FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/10 p. 1
  • Fandaharana ho An’ny Mpitory

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana ho An’ny Mpitory
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Arovy ny Sainao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 8/10 p. 1

Fandaharana ho An’ny Mpitory

1. Inona no fandaharana natomboka tamin’ny 1938, ary inona no tanjona tamin’izany?

1 Nisy fandaharana vaovao natomboky ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny 1938. Inona izany? Fivoriamben’ny faritra nanasana fiangonana maromaro. Inona no tanjona tamin’izany? Hoy ny Mpilaza Vaovao (anglisy, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) tamin’ny Janoary 1939: “Anisan’ny fandaharan’ny Fandaminan’i Jehovah ireny fivoriambe ireny, mba handaminana ny asan’ilay Fanjakana. Ilain’ny mpitory tsirairay ny fampianarana amin’ny fivoriambe, mba hanaovany tsara an’ilay asa nanendrena azy.” Nisy 58 000 monja ny mpitory tamin’ny 1938, nefa lasa 7 000 000 mahery tamin’ny 2009. Porofoin’izany fa tena manampy an’ireo mpitory ‘hanao ny asa nanendrena azy’ ny fivoriamben’ny faritra!

2. Inona no foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra? Inona avy ireo lahateny hatao amin’izy io?

2 Foto-kevitra ho an’ny taom-panompoana vaovao: Tsy andrintsika ilay fivoriambe manomboka amin’ny Septambra, mitondra ny foto-kevitra hoe “Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Ianareo”, izay nalaina tao amin’ny Jaona 15:19. Tena hampahery antsika mpitory izy io. Inona avy no lahateny hatao amin’izy io? Hatao ny asabotsy ilay lahateny hoe “Miaro Antsika ny Fanompoana Manontolo Andro.” Hisy lahateny telo mifampitohy koa hoe “Aza Manaiky ho Voapoizin’ny...” 1) “Bibidia”, 2) “Mpivaro-tena Lehibe”, ary 3) “Mpivaro-mandeha.” Hisy lahateny mifampitohy koa ny alahady, hoe “Tiavo i Jehovah fa Aza Tia An’izao Tontolo Izao.” Hisy lahateny hafa koa hoe “Aoka Isika ho ‘Vahiny sy Mpivahiny’ Foana”, ary “Mahereza fa Afaka Mandresy An’izao Tontolo Izao Ianao!”

3. Inona avy no soa raisintsika avy amin’ny fivoriamben’ny faritra?

3 Nanatrika fivoriamben’ny faritra vao haingana ny anabavy iray tsy nanompo firy intsony. Nilaza izy fa nanampy azy handini-tena indray ilay fivoriambe, ka tapa-kevitra izy ny “handeha hanompo fa tsy hitady fialan-tsiny intsony”! Azo antoka fa hanampy antsika rehetra ho tia an’i Jehovah, fa tsy ho tia an’ity tontolo ity, ilay fivoriambe ho an’ny taom-panompoana vaovao. (1 Jaona 2:15-17) Miezaha àry hanatrika azy io. Mifantoha tsara mba handraisanao soa feno avy amin’io fandaharana natao tamim-pitiavana ho an’ny mpitory io!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara