FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/03 p. 1
  • Mahafaly ny Fiarahan’ny Fiangonana Mitory

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahafaly ny Fiarahan’ny Fiangonana Mitory
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fivoriana Alohan’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fivoriana Alohan’ny Fanompoana Tena Andraisan-tsoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 7/03 p. 1

Mahafaly ny Fiarahan’ny Fiangonana Mitory

1 Rehefa naniraka mpianatra 70 hitory i Jesosy, dia nampianatra azy ireo izay teny holazainy, sy nandefa azy ireo tsiroaroa, ary nanoro ny faritany hitoriany. Nahafaly azy ireo izany. (Lioka 10:1-17) Toy izany koa ankehitriny. Ny fiarahan’ny fiangonana mitory dia manampy ny vahoakan’Andriamanitra ho vonona tsara sy ho voalamina ary harisika amin’ny asa fitoriana.

2 Ny anti-panahy no manao fandaharana: Andraikitry ny anti-panahy ny manampy ny rehetra handray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no mandamina ny fitoriana, amin’ny andavanandro. Ny mpiandraikitra fianarana boky tsirairay no mandamina ny fitoriana ataon’ny mpitory ao amin’ny fianarana bokiny, indrindra amin’ny faran’ny herinandro. Miara-manao fivoriana alohan’ny fanompoana koa indraindray ny fiangonana manontolo, aorian’ny Fianarana Tilikambo Fiambenana. Amin’izay dia ny mpiandraikitra fianarana boky tsirairay no tokony hanao fandaharana ho an’ny mpitory ao amin’ny fianarana bokiny.

3 “Amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana”: Tokony hanomboka ara-potoana ny rahalahy voatendry hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tsy tokony hihoatra ny 10 na 15 minitra ilay fivoriana. Tokony hizara ny mpitory sy hanoro ny faritany izy (raha tsy hoe efa nataon’ny mpiandraikitra ny fianarana boky angaha izany, araka ny voalaza erỳ aloha), ary hamarana ilay fivoriana amin’ny vavaka avy eo. Tsy voatery hitangorona intsony amin’izay ny mpitory, rehefa eny amin’ny faritany. Mety hampihen-danja ny asantsika mantsy ny fitangoronana toy izany. Mifanaraka amin’ity torohevitr’i Paoly ity koa izany: “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” (1 Kor. 14:40) Hahomby ilay fandaharana, raha tonga ara-potoana ny rehetra sady manaraka tsara izay lazain’ny mpitarika, ary mamonjy ny faritany avy hatrany aorian’ilay fivoriana.

4 Mampiray antsika ny fiarahan’ny fiangonana mitory: Fomba tena tsara hifankahalalantsika amin’ny mpiara-manompo ny fiarahantsika mitory amin’ny fiangonana. Tsy ratsy ny maka namana mialoha, nefa mety hahasoa antsika koa raha any amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana isika vao maka namana. Angamba ho voatendry hiara-miasa amin’ny mpitory mbola tsy fantatsika tsara isika, ka afaka ‘mihamalalaka’ eo amin’ny fitiavantsika.​—2 Kor. 6:11-13.

5 Mampahery antsika ny fiarahan’ny fiangonana mitory sady mampifandray kokoa antsika rehetra, amin’ny maha ‘mpiara-miasa amin’ny fahamarinana’ antsika. (3 Jaona 8) Enga anie isika handray anjara feno amin’izy io!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara