Fivoriana Alohan’ny Fanompoana
1. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny manompo amin’ny fomba milamina?
1 Modely ho antsika ny fomba niandraiketan’i Jesosy ny asa fitoriana ilay Fanjakana, satria nilamina sady tsy nisy fotoana verivery fotsiny. Maniry mafy hanao toy izany koa ireo miandraikitra ny asa fitoriana maneran-tany ankehitriny. Izany no mahatonga ny fiangonana eran-tany hanao fivoriana alohan’ny fanompoana. Fomba iray handaminana an’ireo mpitory hanompo eny amin’ny saha io fivoriana io.—Mat. 24:45-47; 25:21; Lioka 10:1-7.
2. Nahoana no mahasoa ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
2 Fivoriana andraisan-tsoa: Natao hampaherezana sy hanomezana toromarika an’ireo hanompo eny amin’ny saha, ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Azo resahina vetivety ny teny hodinihina isan’andro, raha azo ampiharina eny am-pitoriana. Azo ampahatsiahivina koa indraindray ny hevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana na ny boky Fanjohian-kevitra na ny boky Sekolin’ny Fanompoana, mba ho vonona ho amin’ny fanompoana amin’io andro io ny rehetra. Azo atao fampisehoana fohy koa ny fomba ametrahana boky na gazety. Alohan’ny vavaka famaranana, dia tokony ho efa fantatry ny rehetra hoe iza no namany ary aiza ny faritany. Tokony ho vita ao anatin’ny fahefatr’adiny ilay fivoriana, ary tokony ho efa eny an-dalana hamonjy ny faritaniny ny rehetra, aoriana kelin’izay.
3. Iza avy no tompon’andraikitra amin’ny fandaminana ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
3 Fandaminana ny fivoriana alohan’ny fanompoana: Ny mpiandraikitra ny fanompoana no mandamina ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Andraikitr’ireo mpiandraikitra ny mpitory na ny mpanampy azy ny miaraka amin’ny andia-mpitoriny ny asabotsy sy alahady. Mety hisy mpiandraikitra na mpanampy amin’ny fanompoana ho afaka hiaraka amin’ny andia-mpitoriny, amin’ny andavanandro. Hiara-miasa akaiky ny mpiandraikitra ny fanompoana sy ireo mpiandraikitra ny mpitory, mba ho ampy ho an’ny andia-mpitoriny ny faritany hitoriany isan-trano ny asabotsy sy alahady. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no hanendry an’izay hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana, amin’ny andavanandro.
4-6. a) Inona no kendrena amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, raha ny faritany no resahina? b) Inona no azo dinihina mba hamantarana ny toerana sy ny fotoana mety ho an’ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
4 Ny toerana sy ny fotoana anaovana azy: Tsara kokoa raha tsy miara-manao fivoriana alohan’ny fanompoana ao amin’ny toerana iray ny fiangonana manontolo. Ny manisy fivoriana alohan’ny fanompoana manerana ny faritanin’ny fiangonana, matetika, no tsara indrindra. Ho voasa tsara ny faritanin’ny fiangonana amin’izay. Tokony ho toerana mety amin’izany no hanaovana azy ireny, ary matetika izany no any an-tranon’olona. Azo atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana koa io fivoriana io. Fiangonana maro no manao azy io ao amin’ny Efitrano Fanjakana, aoriana kelin’ny lahateny sy ny Fianarana Tilikambo ny alahady. Tokony hatao akaiky araka izay azo atao ny faritany hitoriana. Tokony hodinihina tsindraindray àry raha mbola hahafahana hamita tsara ny faritanin’ny fiangonana ireo toerana anaovana azy ireny.
5 Miankina amin’ny toetoetry ny faritany no ahitana hoe amin’ny firy ny fotoana mety indrindra hanaovana an’ireny fivoriana ireny, ary firy no hatao mandritra ny herinandro. Mety hanampy azy ireo hamantatra ny toerana sy ny fotoana mety ireo fanontaniana eto ambany.
6 Aiza no faritany mila iasana bebe kokoa? Inona no fotoana tsara indrindra itoriana isan-trano? Tsara koa raha hatao eo amin’ny tabilao misy ny filazana, ny fandaharana rehetra momba ny fanompoana. Fanirian’ny mpitory rehetra ny hamita tsara ny faritany nanendrena azy, ka ho afaka hiteny toy ny apostoly Paoly koa izy ireo hoe: ‘Tsy manana faritany tsy voatory intsony aho.’—Rom. 15:23.
