FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 129
  • Hazavain’ny Baiboly Izay Hitranga Amin’ny Fivavahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hazavain’ny Baiboly Izay Hitranga Amin’ny Fivavahana
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no resahin’ny Baiboly momba an’izay hitranga amin’ny fivavahana?
  • Ahoana no handringanana ny fivavahan-diso?
  • Fa maninona no horinganina ny fivavahan-diso?
  • Ny fivavahana rehetra ve no ho ringana?
  • Rehefa fantatrao hoe haringana ny fivavahan-diso, dia inona no vokatr’izany aminao?
  • Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!
    Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!
  • Iza moa i Babylona Lehibe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-diso
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 129
Lehilahy iray mijery fiangonana maromaro sady misy Baiboly misokatra eny an-tanany.

Hazavain’ny Baiboly Izay Hitranga Amin’ny Fivavahana

Diso fanantenana amin’ny fivavahana ve ianao sa tsy te hiherika fivavahana intsony mihitsy? Marina hoe nahasoa fiaraha-monina sy olona sasany ihany ny fivavahana, fa betsaka koa anefa ny loza naterany. Milaza ny Encyclopedia of Religion and War hoe: “Zavatra inoana tsy mitovy no nahatonga ny sasany amin’ny ady nahatsiravina indrindra hatramin’izay.” Matetika no ampiasain’ny mpitondra fivavahana hanohanana hevitra ara-politika ny fivavahana fa tsy hanompoana an’Andriamanitra. Ny mpitondra fivavahana hafa indray manafina ny fanararaotana ara-nofo sy ny fanodinkodinam-bola ataony.

Raha diso fanantenana amin’ny fivavahana ianao dia mety ho lasa saina hoe ahoana koa ny fahitan’Andriamanitra ny fivavahana. Milaza ny Baiboly hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny ankamaroan’ny fivavahana, noho ny zavatra ataon’izy ireo. Misy faminaniana koa ao dia hita amin’ireny hoe inona no hataon’Andriamanitra amin’ny fivavahana. Mampiasa teny an’ohatra ny Baiboly mba hilazana hoe tsy ho ela Andriamanitra dia hanao zavatra amin’ny fivavahana ary mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay.

Inona no resahin’ny Baiboly momba an’izay hitranga amin’ny fivavahana?

Faminaniana: Miresaka mpivaro-tena iray antsoina hoe Babylona Lehibe ny Baiboly ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Mitaingina bibidia mena midorehitra ilay mpivaro-tena. Hivadika aminy anefa ilay bibidia avy eo dia hamono azy.​—Apokalypsy 17:3, 5, 16.

Dikany: Manondro ny fivavahan-diso rehetra, izany hoe ireo fivavahana tsy eken’Andriamanitra ilay vehivavy mpivaro-tena antsoina hoe Babylona Lehibe.a Ilay bibidia mena midorehitra indray manondro ny Firenena Mikambana (ONU).b Ilay mpivaro-tena mitaingina an’ilay bibidia mena midorehitra indray midika hoe tian’ny fivavahan-diso hofehezina na tiany hobaikoina mihitsy ny ONU. Hamono an’ilay mpivaro-tena ilay bibidia, izany hoe hivadika amin’ny fivavahan-diso rehetra maneran-tany ny ONU sy ny firenena manohana azy, dia handringana tanteraka azy rehetra. Ho vita hatreo ny amin’ny fivavahan-diso.

Ilay mpivaro-tena resahin’ny bokin’ny Apokalypsy, mitaingina an’ilay bibidia mena midorehitra. Eo ankavian’ilay bibidia ny foiben’ny Firenena Mikambana ary misy fiangonana isan-karazany eo ankavanany.

Ahoana no handringanana ny fivavahan-diso?

