Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
Amin’ny alahady 8 Aprily ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Tokony hanisy fiheverana an’ireto raharaha manaraka ireto ny anti-panahy:
◼ Rehefa manapaka ny amin’ny fotoanan’ilay fivoriana, dia ataovy azo antoka fa tsy hampandalovina raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro ireo marika.
◼ Ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, dia tokony hampahafantarina ny amin’ny ora sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana.
◼ Tokony hokarakaraina sy hatao vonona ilay karaza-mofo sy divay hilaina. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1985, pejy 17.
◼ Tokony hoentina mialoha any amin’ilay toeram-pivoriana, ary hapetraka eo amin’ny toerany avy, ireo lovia sy vera ary ny latabatra sy ny lamban-databatra mifanentana amin’ilay fotoana.
◼ Tokony hodiovina tanteraka mialoha ny Efitrano Fanjakana na izay toerana hafa hanaovana ilay fivoriana.
◼ Tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha momba ny andraikiny avy sy ny fizotran-javatra araka ny tokony ho izy, ireo mpikarakara ny mpanatrika sy ny mpanolotra ireo marika.
◼ Rehefa fankalazana mihoatra ny iray no alamina hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, dia tokony hisy firindran-javatra tsara eo amin’ireo kongregasiona, mba tsy hitangoronan’ny olona tsy amin’ny antony eo am-baravarana, eo amin’ny lalantsara na ny fidirana, ny sisin-dalana na sisin’arabe ary ny parking.