7. Inona no andraikitr’izay voatendry hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
7 Fitarihana fivoriana alohan’ny fanompoana: Tena manaja an’io fandaharan’ny fiangonana io ilay notendrena hitarika azy io, raha manomana tsara. Tokony hatomboka ara-potoana izy io, ary tokony hahitana fianarana sy fohy, izany hoe 10 ka hatramin’ny 15 minitra. Tokony ho efa fantatr’ilay mpitarika hoe aiza ny faritany, alohan’ny hanombohan’ilay fivoriana. Marina fa tsy ilaina ny miandry ny tara, nefa mety hahasoa ny mamela hafatra hoe aiza ny faritany iasana. Tokony ho efa eny an-dalana hamonjy faritany ny rehetra, fotoana fohy aorian’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Hahazo ny toromarika ilainy amin’ny fanompoana amin’iny andro iny ny mpanatrika rehetra, raha milamina tsara sy ahitana fianarana ireny fivoriana ireny.—Ohab. 11:14.
8. Ahoana no ampisehoan’ny mpanatrika fa miara-miasa amin’ilay mitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana izy?
8 Ireo mpanatrika: Tena ilaina ny fiaraha-miasa. (Heb. 13:17) Raha mbola azo atao, dia hanampy an’izay mila namana ilay mitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tsara ny hanatrehan’ny mpitory za-draharaha, mba hanampy an’ireo mpitory vaovao na mbola tsy ampy traikefa. Mety ho be ny soa ho vitantsika raha manaiky hampiarahina amin’ny olon-kafa isika indraindray. (Ohab. 27:17; Rom. 15:1, 2) Tokony hiezaka ny ho marim-potoana ny rehetra. Hanao izay fanovana ilaina isika amin’izany lafiny izany, raha manaja an’io fivoriana io sy miahy an’ireo mpiara-manompo amintsika.—2 Kor. 6:3, 4; Fil. 2:4.
9. Ahoana no ahafahan’ny mpisava lalana mitondra ny anjara birikiny, amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
9 Mpisava lalana: Tena ilaina sy mampahery an’ireo mpanatrika rehetra, raha manatrika sy mandray anjara amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana ireo mpisava lalana. Be andraikitra izy ireo, satria mety ho anisan’ny zavatra ataony isan’andro ny asa fivelomana sy ny fiantsorohana ireo andraikiny ara-pianakaviana, nefa mbola mitarika fampianarana Baiboly sy manao fiverenana mitsidika koa izy ireo. Tsy takina amin’ny mpisava lalana àry ny hanatrehany ny fivoriana alohan’ny fanompoana rehetra alamin’ny fiangonana, indrindra raha misy isan’andro. Mety ho vitany ihany anefa, fara fahakeliny, ny hanatrika ny sasany amin’ireny, isan-kerinandro. Azo lazaina hoe fampiofanana antsika ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ka tena mahasoa ny hafa ny mpisava lalana satria mahay Baiboly sy ampy traikefa. Manompo tsy tapaka mantsy izy ireo, ka lasa za-draharaha eo amin’ny fanompoana. Azo anampiana ny hafa izany. Modely ho an’ny hafa izy ireo satria mazoto manompo sy mandray anjara amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tena ankasitrahana ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ireny fivoriana ireny.
10. Nahoana ny mpitory rehetra no tokony hanatrika sy handray anjara amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ka hanao izany amin’ny fo manontolo?
10 Amin’ny alalan’ny fitoriana isan-trano no tena itoriantsika ilay Fanjakana, toy ny nataon’i Jesosy sy ny mpianany. Natao hifampaherezana sy hahatonga antsika ho mpitory mahita vokatra ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tokony hiezaka araka izay azo atao ny mpitory rehetra mba hanatrika sy handray anjara amin’io fandaharan’ny fiangonana io. (Asa. 5:42; 20:20) Enga anie isika rehetra hanao izany amin’ny fontsika manontolo. Raha manao izany isika, sady mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tena hitahy antsika i Jehovah ary ho faly koa i Jesosy Kristy Mpitarika antsika.—Mat. 25:34-40; 28:19, 20.