Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Tsy hitantsika indraindray izay holazaina amin’ny namantsika raha marary mafy izy, na efa ho faty. Azo ampiharina ve ity torohevitra ity, araka ny hevitrao? [Vakio ny Jakoba 1:19, ary avelao izy hamaly.] Misy torohevitra maromaro avy ao amin’ny Baiboly, ato amin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Mifohaza! Jolay
“Afaka ny ho mpitondra fivavahana ve ny vehivavy, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Izao no lazain’ny Baiboly momba ny vehivavy. [Vakio ny 1 Korintianina 14:34.] Misy andinin-teny koa anefa milaza fa manana andraikitra lehibe ny vehivavy kristianina. Manazava izany ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 28.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra
“Maro no matahotra hoe hiova be ny toetany na hisy ady niokleary, ka ho potika ny tany na tsy ho azo iainana intsony. Mety hitranga tokoa ve izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Izao no lazain’ny Baiboly momba izany. [Vakio ny Apokalypsy 11:18.] Mamaly fanontaniana lehibe efatra momba ny faran’izao tontolo izao ity gazety ity.”
Mifohaza! Aogositra
“Mino aho fa efa tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana izahay no mitory isan-trano, nefa tsy te hihaino anay ny ankamaroan’ny olona? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Matio 24:14.] Maro ny olona diso hevitra momba anay. Manazava momba anay Vavolombelon’i Jehovah ity gazety ity.”