Vavolombelon’i Jehovah—Voalamina mba Hitory ny Vaovao Tsara
Efa 100 taona mahery izay ny Vavolombelon’i Jehovah no voalamina mba hitory ny vaovao tsara. Mbola tsy nisy asa fitoriana lehibe noho izao ataontsika izao mihitsy hatramin’izay. Mitory an’io hafatra io amin’ny fiteny an-jatony mantsy isika, any amin’ny tany 230 mahery. (Mat. 24:14) Nahoana moa no tena ilaina io asa io? Ahoana no amitana azy io maneran-tany? Mamaly an’izany ilay video hoe Vavolombelon’i Jehovah—Voalamina mba Hitory ny Vaovao Tsara. Hazavainy amin’ny an-tsipiriany ilay asa ataontsika maneran-tany. Jereo àry ilay video, ka valio ireto fanontaniana ireto:
Nahoana io video io no nanampy anao hahafantatra sy hankasitraka kokoa 1) ny ezaka ataon’ny fandaminan’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara? (2 Tim. 4:2) 2) ny zavatra ataon’ny mpianakavin’ny Betela eran-tany? 3) ny fampiofanana omena an’ireo misionera sy mpiandraikitra? (2 Tim. 2:2) 4) ny maha zava-dehibe ny manomboka ny andro tsirairay amin’ny fandinihana andinin-teny iray sy ny fanomanana ny fivoriana isan-kerinandro? (Asa. 17:11) 5) ny soa azo avy amin’ny fanatrehana fivoriana? (Heb. 10:24, 25) 6) ny fitahiana ho azonao rehefa ho lasa Paradisa indray ny tany? (Isaia 11:9) 7) ny tombontsoa anananao mandray anjara amin’ilay asa fijinjana?—Jaona 4:35.
Tena manampy ny olona liana hahafantatra ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany io video io. 8) Rahoviana no mety ny ampisehoana azy io amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly, na ny havantsika, na ny olon-kafa? 9) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo efa nahita azy io?
Rehefa misaintsaina ny zavatra ataon’i Jehovah isika, dia lasa miaiky toy ny mpanao salamo hoe: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. Tsy misy azo ampitahaina aminao.” (Sal. 40:5) Enga anie isika ka hampiasa tsara an’io video io mba hanampiana ny hafa hankasitraka an’i Jehovah sy ny fandaminany!