Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no tokony horesahina mandritra ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
Natao hanampiana antsika hifantoka amin’ny fanompoana io fivoriana io. Tokony hiomana tsara àry ny mpitarika, ka ho vonona hanome fanazavana mampahery sy azo ampiharina. Azo iaraha-midinika vetivety ny andinin-teny ho an’ny andro, raha mifandray amin’ny asa fitoriana. Ny asa fanompoana anefa no tena tokony ho fototry ny resaka mandritra io fivoriana io, mba hanampiana izay rehetra hitory amin’io andro io ho vonona tsara hanatanteraka izany.—2 Tim. 4:5.
Azo iaraha-midinika izay hevitra azo ampiasaina avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mba hahafantaran’ny rehetra ny zavatra atolotra sy ny fomba hanolorana azy. Amin’ny andro fizarana gazety, dia azo anaovana fampisehoana ny fanoloran-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fomba Fanolorana Gazety.” Amin’ny fotoana fitoriana hafa, dia azo atao ny manasongadina fampidiran-dresaka iray na roa avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, izay mifanentana amin’ny faritany. Azo iaraha-midinika na anaovana fampisehoana ny lafiny hafa amin’ny fanompoana. Ohatra: ny fomba fampiasana ny Baiboly rehefa mitory isan-trano, ny atao raha misy fanoherana, ny fomba hanolorana fampianarana Baiboly, na ny fomba hanolokoloana ny fahalianana.
Tsy tokony hihoatra ny 15 minitra ny fivoriana alohan’ny fanompoana, tafiditra amin’izany ny fizarana ny mpitory sy ny faritany, ary ny vavaka. Tokony ho efa mahafantatra ny namany sy ny faritany iasana ny rehetra rehefa miala eo, ary tokony hamonjy ny faritany avy hatrany. Fohy ny fivoriana alohan’ny fanompoana, ka tokony ho tonga ara-potoana ny rehetra. Tokony ho fohy kokoa izy io raha aorian’ny fivoriana, toy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, no anaovana azy. Tsy mila mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro amin’izay, satria vao avy nanao fiaraha-midinika ara-baiboly nahafinaritra.
Rahalahy vita batisa sy mahafeno fepetra, no tokony hotendrena mialoha hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Raha mitranga ny hoe tsy misy rahalahy afaka manao izany, dia tokony hanendry anabavy vita batisa hanao azy io ny anti-panahy. Hipetraka ihany ilay anabavy rehefa manao izany, ary azony atao ny mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro miaraka amin’ireo mpitory na miresaka hevitra hafa mifandray amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Hataony fohy anefa izany, ary hanao saron-doha izy.
Tena hahazoantsika fampaherezana io fivoriana io, ary hahatonga antsika ho ampy fitaovana handray anjara amin’ny fanompoana. Handray soa betsaka kokoa ny rehetra, raha miomana tsara kokoa ilay mpitarika.