FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/09 p. 2
  • Fivoriamben’ny Faritra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriamben’ny Faritra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Arovy ny Sainao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fandaharana ho An’ny Mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 7/09 p. 2

Fivoriamben’ny Faritra

1. Inona no fomba iray anampian’i Jehovah antsika mba hanaovantsika an’ilay asa nanirahany antsika?

1 Malala-tanana i Jehovah ka manome ny fanazavana sy ny fampiofanana ary ny fampaherezana ilaintsika mba hanaovana an’ilay asa nanirahany antsika, dia ny fitoriana ny vaovao tsara. (Mat. 24:14; 2 Tim. 4:17) Ny fivoriamben’ny faritra no fomba iray anomezany izany. Ny foto-kevitry ny fandaharana amin’ny taom-panompoana 2010 dia hoe “Arovy ny Fifandraisanao Amin’Andriamanitra”, izay miorina amin’ny Romanina 8:5 sy ny Joda 17-19. Ny herinandron’ny 31 Aogositra 2009 no hanombohan’izy io.

2. a) Inona avy no soa ho azontsika avy amin’ny fivoriamben’ny faritra? b) Nahoana no nanampy anao teo amin’ny fanompoana ireo fivoriamben’ny faritra tamin’ny lasa?

2 Ireo soa azo: Hampitandrina antsika amin’ny loza ilay fandaharana. Anisan’izany ireo fanelingelenana izay atahorana haka amin’ny fotoanantsika sy hampivily ny saintsika tsy hifantoka amin’izay tena zava-dehibe. Hodinihina koa ny hoe ahoana no hiadiana amin’ny toe-tsaina milefitra loatra, ary inona no dikan’ny hoe olona araka ny fanahy. Hisy lahateny mifampitohy ny alahady, ka horesahina ao izay azon’ny fianakaviana sy ny tsirairay atao mba hanamafisana ny fifandraisany amin’Andriamanitra, na eo aza ny fitsapana mivaivay sy ny olana tsy mitsaha-mitombo. Hanampy antsika hiaro ny fontsika ny fandaharana, ary hahatonga antsika ho araka ny fanahy foana. Ho ao an-tsaintsika foana koa ny fitahiana lehibe miandry an’ireo miaro ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

3. Rahoviana ianareo no hanatrika ny fivoriamben’ny faritra, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

3 Raha vao fantatrao ny daty sy ny toerana hanaovanareo ny fivoriamben’ny faritra manaraka, dia alamino ny fotoananao mba ho eo ianao mandritra ny roa andro, ary hihaino tsara. Matokia fa tahin’i Jehovah ny mazoto.—Ohab. 21:5.

4. Inona no azo antoka fa ho azontsika any amin’ny fivoriamben’ny faritra?

4 Avy amin’i Jehovah tokoa io fanomezana tsara io. Hanome izay tena ilaintsika mba haharetana amin’ny fanompoana an’i Jehovah, io fandaharana nomanin’ny mpanompo mendri-pitokisana io. Ankasitrahantsika i Jehovah noho izay rehetra omeny antsika amim-pitiavana mba hanampiana antsika ‘hifikitra mafy amin’ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, ka tsy hisalasala.’—Heb. 10:23-25; Jak. 1:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara