FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/02 p. 7
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 3/02 p. 7

Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana

Amin’ny alakamisy 28 Martsa ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Tokony hanisy fiheverana an’ireto raharaha manaraka ireto ny anti-panahy:

◼ Rehefa manapaka ny amin’ny oran’ilay fivoriana, dia ataovy azo antoka fa tsy hampandalovina ireo marika raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro.

◼ Tokony hampahafantarina ny amin’ny ora sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny.

◼ Tokony hokarakaraina sy hatao vonona ilay karaza-mofo sy divay ilaina.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1985, pejy 17.

◼ Tokony hoentina mialoha any amin’ilay toeram-pivoriana, ary hapetraka eo amin’ny toerany avy, ireo lovia sy vera ary ny latabatra sy ny lamban-databatra mifanentana amin’ilay fotoana.

◼ Tokony hodiovina tanteraka mialoha ny Efitrano Fanjakana na izay toerana hafa hanaovana ilay fivoriana.

◼ Tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha momba ny andraikiny avy sy ny zavatra tokony hataony, ireo mpikarakara ny mpanatrika sy ny mpanolotra ireo marika. Tokony ho mendrika koa ny fitafiana sy ny fisehoana ankapoben’izy ireo.

◼ Raha fankalazana mihoatra ny iray no hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, dia tokony hisy fandrindran-javatra tsara eo amin’ireo fiangonana, mba tsy ho feno olona mitangorona ny efitrano fidirana, ny lalantsara, ny sisin-dalana na sisin’arabe, ary ny parking.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara