Te Hianatra Baiboly ve Ireo Fanateranao Gazety?
1. Nahoana ny fandaminan’i Jehovah no nampirisika ny mpitory hanatitra gazety amin’ny olona liana?
1 Olona maro no tia mamaky ny gazetintsika nefa tsy te hianatra Baiboly amintsika. Efa hatramin’ny ela àry ny fandaminan’i Jehovah no nampirisika ny mpitory hanatitra gazety tsy tapaka amin’ny olona liana. Matetika ny olona mamaky tsy tapaka ny gazetintsika no lasa mangetaheta ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Pet. 2:2) Mety hanaiky hianatra Baiboly izy satria nisy zavatra novakiny nanohina ny fony.
2. Inona no tokony hataonao mba hahatonga ny olona fanateranao gazety ho liana amin’ny fahamarinana?
2 ‘Tondrahy’ ny voan’ny fahamarinana: Miresaha amin’ilay olona ary miezaha hifandray aminy, fa aza maika hametraka gazety fotsiny dia lasa. Ho fantatrao amin’izay ny fiainany sy ny zavatra mahaliana azy ary ny zavatra inoany ka hahay handanjalanja ianao rehefa miresaka aminy. (Ohab. 16:23) Manomàna isaky ny hitsidika azy. Raha mety, dia asongadino ny hevitra iray sy ny andinin-teny iray mifandray aminy avy ao amin’ilay gazety, mba hanondrahanao ny voan’ny fahamarinana ao am-pony. (1 Kor. 3:6) Raiso an-tsoratra foana ny daty nitsidihanao azy, ny boky sy gazety napetrakao, ary ny foto-kevitra sy andinin-teny nodinihinareo.
3. Impiry isam-bolana isika no tokony hiverina mitsidika ny olona fanaterana gazety?
3 Impiry isam-bolana izy no tokony hotsidihina? Tokony hotsidihina indray mandeha isam-bolana ilay olona mba hahazoany ny gazety nivoaka farany. Arakaraka ny zava-misy anefa, dia afaka mitsidika azy matetika kokoa ianao raha liana izy. Afaka miverina mitsidika an’ilay olona, ohatra, ianao herinandro na tapa-bolana aorian’ny nanateranao gazety tany, ka milaza hoe: “Nandalo vetivety aho mba hiresaka hevitra iray ao amin’ilay gazety nomeko anao.” Ho liana ilay olona amin’izay ka ho voatosika hamaky an’ilay lahatsoratra. Raha efa voavakiny ilay lahatsoratra, dia azonao anontaniana izay heviny momba an’ilay izy, ary iarahana midinika aminy vetivety. Raha tia mamaky ny boky sy gazetintsika kosa ilay olona, dia azonao itondrana taratasy mivalona, bokikely, na boky aseho ao amin’ny gazety.
4. Inona no azonao atao tsindraindray mba hahitana raha te hianatra Baiboly ny olona fanateranao gazety?
4 Anontanio ilay olona raha te hianatra Baiboly fa aza miandry azy hiteny aminao. Na dia tsy nety nianatra Baiboly aza izy, dia azonao jerena tsindraindray ihany raha tiany ny hiara-midinika an’ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Mety ho azonao atomboka eo am-baravarana ilay fianarana. Raha tsy mety hianatra mihitsy anefa ilay olona, dia azonao anaterana gazety tsy tapaka ihany izy mba ho liana foana.