FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsimisaraka (Northern), Betsimisaraka (Southern), Konkomba, Matses, Mi'kmaq
  • Androany

Alakamisy 16 Oktobra

Omano ny lalana halehan’i Jehovah! Manaova lalambe mahitsy mamakivaky ny tany karakaina, mba handehanan’ilay Andriamanitsika.​—Isaia 40:3.

Sarotra ny dia avy any Babylona nankany Israely, ary naharitra efa-bolana teo ho eo. Nampanantena anefa i Jehovah hoe hesoriny izay mety hanakantsakana ny fiverenan’ny Israelita any. Fantatry ny Jiosy nanam-pinoana hoe betsaka lavitra noho izay hafoiny ny soa ho azony, raha miverina any Israely izy. Nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitahiana lehibe indrindra tamin’izany. Tsy nisy tempolin’i Jehovah tany Babylona na iray aza. Tsy nisy alitara azon’ny Israelita nanolorana sorona nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy koa tany, sady tsy nisy mpisorona afaka nanolotra an’izany. Ankoatra izay, dia betsaka lavitra noho ny vahoakan’i Jehovah ny mpanompo sampy tany. Tsy niraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny anefa izy ireny. Tsy andrin’ireo Jiosy an’arivony natahotra an’Andriamanitra àry ny hiverina any an-tanindrazany, satria ho afaka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ry zareo. w23.05 14-15 § 3-4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 17 Oktobra

Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.​—Efes. 5:8.

Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika mba hahafahantsika hitondra tena foana hoatran’ny “zanaky ny mazava.” Fa maninona? Satria tsy mora mihitsy ny hoe madio foana eto amin’izao tontolo ratsy fitondran-tena izao. (1 Tes. 4:3-5, 7, 8) Ampian’ny fanahy masina isika mba hiady amin’ny toe-tsain’izy io, anisan’izany ny filozofiany sy ny fomba fiheviny mifanohitra amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ampiany koa isika mba hanana an’izay “rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina.” (Efes. 5:9) Hahazo ny fanahy masina, ohatra, isika raha mangataka azy io amin’ny vavaka. Nilaza i Jesosy fa “tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Mahazo fanahy masina koa isika rehefa miara-midera an’i Jehovah any am-pivoriana. (Efes. 5:19, 20) Misy heriny tsara amintsika izy io ka hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra. w24.03 23-24 § 13-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 18 Oktobra

Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.​—Lioka 11:9.

Mila manam-paharetana kokoa ve ianao? Raha izany, dia mivavaha momba an’ilay izy. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny faharetana. (Gal. 5:22, 23) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana ny vokatry ny fanahy. Rehefa sarotra amintsika ny hanam-paharetana, dia “mangataha foana” fanahy masina mba hanampy antsika. (Lioka 11:13) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hitovy amin’ny azy ny fomba fahitantsika ny zava-mitranga. Rehefa avy mivavaka isika, dia mila manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanam-paharetana isan’andro. Arakaraka ny ivavahantsika sy iezahantsika hanam-paharetana no hahatonga an’io toetra io hamaka ao am-pontsika, ka ho lasa maha izy antsika mihitsy. Manampy koa ny misaintsaina an’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly. Miresaka olona be dia be nanam-paharetana ny Baiboly. Hahita fomba anehoana an’io toetra io isika raha misaintsaina an’ireny tantara ireny. w23.08 22-23 § 10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara