FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w18 Novambra p. 32
  • Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Sarobidy Ireo “Vola Madinika Roa”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Misaotra An’i Jehovah Izahay Noho ny Fitiavanareo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
w18 Novambra p. 32
donate.jw.org

Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?

HOY i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Marina izany na i Jehovah aza ilay omentsika. Efa nanome zavatra be dia be ho antsika izy, ary mahasambatra antsika izay nomeny. Raha isika anefa no manome ho azy, dia vao mainka isika ho sambatra. Inona àry no azontsika omena? Hoy ny Ohabolana 3:9: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.” Anisan’ny “zava-tsarobidy” ny fotoana, ny fahaizana, ny hery, ary ny vola sy ny fananana. Manome ho an’i Jehovah isika rehefa mampiasa an’ireo mba hanompoana azy. Tena sambatra isika rehefa manao an’izany.

Inona no hanampy antsika tsy hanadino hanome ho an’i Jehovah avy amin’ny volantsika sy ny fananantsika? Nanoro hevitra an’ireo Kristianina tany Korinto ny apostoly Paoly hoe mila ‘manokana vola’ hatao fanomezana izy ireo. (1 Kor. 16:2) Misy fomba maromaro azonao anaovana fanomezana. Araho ny toromarika eto ambany, raha te hahita fanazavana bebe kokoa momba an’izany ianao.

Tsy afaka manao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet ianao, any amin’ny firenena sasany. Misy fomba hafa azo anaovana fanomezana anefa, ary manazava an’izany ny pejy momba ny fanomezana ao amin’ny jw.org. Misy lahatsoratra mamaly ny fanontaniana fametraky ny olona momba ny fanomezana koa ao amin’io pejy io, any amin’ny tany sasany.

Fomba Tsotra Azo Anaovana Fanomezana ao Amin’ny Internet

MORA HITA

  • Programa fijerena Internet

    Midira ao amin’ny Internet, dia soraty hoe donate.jw.org

  • Programa JW Library

    Fidio ilay rohy hoe “Fanomezana” ao amin’ny pejy fandraisana, ao amin’ny programa JW Library®

MORA AMPIASAINA

Afaka misafidy ianao na hanao fanomezana indray mandeha na hanao fanomezana mitohy, ho an’ny:

  • Asa Maneran-tany

  • Fiangonana Misy Anao

  • Fivoriamben’ny Vondrom-paritra

  • Fivoriamben’ny Faritra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara