FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/10 p. 2-3
  • Inona no Azon’ny Olona Ianarana avy Aminao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azon’ny Olona Ianarana avy Aminao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiasana ny Sekoly mba Hanatsarana ny Fanompoanao eny Amin’ny Saha
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Araho ny Modely Nomen’i Jesosy
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiofano ny Mpitory Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 4/10 p. 2-3

Inona no Azon’ny Olona Ianarana avy Aminao?

1 Hoy i Jesosy: “Ento ny ziogako ka mianara amiko.” (Mat. 11:29) Tsy niteny fotsiny izy, fa nanome modely ho an’ny hafa koa. Inona tokoa moa no nianaran’ny mpianatra avy taminy? Hitan’izy ireo fa nalemy fanahy sy be fitiavana ary tsara fanahy izy. (Mat. 8:1-3; Mar. 6:30-34) Nanetry tena koa izy. (Jaona 13:2-5) Niara-nanompo taminy ny mpianatra, ary nahita fa nazoto niasa izy sady nahay nampianatra ny fahamarinana. (Lioka 8:1; 21:37, 38) Inona koa no azon’ny olona ianarana avy amintsika, rehefa eny amin’ny fanompoana?

2 Olona itoriana: Raha manao akanjo maotina isika, mahalala fomba, ary miahy ny olona itoriantsika, dia tena hisy vokany eo aminy izany. (2 Kor. 6:3; Fil. 1:27) Tokony hampiasa Baiboly matetika koa isika, ary hihaino tsara rehefa miteny ilay olona. Tadidio foana fa zava-dehibe ireo, satria mety hanaitra ny sain’ny olona, ka hahatonga azy ho liana amin’ny hafatra entintsika.

3 Mpiara-manompo: Mety hianatra zavatra tsara avy amintsika koa ny mpiara-manompo. Hanahaka antsika izy ireo raha mazoto manompo isika. Ny vy no mampaharanitra ny vy, hoy ny Baiboly. (Ohab. 27:17) Omano tsara àry ny fomba fitorinao, fa mety handrisika ny hafa hanatsara ny fanompoany izany. Raiso tsara koa ny anarana sy ny adiresin’ireo olona liana, ary miverena haingana any amin’izy ireny. Tanteraho tsara ny fanompoanao, dia hanahaka anao ny mpiara-manompo aminao.—2 Tim. 4:5.

4 Diniho tsindraindray àry ny zavatra lazainao sy ataonao, satria misy vokany amin’ny hafa izy ireny. Hampifaly an’i Jehovah ny ohatra tsara omenao. Ho afaka hiteny toy ny apostoly Paoly koa ianao hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.”—1 Kor. 11:1.

[Fanontaniana]

1. Inona no nianaran’ny mpianatra avy tamin’i Jesosy?

2. Inona no vokany raha mahalala fomba sy manao akanjo maotina isika eny amin’ny fanompoana?

3. Inona no azon’ny mpiara-manompo ianarana avy aminao?

4. Nahoana no tokony hodinihintsika tsindraindray ny zavatra lazaintsika sy ataontsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara