’ny tsy fananana asa sy ny halafosan’ny vidim-piainana. Raha tojo tarehin-javatra toy izany ianao, dia ho azonao atao ny hanonona ilay zava-manahirana amin’ny fomba voafaritra tsara ao amin’ny fampidiran-dresakao.
Ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Niresaka tamin’ireo manodidina anay izahay momba ny hoe inona no azo atao mba hahazoana antoka fa hisy asa sy fonenana ho an’ny rehetra. Heverinao ve fa ara-dalàna ny hanantenana ireo fitondram-panjakan’olombelona hanatanteraka izany? [Avelao hamaly ilay tompon-trano.] Misy persona iray izay mahafantatra ny fomba handaminana ireo zava-manahirana ireo; mariho ange ny fampanantenana feno toky omeny ao amin’ny Isaia 65:21-23 e. [Vakio.] Nasain’ilay Mpamorona antsika nosoratana izany fampanantenana izany mba hahazoantsika fampaherezana, ary mila izany tokoa isika rehetra amin’izao fotoan-tsarotra izao, sa tsy izany?” — rsMG, p. 10.
3 Eto dia ho azonao atao ny hampifandray ny fampisehoanao amin’ny fanazavana avy amin’ireo gazety farany na avy amin’ny bokikely iray. Raha mandray anjara amin’ny fizarana gazety ianao, dia mety hifidy hevitra mifanentana iray ao amin’ny gazety farany. Raha manolotra ny bokikely “Indro” ianao, nahoana raha aseho ny sary eo amin’ny pejy voalohany sy farany amin’ilay bokikely izay mampiseho ilay hevitra fa hisy fonenana sy asa ho an’ny rehetra. Azonao velarina izy io mba hahitan’ilay tompon-trano ilay sary manontolo indray mijery.
4 Any amin’ireo faritany izay ahitana zavatra maro isan-karazany mampanahy ireo tompon-trano, dia hanampy ny fampiasana fampidiran-dresaka azo ovaovana kokoa. Mety ho tianao ny hanandrana ny fampidiran-dresaka faharoa eo ambanin’ny hoe “Fanjakana” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “I Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ary mba hatao ny Sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Heverinao ve fa, raha hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra indray andro any, dia tena ho tonga paradisa tokoa ny tany?” Rehefa avy mamaly ilay tompon-trano, dia ampidiro ary vakio ny Apokalypsy 21:3-5.
Avy eo, raha manolotra ilay bokikely hoe Fitondram-panjakana ianao, dia mamakia tapany voafantina sasantsasany avy amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-3. Mariho ilay teny manao hoe: “Amin’ny alalan’ilay Fanjakana, Andriamanitra dia hamarana tsy ho ela ny ady, ny hanoanana, ny aretina, ary ny heloka bevava”. Anontanio ilay tompon-trano hoe iza amin’ireo zava-manahirana ireo no heveriny ho ny tena lehibe indrindra.
5 Ireo tanora koa dia afaka mampiseho amin’ny fomba mandaitra ny hafatra momba ilay Fanjakana, na dia amin’ny olon-dehibe aza.
Rehefa mampiditra ny Isaia 65:21-23 ireo mpitory tanora, dia ho azony atao ny hilaza hoe:
◼ “Fantatro fa, amin’ny maha-olon-dehibe anao, dia manana fanandraman-javatra kokoa eo amin’ny fiainana noho izaho ianao, kanefa isika rehetra dia hahazo fampiononana avy amin’ity andinin-teny ity.”
6 Aza hadinoina ny mandray an-tsoratra amim-pitandremana izay zavatra rehetra napetrakao, anisan’izany ireo bokikely na gazety voafaritra tsara. Hilainao izany rehefa hiverina hitsidika ilay olona mba hanolokoloana ny fahalianany ianao.