-
Genesisy 49:29-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Taorian’izay, dia namela hafatra tamin’izy ireo izy hoe: “Kely sisa aho dia hangonina any amin’ny razambeko.*+ Aleveno miaraka amin’ny razambeko aho, ao amin’ilay lava-bato eo amin’ny sahan’i Efrona Hetita,+ 30 dia ilay lava-bato eo amin’ilay saha ao Makpela tandrifin’i Mamre, any Kanana. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita mba hataony toeram-pandevenana. 31 Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+ Tao koa no nandevenana an’i Isaka+ sy Rebeka vadiny, ary tao no nandevenako an’i Lea. 32 Novidina tamin’ny taranak’i Heta ilay saha sy ilay lava-bato ao.”+
33 Rehefa avy namela an’izany hafatrafatra rehetra izany tamin’ny zanany lahy i Jakoba, dia nakariny teo am-pandriana ny tongony dia nitsotra izy. Ary niala aina izy dia nangonina any amin’ny razambeny.*+
-
-
Genesisy 50:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nentin’ny zanany nankany Kanana ny fatiny, dia naleviny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita, mba hataony toeram-pandevenana.+ 14 Rehefa avy nandevina ny rainy i Josefa, dia niverina nankany Ejipta izy sy ny rahalahiny ary izay rehetra niaraka taminy nandevina ny rainy.
-