Fizarana 11—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampio Ilay Mpianatra Hanao Fiverenana Mitsidika
1 Hahita olona liana amin’ny vaovao tsara ny mpianatra, rehefa manomboka mandray anjara amin’ny fitoriana. Ahoana no hampiofanantsika azy hanao fiverenana mitsidika mahomby sy hanampy ny olona liana?
2 Eo am-pitoriana no manomboka ny fanomanana ny fiverenana mitsidika. Ampirisiho ilay mpianatra hamantatra izay mahaliana ny olona iresahany. (Fil. 2:4) Ampiofano tsikelikely izy hanasa ilay olona haneho ny heviny. Ampianaro koa izy hihaino tsara ilay olona sy hamantatra izay mampanahy azy. Raha liana ilay olona, dia asaivo soratan’ilay mpianatra izay zavatra tokony ho fantatra momba azy. Io no ampiasao hanampiana azy hanomana ny fitsidihana manaraka.
3 Miaraha manomana: Fintino aloha ilay resaka natao tamin’ny voalohany. Asehoy azy avy eo ny fomba ifidianana loha hevitra iray momba ilay Fanjakana mety hahaliana ilay olona. (1 Kor. 9:19-23) Miaraha manomana fomba fampiseho fohy ahitana andinin-teny iray sy fehintsoratra iray avy ao amina boky fianarana. Manomàna koa fanontaniana hapetraka amin’ny faran’ilay dinidinika, mba hovaliana amin’ny manaraka. Ataovy izay hahaizan’ilay mpianatra hampitombo ny fahalalan’ilay olona ny Tenin’Andriamanitra, isaky ny mitsidika azy izy.
4 Tsara koa ny mampianatra azy fampidiran-dresaka tsotra. Rehefa avy miarahaba an’ilay olona, ohatra, izy, dia afaka miteny hoe: “Nahafinaritra ilay resatsika farany, ka niverina aho mba hanome fanazavana fanampiny avy ao amin’ny Baiboly momba ny [lazao ilay loha hevitra].” Azonao ampianarina azy koa ny zavatra holazaina raha olon-kafa no tratra ao an-trano.
5 Ampirisiho izy hazoto hiverina: Ampirisiho ilay mpianatra hiverina haingana any amin’izay rehetra liana, ka ho fakan-tahaka eo amin’izany lafiny izany. Mety ho tsy maintsy hiverimberina izy vao hahatratra ilay olona. Atoroy azy ny fomba ifanaovana fotoana indray aminy. Ampio koa izy hahatakatra fa ilaina ny mitana ny teny natao, rehefa nampanantena ny hiverina. (Matio 5:37) Ampirisiho izy ho tsara fanahy sy haneho fiheverana ary hahay hanaja, rehefa mikaroka ny olona toy ny ondry sy manampy azy ireo.—Tit. 3:2.