Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
Mila ny fahendrena avy any ambony isika amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy hihazonana izany. (2 Tim. 3:1) Hanome antsika torohevitra azo ampiharina sy fampaherezana ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra ho an’ny taom-panompoana 2005. Ny foto-kevitr’izy io dia hoe “Aoka Ianareo Hotarihin’ny ‘Fahendrena avy any Ambony.’ ”—Jak. 3:17.
Hanampy antsika hahafantatra ny atao hoe madio, tia fihavanana, mandanjalanja, ary vonona hankatò, ilay lahateny mifampitohy voalohany hoe “Asehoy eo Amin’ny Fiainanao ny ‘Fahendrena avy any Ambony.’ ” Hanasongadina lafin-javatra telo hafa momba ny fahendrena avy any ambony ny mpiandraikitra ny faritra avy eo. Ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra no hanao ny lahateny famaranana amin’ny andro voalohany. Asehony amin’izany fa ampy fitaovana mba hiresaka momba ny fahendren’Andriamanitra ny Kristianina, na dia heverin’ny olona sasany ho ‘tsy nahita fianarana sy olon-tsotra’ aza izy ireo.—Asa. 4:13.
Hisy lahateny mifampitohy mitondra ny lohateny hoe “Zavatra Mampahery Foana Atao”, amin’ny andro faharoa. Hanampy antsika izy io hamantatra sy hanalavitra ireo zavatra mety hampahalemy antsika ara-panahy. Hasehony amintsika koa hoe ahoana no azontsika ampaherezana ny hafa mandritra ny fivoriana kristianina, rehefa manompo eny amin’ny saha, ary ao amin’ny fianakaviana. Ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Mahasoa Antsika ny Fahendren’Andriamanitra”, dia hanampy antsika hankasitraka kokoa ny soa raisintsika, rehefa manaraka ny toro lalan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana isika. Hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa hitady fahendrena avy amin’i Jehovah mandritra izao andro farany izao, ny lahateny famaranana hoe “Miaro Antsika ny Fanaovan-javatra Araka ny Fahendren’Andriamanitra.”
Zava-misongadina isaky ny fivoriambe ny batisa. Hatao mandritra ny fandaharana koa ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, izay tokony hatao amin’ny herinandron’ny fivoriambe. Irin’i Jehovah handray soa amin’ny fahendrena omeny isika rehetra. Hahatonga antsika ho akaiky azy kokoa ny torohevitra sy ny fampaherezana miandry antsika amin’ny fivoriamben’ny faritra.—Ohab. 3:13-18.