Fizarana 4—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampianaro Hanomana ny Mpianatra
1 Mandroso haingana ny mpianatra rehefa mamaky mialoha ny fianarana sy manipika ny valiny, ary mieritreritra ny fomba hamaliany izany amin’ny fiteniny manokana. Miaraha àry manomana lesona amin’ny mpianatra iray, rehefa hitanao fa vonona hianatra tsy tapaka izy. Amin’ny ankapobeny, dia tsara raha toko na lesona iray manontolo no hiaraha-manomana aminy.
2 Manipika sy manamarika: Hazavao ny fomba hahitana ny tena valin’ny fanontaniana ao amin’ilay boky. Asehoy an’ilay mpianatra ny bokinao misy teny na fitambaran-teny fototra voatsipika. Te haka tahaka izay nataonao izy amin’izay, ka tsy hanipika afa-tsy izay ilaina mba hitadidiany ny valiny. (Lioka 6:40) Asao izy avy eo hamaly amin’ny fiteniny manokana. Ho hitanao amin’izay raha azony tsara ny fianarana.
3 Tena ilain’ilay mpianatra ny mandinika tsara ireo andinin-teny voatonona fotsiny rehefa manomana. (Asa. 17:11) Ampio izy hahita fa manamafy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra ny andinin-teny tsirairay. Asehoy azy ny fanaovana fanamarihana eo amin’ny sisim-pejin’ny bokiny. Asongadino fa mifototra amin’ny Baiboly izay ianarany. Ampirisiho izy hampiasa andinin-teny matetika, rehefa mamaly.
4 Manao topy maso sy mamerina: Tsara aloha raha manao topy maso izay hianarana ilay mpianatra, vao manomana amin’ny an-tsipiriany. Atoroy azy fa ny lohatenin’ilay toko, sy ny lohatenikely, ary ny sary no dinihina vetivety rehefa manao topy maso. Hazavao aminy fa tsara ampidiriny ho anisan’ny fanomanana ny famerenana ny hevi-dehiben’ilay lesona. Ny famerenana efa ao amin’ny boky ihany asaina ampiasainy raha misy. Hanampy azy hitadidy ilay lesona izany.
5 Hisy heviny kokoa ny valin-tenin’ilay mpianatra atỳ am-pivoriana, rehefa ampianarina manomana tsara izy. Hanampy azy hanana fahazarana mianatra tsara koa izany, na dia rehefa vita aza ny fianarany Baiboly any an-trano.