Hanararaotra Haneho ny Fankasitrahanao ve Ianao Amin’ny Fahatsiarovana?
1. Ho afaka hanao inona isika amin’ny Fahatsiarovana?
1 Ho afaka hankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika amin’ny Fahatsiarovana amin’ny 14 Aprily. Asehon’ny Lioka 17:11-18 izay tsapan’i Jehovah sy Jesosy rehefa misy olona mahay mankasitraka. Nampalahelo fa iray ihany tamin’ireo boka folo nositranin’i Jesosy no nisaotra azy. Noho ny vidim-panavotana dia ho sitrana amin’ny aretina rehetra isika, amin’ny hoavy, ka hiaina mandrakizay. Azo antoka fa hisaotra an’i Jehovah isan’andro isika amin’izay. Ahoana anefa aloha no ampisehoantsika fa mahay mankasitraka isika mandritra ireo herinandro ho avy?
2. Inona no hanampy antsika hahay hankasitraka ny vidim-panavotana?
2 Miezaha hahay hankasitraka: Manampy antsika hahay hankasitraka ny fisaintsainana. Hahay hankasitraka ny vidim-panavotana àry isika raha manaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana, izay hita any amin’ny toerana maro, toy ny kalandrie sy ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Maninona raha dinihina miaraka amin’ny fianakavianao ilay izy? Hitombo ny fankasitrahantsika ny vidim-panavotana raha manao an’izany isika, ary lasa te hanao zavatra tsara isika rehefa mahay mankasitraka.—2 Kor. 5:14, 15; 1 Jaona 4:11.
3. Ahoana no ampisehoantsika ny fankasitrahantsika amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?
3 Asehoy ny fankasitrahanao: Aseho amin’ny atao ny fankasitrahana. (Kol. 3:15) Nitady an’i Jesosy ilay boka nositraniny mba hisaotra azy. Azo inoana koa fa nafana fo erỳ izy nitantara tamin’ny olona ny fomba nahasitranany. (Lioka 6:45) Ary isika? Hafana fo hiresaka momba ny Fahatsiarovana isika raha mankasitraka ny vidim-panavotana. Mampiseho ny fankasitrahantsika koa isika raha manao mpisava lalana mpanampy na mampitombo ny fanompoantsika, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Ankoatra izany, dia handray tsara an’ireo vahiny sy ho vonona hamaly ny fanontanian’izy ireo isika amin’ny Fahatsiarovana.
4. Inona no hataontsika raha tsy te hanenina isika amin’ity Fahatsiarovana ity?
4 Io ve no ho Fahatsiarovana farany hatrehintsika? (1 Kor. 11:26) Mbola tsy haintsika izany. Fantatsika anefa hoe fotoana miavaka tsy hiverina intsony izy io, ka tsy ho afaka hanararaotra haneho ny fankasitrahantsika isika rehefa dila io fotoana io. Hahay hanararaotra àry ve ianao? Enga anie ka hampifaly an’i Jehovah, ilay nanome ny vidim-panavotana, ny teny fankasitrahana lazaintsika sy izay saintsainintsika ao am-pontsika.—Sal. 19:14.