FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/07 p. 8
  • Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Isika no Mila ny Fianarana Boky?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mikarakara ny Tsirairay ny Mpiandraikitra Fianarana Boky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 8/07 p. 8

Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky

1. Manampy antsika hanao inona ireo fivoriana dimy?

1 Manana fivoriana dimy isan-kerinandro isika. Samy hafa ny fomba itarihana azy ireo sy ny zava-kendreny. Zava-dehibe avokoa anefa izy ireo, satria manampy antsika “hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Heb. 10:24, 25) Inona avy ny lafiny mampiavaka ny Fianarana Boky? Nahoana no mahasoa izy io?

2. Inona avy no soa raisintsika noho ny mpanatrika vitsy kokoa?

2 Manampy antsika handroso ara-panahy: Amin’ny ankapobeny dia vitsy lavitra noho ny mpanatrika fivoriana hafa, ny mpanatrika fianarana boky. Lasa mpinamana kokoa àry ireo mpiara-mianatra boky, ka afaka mifampahery. (Ohab. 18:24) Efa mba niezaka nifankahalala tamin’ireo iray fianarana boky aminao ve ianao? Nahoana raha asaina hiara-manompo aminao izy ireo? Lasa mahalala tsara ny toe-javatra misy ny tsirairay koa ny mpiandraikitra fianarana boky, ka afaka mampahery azy ireo.—Ohab. 27:23.

3. Nahoana no mora kokoa amin’ny mpianatra Baiboly ny manatrika fianarana boky sy manome valin-teny?

3 Efa mba nasainao hanatrika fianarana boky ve ny olona ampianarinao Baiboly? Mety hatahotahotra izy ireny hanatrika fivoriana hafa. Mety tsy ho menatra loatra anefa izy amin’ny fianarana boky, satria vitsy ny mpanatrika, indrindra koa raha any an-tranon’olona ilay izy. Mora kokoa amin’ny ankizy sy ny vaovao ihany koa ny manome valin-teny. Afaka mamaly imbetsaka isika ho fiderana an’i Jehovah, satria vitsy kokoa ny mpanatrika.—Sal. 111:1.

4. Nahoana no mety tsara ny toerana fianarana boky?

4 Atao any amin’izay toerana mety amin’ny mpitory ny fianarana boky, manerana ny faritanin’ny fiangonana. Tsy voatery ho eny akaikintsika foana no anendrena antsika, nefa akaiky kokoa noho ny manatrika fivoriana hafa izany. Mety tsara hanaovana fivoriana alohan’ny fanompoana koa ny toerana fianarana boky.

5. Amin’ny fomba ahoana avy no anampian’ny mpiandraikitra fianarana boky antsika?

5 Manampy eo amin’ny fanompoana: Ampian’ny mpiandraikitra fianarana boky ny mpitory tsirairay, mba hanompo tsy tapaka ka hahita vokatra sy fifaliana. Miezaka àry izy miara-miasa amin’ny tsirairay ao amin’ny fianarana bokiny, ka manampy azy ireo amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana. Miresaha amin’ny mpiandraikitra ny fianarana bokinao, raha sarotra aminao ny lafim-panompoana sasany, toy ny fiverenana mitsidika, ohatra. Mety hasainy hiaraka aminao ny mpitory za-draharaha miara-mianatra boky aminao. Hihatsara koa ny fahaizanao mampianatra Baiboly, raha dinihinao tsara ny fomba fampianatr’ilay mpiandraikitra rehefa mitarika izy.—1 Kor. 4:17.

6. Nahoana no tena mahasoa antsika ny fianarana boky?

6 Fandaharana feno fitiavana avy amin’i Jehovah tokoa ny Fianarana Boky! Manampy antsika hijoro tsara izy io, amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Sal. 26:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara