Valin’ny Fanontanianareo
◼ Tokony hanaparitaka lahateny noraisim-peo na noraisina an-tsoratra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Mampahery antsika ny lahateny ara-baiboly. (Asa. 15:32) Tsy mahagaga àry raha tiantsika handray soa koa ireo tsy nandre an’ilay izy. Mandroso be izao ny teknolojia, ka tsy sarotra ny mandray feo lahateny sy manaparitaka izany. Misy Kristianina mitahiry lahateny maro noraisim-peo, ary efa ela be ny lahateny sasany. Ampindraminy izy ireny, na ataony kopia ho an’ny namany. Misy indray mampiditra lahateny ao amin’ny Internet, mba halain’ny hafa. Tsy voatery ho antony ratsy no anaovan’izy ireo izany.
Tsy voarara ny mandray feo lahateny, raha ho antsika manokana no anaovantsika izany, na ho an’ny fianakaviantsika. Mety handray feo lahateny koa ny anti-panahy, mba hohenoin’ny Kristianina efa osa na marary tsy afaka mivory. Tsy tokony hanaparitaka lahateny noraisim-peo na noraisina an-tsoratra anefa isika. Nahoana?
Arakaraka ny zavatra ilaina eo an-toerana ny lahateny atao. Mety handika vilana ny zavatra rentsika ao amin’ilay lahateny noraisim-peo àry isika, satria tsy haintsika ny antony nanaovana an’ilay izy. Mety ho sarotra amintsika koa ny mamantatra hoe iza no nanao an’ilay lahateny ary oviana. Tsy fantatsika àry raha mbola marina sy mifanaraka amin’ny fanazavana farany nomen’ny fandaminana ny zavatra resahina ao. (Lioka 1:1-4) Mety hanjary hirehareha koa ilay mpandahateny na handokadoka azy ny olona, raha aparitaka ny lahateniny.—1 Kor. 3:5-7.
Miasa mafy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, mba hanomezana antsika sakafo “ampy” sy amin’ny “fotoana mety.” (Lioka 12:42) Anisan’izany ny lahateny atao mandritra ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nasiana boky na gazety noraisim-peo koa ao amin’ny adiresintsika ao amin’ny Internet (www.pr418.com), ary azo alaina izany. Afaka matoky isika fa hanome sakafo ara-panahy ampy tsara ho antsika foana ny Filan-kevi-pitantanana sy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, mba hanatanjahana ny finoantsika.—Asa. 16:4, 5.