Mikarakara ny Tsirairay ny Mpiandraikitra Fianarana Boky
1 Ny Fianarana Boky dia natao mba ‘hanarahana akaiky kokoa ny fandrosoana ara-panahin’ny mpanatrika tsirairay.’ (om-MG p. 75; Isaia 40:11) Ny mpiandraikitra fianarana boky no tena tompon’andraikitra amin’izany fikarakarana izany.
2 Mandritra ny fianarana boky: Natao vitsy mihitsy ny mpanatrika ny fianarana boky, ka afaka mifankahalala tsara amin’ny tsirairay amin’izy ireo ny mpiandraikitra an’ilay fianarana boky. (Ohab. 27:23) Afaka miresaka amin’izy ireo izy, amin’ny ankapobeny, aloha sy aorian’ny fivoriana. Hahavita hifampiresaka amin’ny mpanatrika rehetra ao amin’ny fianarana boky angamba ilay mpiandraikitra, mandra-pahatapitry ny volana. Amin’izay dia tsy hatahotahotra ny mpanatrika hanatona azy, rehefa manana olana na mila fampaherezana.—Isaia 32:2.
3 Miezaka hampirisika ny mpanatrika rehetra hanome valin-teny ilay mpiandraikitra. Tsy masiaka izy, ohatra, rehefa mitarika ny fianarana. (1 Tes. 2:7, 8) Mitady hevitra izy hampandraisana anjara ny mpanatrika rehetra, hatramin’ny ankizy, mandritra ilay fiaraha-midinika. Azony iresahana manokana ireo saro-kenatra, ka ampiomaniny mba hamaky andininy na hamaly eo amin’ny fehintsoratra iray efa hifanarahana. Na mety hatorony azy ireo ny fomba hamaliana amin’ny fomba fiteniny.
4 Asain’ilay mpiandraikitra fianarana boky hitarika indray mandeha isaky ny roa volana ny mpanampy azy, raha efa mpanampy amin’ny fanompoana. Ho hitan’ilay mpiandraikitra amin’izay ny fomba fitarihany ary afaka hanoro hevitra azy tsara izy. Fandaharana tsara izany, hanampiana ny rahalahy hahay hampianatra kokoa!—Tit. 1:9.
5 Eny amin’ny fanompoana: Anisan’ny andraikiny lehibe indrindra ny mitari-dalana amin’ny fitoriana ny filazantsara. (Nom. 27:16, 17) Manao fandaharana mety amin’ny mpitory rehetra izy mba hanaovana fitoriana miaraka, ary miezaka izy hanampy ny mpitory rehetra ao amin’ny fianarana boky mba hahita fifaliana amin’ny fanompoana. (Efes. 4:11, 12) Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy ataony izay hanompoana miaraka amin’ny mpitory tsirairay ao amin’ilay fianarana boky. Manao fandaharana miaraka amin’ny mpiandraikitra ny fanompoana koa izy, mba hahafahan’ny mpitory za-draharaha kokoa hanampy ireo mila fanampiana hanatsarana ny fanompoany.
6 Mpiandry be fitiavana: Mikarakara an’ireo tsy mahavita firy amin’ny fitoriana koa ny mpiandraikitra fianarana boky. Ampahafantariny an’ireo tena tsy afa-manoatra, toy ireo be taona na manana aretina mitaiza na marary mafy, fa afaka mamerina tatitra izy ireo na dia 15 minitra monja aza no vitany nandritra ny volana. (Ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana no mandinika hoe iza no tokony hampiharana an’io fandaharana io.) Karakarainy koa ireo tsy mitory intsony ao amin’ilay fianarana boky, ary miezaka izy hanampy azy ireny hiara-miasa amin’ny fiangonana indray.—Lioka 15:4-7.
7 Velom-pankasitrahana tokoa isika fa mikarakara antsika amim-pitiavana ny mpiandraikitra fianarana boky. Ny fikarakaran’izy ireo antsika tsirairay dia manampy antsika ‘rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana, ka hahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’—Efes. 4:13.