Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Maro no mihevitra hoe Andriamanitra iray ihany no ivavahana fa ny fivavahana fotsiny no samihafa. Ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho ange izay lazain’ny Baiboly e! [Vakio ny Josoa 24:15.] Nahoana isika no tokony handinika hoe mampifandray antsika amin’ilay tena Andriamanitra ve ny fivavahantsika sa tsia? Izany no resahin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Mifohaza! Jona
“Samy mahafantatra olona efa maty isika rehetra. Araka ny hevitrao, tokony hatahotra ve isika sao ho tezitra amintsika ny olona sasany efa maty ka hanisy ratsy antsika? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Mpitoriteny 9:5, 6.] Hampahery anao ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 22.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Maro ny olona manana Baiboly, nefa hitan’izy ireo fa sarotra azo ny zavatra voalaza ao. Efa nahatsapa toy izany ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Tian’ilay nanome ny Baiboly ho azontsika izay voalazan’ny Teniny, ka handray soa avy amin’izy io isika. Izany no lazain’ity andinin-teny ity. [Vakio ny Salamo 119:130.] Misy soso-kevitra telo hanampy antsika hahazo izay voalazan’ny Baiboly ato amin’ity gazety ity.”
Mifohaza! Jolay
“Betsaka ny olona ketraka lava. Araka ny hevitrao, miahy ny olona ketraka sy kivy ve Andriamanitra? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Salamo 34:18.] Resahin’ity gazety ity hoe ahoana no ahazoan’ny olona ketraka lava fanampiana avy amin’Andriamanitra, na dia mila mitsabo tena koa aza izy. Resahin’izy ity koa hoe inona no azontsika lazaina mba hampiononana azy ireny.”