Azonao Atolotra ve ny Tranonao?
1 Namela ny tranony ampiasain’ny fiangonana ny Kristianina maro tamin’ny taonjato voalohany. (1 Kor. 16:19; Kol. 4:15; Filem. 1, 2) Tsy ampy koa ankehitriny ny toerana anaovana Fianarana Boky sy fivoriana alohan’ny fanompoana, any amin’ny fiangonana sasany. Vokatr’izany, dia mihoatra be ny isan’ny mpanatrika, satria misy 30 na mahery, nefa tokony ho 15 eo ho eo monja.
2 Tombontsoa sarobidy: Efa nieritreritra hanolotra ny tranonao mba hanaovana Fianarana Boky ve ianao? Efitrano malalaka sy madio, tsy maizimaizina, ary ampy rivotra tsara, no tena mety. Tombontsoa sarobidy ny fanaovana Fianarana Boky ao an-tranonao, satria fivorian’ny fiangonana izy io, ary anisan’ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hampianarana ny vahoakany. Betsaka no milaza fa nandray soa ara-panahy, rehefa nanolotra ny tranony hanaovana Fianarana Boky.
3 Miresaha amin’ny anti-panahy, raha heverinao fa mety hanaovana izany ny tranonao. Angamba mitady toerana fanampiny izy ireo izao. Raha tsy azo anaovana Fianarana Boky ao an-tranonao, azo anaovana fivoriana alohan’ny fanompoana kosa ve? Hahafaly ny anti-panahy ny hahafantatra fa azo ampiasaina ny tranonao, na dia mbola tsy ilaina aza izany izao. Mety hahazo an’io tombontsoa io ianao, any aoriana.
4 Fahalalam-pomba: Tokony hanaja ny fananan’ilay tompon-trano ny mpanatrika rehetra. Tokony hambenan’ny ray aman-dreny ny zanany, mba tsy handehandeha mihoatra ny efitra natao ho an’ilay Fianarana Boky. Tokony hanehoana fiheverana koa ny mpifanila trano, izany hoe tokony hitandrina tsara mba tsy hanelingelina azy ireo.—2 Kor. 6:3, 4; 1 Pet. 2:12.
5 Mampirisika antsika ny Hebreo 13:16 mba tsy hanadino ny “hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” Manao soa sy ‘mankalaza an’i Jehovah amin’ny fanananao’ ianao, rehefa manolotra ny tranonao mba hanaovan’ny fiangonana fivoriana.—Ohab. 3:9.