Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa
“Te hanao ny tsara isika, nefa mety ho sarotra be izany rehefa terena hanao ny tsy mety isika. Inona àry no hanampy antsika tsy hanaiky lembenana? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Ohabolana 29:25.] Resahina ato ny antony dimy tokony hatahorana an’Andriamanitra fa tsy olona.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Mifohaza! Martsa
“Te hana-namana daholo isika. Inona no toetra tena tianao hananan’ny namanao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ny Baiboly. [Vakio ny Ohabolana 17:17.] Resahina ato izay azo atao mba hahitana namana tsara, sy hoe inona no tokony hatao mba ho namana tsara ho an’ny hafa.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 18.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily
“Mba tiako ho fantatra ny hevitrao momba ity tenin’i Jesosy ity. [Vakio ny Jaona 3:3.] Inona no dikan’ny hoe ateraka indray, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Tokony ho azontsika izay tena tian’i Jesosy holazaina teo, mba handraisantsika soa dieny izao sy amin’ny hoavy. Izany no resahin’ity gazety ity.”
Mifohaza Aprily
“Mpianatra maro no miferinaina. Mba tratran’izany koa ve ny ray aman-drenin’izy ireny taloha? [Avelao izy hamaly.] Misy vokany ratsy ny miferinaina be loatra. [Vakio ny Mpitoriteny 7:7a.] Resahin’ity gazety ity izay azon’ny olon-dehibe atao mba hanampiana ny tanora.”