Faminaniana: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba an’izay ananany rehetra ... ary hodorany tanteraka amin’ny afo izy. Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo [tao am-pon’ny mpitondra fanjakana] mantsy ny hanatanteraka ny heviny, izany hoe ny hanatanteraka an’ilay hevitra tokana iombonan’izy ireo, dia ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia ... Ho tonga ao anatin’ny iray andro ihany ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy alahelo ary mosary. Dia hodorana tanteraka amin’ny afo izy, satria mahery i Jehovahc Andriamanitra, ilay nitsara azy.”​—Apokalypsy 17:16, 17; 18:8.

Dikany: Hataon’Andriamanitra izay hahatonga “ny heviny” ho ao an-tsain’ireo firenena eran-tany. Inona ilay “heviny”? Hoe homen’ireo firenena ireo an’ny ONU ny fahefan-dry zareo, izany hoe “ny fanjakany.” Rehefa mahazo an’ilay fahefana ny ONU avy eo, dia handringana tanteraka ny fivavahan-diso maneran-tany. Hoatran’ny hoe “ao anatin’ny iray andro” no hitrangan’izany, izany hoe ho haingana be sy ho tampoka amin’ny olona.​—Apokalypsy 18:21.

Fa maninona no horinganina ny fivavahan-diso?

Faminaniana: “Efa nivangongo hatrany an-danitra ny fahotany, ary efa tadidin’Andriamanitra ny tsy rariny nataony.”​—Apokalypsy 18:5.

Dikany: Nanao zava-dratsy be dia be ny fivavahan-diso nandritra ny an-jatony taona, dia izany no mahatonga an’Andriamanitra hanameloka azy. Jereo ange ireto fahotany ireto e:

  • Sarikelina tanana mpanao politika sy mpitondra fivavahana mifandray.

    Miditra amin’ny politika. Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy hoe tsy tokony hanao politika ry zareo fa hatoky ny Fanjakan’Andriamanitra. Any an-danitra io Fanjakana io ary hisolo ny fitondran’olombelona.d (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; Jaona 6:15; 18:36) Ny fivavahan-diso anefa mampirisika ny olona hatoky ny fanjakan’olombelona. Mamadika an’Andriamanitra ry zareo dia miditra lalina amin’ny politika. Izay no mahatonga an’ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy hilaza hoe meloka ho “nijangajanga” i Babylona Lehibe, ary mety tsara ny iantsoana azy hoe “mpivaro-tena lehibe.”​—Apokalypsy 17:1, 2; Jakoba 4:4.

  • Sarikely mampiseho tanana mpitondra fivavahana mitazona lakroa, mitso-drano miaramila handeha hiady.

    Mahery setra. Ny fivavahan-diso no voalaza fa tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’izay “rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24) Be dia be ny fivavahana tsy mampianatra ny mpiangona ao aminy ho tia fihavanana. Manohana ny ady ry zareo na mampirisika ny mpiangona ao aminy hiady sy hanao asa fampihorohoroana mihitsy aza.

  • Sarikely mampiseho mpitondra fivavahana, feno vola eny an-tanany.

    Tsy mety afa-po. Manara-po amin’ny “zavatra lafo vidy maro be” ny fivavahan-diso ary ‘efa tsy mahamenatra azy intsony’ izany. (Apokalypsy 17:4; 18:7) Manana fahefana sy mahafantatra olona ny fivavahana maro dia hararaotiny izany mba hanangonana harena be dia be. Tena tsy tian’Andriamanitra izany.​—Titosy 1:7.

  • Sarikely mampiseho mpitondra fivavahana mitory teny.

    Mandainga. Mampianatra ny olona hino sy hanao zavatra mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ny fivavahan-diso.e Be dia be àry ny olona voafitaka sady afa-baraka ny anaran’Andriamanitra. Izay no mahatonga an’ilay faminaniana hiantso ny fivavahan-diso hoe “renin’ny ... zava-maharikoriko eto an-tany.”​—Apokalypsy 17:5; 18:23.

Ny fivavahana rehetra ve no ho ringana?

