Manaova Fiverenana Mitsidika any Amin’izay Rehetra Nametrahana Bokikely
1 Nidera ireo Filipiana ny apostoly Paoly satria ‘nampitsimohin’izy ireo indray ny fiheverana azy’. (Fil. 4:10). Raha mampiasa ny ohatra navelan’izy ireo ho modely ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha isika, dia ‘hampitsimoka indray ny fiheverantsika’ an’ireo izay nanaovantsika fanambarana, ka ho voatosika hanao fiverenana mitsidika isika.
2 Raha nametraka ny bokikely “Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa” ianao, dia ho azonao atao ny hilaza zavatra toy izao:
◼ “Nieritreritra momba ilay resaka nifanaovantsika indray andro irỳ aho, ary nisy andinin-teny roa tonga tao an-tsaiko ka tiako hiarahana mijery aminao. Mety ho tsaroanao fa niresaka momba ny fandraisan’Andriamanitra ny fanapahana ny tany isika. Ao amin’ny Baiboly i Jehovah Andriamanitra dia nampanantena fa hitranga izany. [Vakio ny Daniela 2:44.] Mino ve ianao fa tena hitranga izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Henoy izay lazain’Andriamanitra momba ny fahaizany manatanteraka ny fampanantenany. [Vakio ny Isaia 55:11.] Moa ve izany tsy tokony hampirisika antsika hametraka ny fitokiantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Kanefa rahoviana Andriamanitra no hanatanteraka ny fampanantenany?” Hazavao fa hamaly io fanontaniana io ianao amin’ny fitsidihanao manaraka.
3 Ho azonao atao ny hampiasa itỳ tari-dresaka itỳ rehefa manao fiverenana mitsidika olona iray nandray ny bokikely “Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao”:
◼ “Nanao ezaka manokana aho mba hiverina, noho ny fiheverana ilay fiaraha-nidinika nataontsika momba ny famoizana olona iray amin’ny fahafatesana.” Asehoy ilay sary eo amin’ny pejy faha-30 eo am-pilazanao hoe: “Tadidinao ve itỳ fisehoan-javatra mahafinaritra itỳ izay mampiseho olona mitsangana amin’ny maty sy tafaray indray amin’ireo olon-tiany? Napetrako taminao ilay fanontaniana hoe aiza izany no hitranga, any an-danitra sa eto an-tany. Angamba hitanao ny valiny ao amin’ny Baiboly eo amin’ny pejy faha-26 amin’itỳ bokikely itỳ.” Iaraho midinika ireo hevi-dehibe eo amin’ny fehintsoratra fahatelo ka hatramin’ny fahadimy, ary vakio ny Jaona 5:21, 28, 29. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia vakio izay mety ho andinin-teny sisa eo amin’ilay pejy.
4 Moa ve ianao nanomboka fampianarana tamin’ny “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”? Amin’ilay fiverenana mitsidika, dia azonao atao izao:
◼ Sariho indray ny sainy ho amin’ny pejy faha-30, ary tondroy ilay fanontaniana hoe: “Amin’ny heviny ahoana moa ny Baiboly no boky miavaka?” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-3 sy faha-4 ilay bokikely, ka diniho ny fehintsoratra 1-4, ary koa ny sary eo amin’ny fonon’ilay bokikely. Mamakia andinin-teny iray na roa voalaza eo amin’ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny fehintsoratra faha-4. Hazavao fa ny Baiboly no hany boky manolotra fanantenana mahatalanjona toy izany. Manaova fandaharana ho amin’ny fitsidihanao manaraka. Aorian’ny fitsidihana fahatelo, raha tahaka ny hitohy ilay fianarana, dia afaka manomboka manao tatitra fampianarana vaovao iray ianao!
5 Ho azonao atao ny hanomboka indray fiaraha-midinika amin’ny “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”, amin’izao fomba izao:
◼ “Teo aloha aho dia afaka nampiseho taminao ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Tapany iray tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika ny fahalalana sy ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-31 ilay bokikely, jereo indray ireo hevi-dehibe eo amin’ny fehintsoratra efatra farany, ary vakio ny Jaona 17:3 sy ny Mika 4:5. Hazavao fa isika dia manolotra fandaharam-pampianarana Baiboly izay afaka mampiseho ny fomba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra araka ny tokony ho izy sy ny fomba hahafahantsika hahita ireo fitahiana ao amin’ny tany iray zary paradisa.
6 Koa ampitsimohy indray àry ny fiheveranao an’ireo izay nifandraisanao. Manàna fikirizana hiverina, ary manomàna zavatra mahasoa hozaraina. Afaka ny ho olona “mamoa ka vokatra” ianao amin’ny fanaovana mpianatra vaovao. — Matio 13:23.