Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra
“Maro no tsy mino ny tantaran’i Adama sy Eva hita ao amin’ny Genesisy. Ny hafa kosa miaiky fa tena nisy izy ireo. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay nolazain’i Jesosy momba azy ireo. [Vakio ny Marka 10:6-9.] Resahin’ity lahatsoratra ity hoe inona no porofoin’ny zava-misy, ary hazavainy fa zava-dehibe izay inoantsika.” Asehoy ny lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Mifohaza! Septambra
Vakio ny 1 Jaona 4:8. Avy eo dia lazao hoe: “Misy mihevitra fa hampijalin’Andriamanitra mandrakizay any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Ny hafa indray mahita fa mifanohitra amin’ilay novakintsika teo izany. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba izany.” Asehoy ny lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra
“Samy manana olana isika tsirairay. [Milazà olana fahita ao amin’ny faritaninareo.] Afaka manampy antsika ve Andriamanitra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Milaza fomba iray anampian’Andriamanitra antsika i Jesosy. [Vakio ny Lioka 11:13.] Hazavain’ity gazety ity hoe inona ny fanahy masina, ary ahoana no anampian’izy io antsika.”
Mifohaza! Oktobra
“Azo antoka fa manana olana daholo ny fianakaviana. Araka ny hevitrao, aiza no misy torohevitra azo itokisana sy azo ampiharina? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Salamo 32:8.] Misy toro lalana ara-baiboly voafaritra tsara ato amin’ity Mifohaza! laharana manokana ity. Handray soa ny fianakaviana raha mampihatra azy ireo.”