Fomba Azo Anolorana ny Boky Manatòna An’i Jehovah
◼ Ataovy vonona eny an-tananao ny Baiboly, ary milazà hoe: “Olona maro no mino an’Andriamanitra sy maniry hanatona azy akaiky kokoa. Fantatrao ve fa manasa antsika hanatona azy Andriamanitra? [Vakio Jakoba 4:8.] Ity boky ity dia natao hanampiana ny olona hampiasa ny Baiboliny mba hanatonany an’Andriamanitra.” Vakio ny fehintsoratra voalohany, eo amin’ny pejy 16.
◼ Ataovy vonona eny an-tananao ny Baiboly, ary milazà hoe: “Manjaka ny tsy rariny ankehitriny. Tanteraka mihitsy ny voalazan’ity andinin-teny ity. [Vakio Mpitoriteny 8:9b.] Maro no manontany tena hoe mbola miahy antsika ihany ve Andriamanitra. [Vakio ny fehezanteny roa voalohany eo amin’ny fehintsoratra 4, eo amin’ny pejy 119.] Ity toko ity dia manazava hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hanjaka ny tsy rariny.”