Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Amin’ny fotoana inona no tokony hanaovana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona?
Mazàna no mahasoa sy mety kokoa ny hisian’ny antokom-pianarana ny boky maromaro mivory any amin’ny toerana miparitaka manerana ilay faritanin’ny kongregasiona, toy izay ny hivorian’ny rehetra ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Ireny fianarana ireny dia tokony hatao amin’ny fotoana mety indrindra amin’ny ankamaroan’ireo voatendry hanatrika izany. Mazàna izany no amin’ny takariva iray ao anatin’ny herinandro, amin’izay fotoana tsy isian’ny fivoriana hafa na asa fanompoana alamina. Mety hahasoa anefa ny handaminana ny hisian’ny fianarana ny boky amin’ny antoandro mba hety amin’ireo zokiolona izay misalasala ny hivoaka amin’ny hariva sy amin’ireo miasa alina. Amin’ny toe-javatra vitsivitsy sasany, dia mety hahasoa ny hisian’ny fianarana amin’ny antoandro amin’ny faran’ny herinandro.
Ireo loholona dia afaka manao famotopotorana mifanentana mba hamantarana ireo fotoam-pivoriana ‘hety amin’ny ankamaroan’ny mpitory’ sy ireo olona liana. (omMG p. 61). Ilay fotoana nofidina dia tokony ho amin’ny andro sy ora izay tsy hanelingelina loatra na hametra ireo fandaharana momba ny asa fitoriana efa voalamina.