Tsia. Miresaka momba ny olona avy amin’ny firenena samihafa ny bokin’ny Apokalypsy ary antsoiny hoe “vahoaka be” ry zareo. (Apokalypsy 7:9) “Manao akanjo fotsy lava” ry zareo, izany hoe manaraka ny fitsipik’Andriamanitra rehefa manompo azy sady tsy mivadika aminy. Ho tafavoaka velona amin’ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “fahoriana lehibe” ry zareo. Io fotoana io ilay handringanan’Andriamanitra ny fivavahan-diso sy ny fahavalon’Andriamanitra rehetra. (Apokalypsy 7:13, 14; 19:11, 19-21) Ao amin’ny fivavahana marina io vahoaka be manao akanjo fotsy lava io, ary tsy ho ringana mandrakizay ny fivavahany.f

Lehilahy sy vehivavy ary ankizy be dia be miara-mandeha. Misy fiangonana maromaro simba sy tsy misy na inona na inona ao aorian-dry zareo.

Ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana ny fivavahan-diso ny vahoaka be manompo an’Andriamanitra

Rehefa fantatrao hoe haringana ny fivavahan-diso, dia inona no vokatr’izany aminao?

Mampahery anao ny mahafantatra hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra mahatsiravina ataon’ny fivavahana. Hahafinaritra anao koa ny mieritreritra hoe kely sisa dia tsy hisy intsony ny fivavahana manala baraka an’Andriamanitra sy mahatonga ny olona hijaly.

Ankoatra izay, dia afaka matoky ianao hoe azo atao ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Milaza ny Baiboly hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona hoatr’izany mihitsy no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Izao no lazain’Andriamanitra amin’ny olona hoatr’izany: “Mivoaha avy ao aminy [avy ao amin’ny Babylona Lehibe], ianareo vahoakako, raha tsy tianareo ny hiray tsikombakomba aminy amin’izay fahotana nataony, ary raha tsy tianareo hahazo anareo ny loza hanjo azy.” (Apokalypsy 18:4, 5) Manasa ny olona izany Andriamanitra mba hanompo azy mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 2:3, 4) Mampanantena izy fa hiaina mandrakizay izay manaiky ny fanasany.​—1 Jaona 2:17.

Andramo ilay fampianarana Baiboly maimaim-poana ataonay raha te hahafantatra misimisy kokoa an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fivavahana ianao. Ho hitanao amin’izay hoe afaka manampy anao hanompo an’Andriamanitra araka izay tiany ny Baiboly.

Anisan’i Babylona Lehibe ve ny Fivavahana Rehetra Miseho Azy ho Kristianina?

Eny. Nohazavain’i Jesosy hoe be dia be ny olona hilaza ho Kristianina dia i Jesosy no hataony hoe Tompo, nefa tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahan-dry zareo. (Matio 7:21-23) Ho hita amin’ny zavatra ampianariny sy ataony hoe tsy tena Kristianina ireny olona ireny. (Matio 7:18-20) Anisan’i Babylona Lehibe izany ry zareo.

Betsaka ny fampianaran-diso sy fanao ataon’ireny fivavahana miseho azy ho Kristianina ireny ka mahatonga ny fivavahan-dry zareo tsy hankasitrahan’Andriamanitra. Ireto misy santionany:

  • Mampianatra momba ny afobe sy hoe telo izay iray Andriamanitra

  • Manakana ny olona tsy hahafantatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra

  • Mampianatra lainga momba ny hoe manao ahoana ny olona rehefa maty

  • Mampiasa sary rehefa mivavaka

a Vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Babylona Lehibe?” fa misy zavatra efatra manampy antsika hamantatra an’i Babylona Lehibe ao.

b Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona Ilay Bibidia Mena Midorehitra Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-17?” fa misy zavatra enina manampy antsika hamantatra an’ilay bibidia ao.

c Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

d Jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? raha mila fanazavana fanampiny.

e Misy ohatra amin’izany eo amin’ilay efajoro hoe “Anisan’i Babylona Lehibe ve ny Fivavahana Rehetra Miseho Azy ho Kristianina?”

f Afaka manampy anao hamantatra ny fivavahana marina ny Baiboly. Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara