FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/97 p. 4
  • Ampio ny Hafa Hahita Fampiononana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Hafa Hahita Fampiononana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Manahafa An’i Jehovah Amin’ny Fiahiana Marina ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mampiasà Bokikely Isan-karazany eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 7/97 p. 4

Ampio ny Hafa Hahita Fampiononana

1 Olona maro no leon’ny mandre loza amin’antambo, ady, heloka bevava, sy fijaliana. Na dia miharihary fa tsy hita ao amin’ireo tatitra an-gazety amin’izao andro izao aza ny fampiononana, dia zavatra tena ilain’ny olombelona. Ny hoe “mampionona” dia midika hoe “manome tanjaka sy fanantenana” sy hoe “mampitony ny alahelo na ny fahorian’ny” olona hafa iray. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia ampy fitaovana isika mba hanampiana ny olona amin’izany fomba izany. (2 Kor. 1:3, 4). Ireo bokikelintsika ara-baiboly, izay hatolotsika amin’ny Jolay sy Aogositra, dia misy hafatra mampionona momba ny fahamarinana. (Rom. 15:4). Ireto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy momba ny fanolorana azy ireny ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa:

2 Ny loza iray voatantara tao amin’ny gazety dia hanome fahafahana hanao fanambarana sy hitondra fampiononana ho an’ny hafa, angamba amin’ny filazanao zavatra tahaka izao:

◼ “Rehefa mitranga ny zavatra toy izany, dia manontany tena ny sasany raha tena misy tokoa Andriamanitra ary, raha misy izy, moa ve izy miahy antsika. Ahoana ny hevitrao? [Avelao ilay olona hamaly.] Ny fomba iray hamaritana raha misy Andriamanitra, dia ny mampihatra fotopoto-pitsipika iray voaporofo mazava.” Vakio ny Hebreo 3:4. Sariho ny saina ho amin’ny zavatra hafa manodidina antsika, izay miharihary fa nitaky mpanao iray. Avy eo, dia manampia teny toy izao: “Manana bokikely iray aho, izay fantatro fa ho hitanao fa hitondra fampiononana. Ny lohatenin’izy itỳ dia hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? [Vakio ireo fanontaniana eo amin’ny fonony.] Misy porofo mampiaiky ato amin’izy itỳ, izay tsy vitan’ny hoe manamarina fa misy Andriamanitra, fa izy koa dia hamarana tsy ho ela ireo toe-piainana feno tsy rariny rehetra hitantsika ankehitriny. Ho tianao ve ny hamaky azy itỳ?” Atolory amin’ny sarany mahazatra. Manaova fandaharana mba hiverina.

3 Ho azonao atao ny hilaza toy izao rehefa miverina mitsidika:

◼ “Niresaka momba ny porofon’ny fisian’Andriamanitra isika, fony aho nametraka taminao ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Voamarikao angamba io hevitra io eo amin’ny pejy faha-7. [Asehoy ilay sary ary fintino ny fehintsoratra faha-15.] Ohatra iray monja io mampiseho fa tena tsy maintsy misy ny Andriamanitra iray miahy. [Vakio ny fehintsoratra faha-27 eo amin’ny pejy faha-9.] Nanampy ahy hiatrika ireo zava-manahirana isan’andro eo amin’ny fiainana ny fianarana manokana ny Baiboly, satria manome ny fomba fijerin’Andriamanitra zavatra.” Manolora ny hampiseho ny fomba fanaovana fampianarana.

4 Azo atao ny fitoriana an-telefaonina, amin’ny fampiasana ilay bokikely hoe “Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?” Ho afaka hampahafantatra ny tenanao ianao, ary hilaza toy izao:

◼ “Miantso anao aho mba hanambara hafatra lehibe iray, satria tsy afaka mihaona aminao manokana.” Vakio ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-4 amin’ilay bokikely, amin’ny fiteny tsy amboamboarina, toy ny hoe miresaka mivantana amin’ilay olona ianao. Anontanio ny heviny, ary avelao izy hamaly. “Misokatra eto amin’ny Isaia 45:18 ny Baiboliko. Asehon’io andininy io fa ny olombelona no tao an-tsain’ilay namorona ny tany. Azoko vakina aminao ve izy io?” Aorian’izay, dia hazavao ny zava-kendrena amin’ilay bokikely, ary anontanio ny fomba ho azonao itondrana iray ho azy.

5 Rehefa mitsidika azy ianao mba hanolokoloana ny fahalianany, dia ho azonao atao ny hanandrana itỳ tari-dresaka itỳ mba hanombohana fampianarana:

◼ “Ho tiako ny hanohy ny resatsika farany mba hampisehoana hoe iza no afaka milaza amintsika ny zava-kendren’ny fiainana. [Lazao izay voalazan’ny fehintsoratra voalohany sy faha-2 eo amin’ny pejy faha-6 amin’ny bokikely Zava-kendren’ny Fiainana.] Hazavain’ny Apokalypsy 4:11 fa i Jehovah Andriamanitra no Mpamorona antsika. [Vakio.] Azo antoka fa tsy maintsy ho nanana antony namoronana antsika izy. Ny olona naniry hahafantatra izany antony izany dia nianatra ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, ny Baiboly. Ho tiako ny hanome anao izany fahafahana izany.” Hazavao ny fomba itarihantsika fampianarana Baiboly maimaim-poana ary manaova fandaharana mba hanombohana ny fianarana.

6 Mety hampionona ireo izay namoy havan-tiana tao amin’ny fahafatesana, itỳ tari-dresaka manorina itỳ:

◼ “Mitondra fanampiana ho an’ireo rehetra namoy havan-tiana tao amin’ny fahafatesana aho. Koa satria izany no mety ho ny iray amin’ireo zavatra mafy indrindra hatrehin’iza na iza amintsika, dia nomanina itỳ bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao itỳ. Efa nanampy olona an-tapitrisany maro izy itỳ. Ho tiako ny hampiseho aminao izay lazainy momba ny fampanantenana iray mampihetsi-po omen’i Jesosy Kristy. [Vakio ny fehintsoratra faha-5 eo amin’ny pejy faha-26, anisan’izany ny Jaona 5:21, 28, 29.] Mariho ny sary eo amin’ny pejy faha-29, izay mampiseho ny fitantaran’ny Filazantsara momba an’i Jesosy manangana an’i Lazarosy amin’ny maty. Raha tianao ny hamaky itỳ bokikely mampionona itỳ, dia ho faly aho hametraka azy aminao amin’ny fandraisana anjara kely.”

7 Rehefa miverina ianao, dia ho azonao atao ny hampiseho indray ny sary eo amin’ny pejy faha-29 amin’ilay bokikely hoe “Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao”, ka hilaza toy izao:

◼ “Tsaroanao ve ny resaka nataontsika momba ny nananganan’i Kristy an’i Lazarosy? [Vakio ilay fanazavana miaraka amin’ny sary eo amin’ny pejy faha-28, ary diniho ny filazana eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Tena nitranga ve izany?”] Raha irinao ny hino fa ho afaka hihaona indray amin’ny havan-tiana iray nody mandry ianao, dia mamelà ahy hanampy anao hanana finoana ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty.” Manolora fampianarana Baiboly.

8 Enga anie isika hanao izay farany azontsika atao amin’ireo volana ho avy mba “hampionona ny malahelo rehetra”, ho fanahafana an’i Jesosy. — Isaia 61:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara