FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/09 p. 8
  • Fomba Fanolorana Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanolorana Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 8/09 p. 8

Fomba Fanolorana Gazety

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra

“Maro no mihevitra fa ho any an-danitra daholo ny tsara fanahy. Mino izany koa ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ity andinin-teny ity momba ny tany. [Vakio ny Salamo 37:11, 29.] Resahin’ity lahatsoratra ity hoe inona no nampianarin’i Jesosy momba ny hoavin’ny olombelona eto an-tany.” Asehoy ny lahatsoratra eo amin’ny pejy 22.

Mifohaza! Aogositra

“Anisan’ny zavatra mampalahelo indrindra ny fahafatesan’ny ray na reny. Miombon-kevitra amin’izany ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Maro no nahazo fampiononana avy amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ity iray ity. [Vakio ny Apokalypsy 21:4.] Resahin’ity lahatsoratra ity ny fomba ahazakana an’ireo fihetseham-po mifamahofaho ateraky ny famoizana ray na reny, indrindra ho an’ny tanora.” Asehoy ny lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra

“Misy milaza fa raha tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olona, dia homeny harena. Tsy tahin’Andriamanitra, hono, izy matoa mahantra. Ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mahavariana fa tsy mba nanan-karena i Jesosy. [Vakio ny Lioka 9:58.] Resahin’ity gazety ity hoe inona no karazana fitahiana azon’ny mpanompon’Andriamanitra antenaina.”

Mifohaza! Septambra

“Araka ny hevitrao, be kokoa noho ny taloha ve ny olana atrehin’ny tanora ankehitriny? [Avelao izy hamaly.] Maro no mahatsapa fa mahalaza tsara ny vanim-potoana misy antsika ity andinin-teny ity. [Vakio ny 2 Timoty 3:1.] Misy toro lalana ara-baiboly ato amin’ity gazety ity, mba hanampiana ny ray aman-dreny sy ny tanora hiatrika olana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara