-
Eksodosy 31:2-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Nifidy* an’i Bezalila+ zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, aho.+ 3 Dia hofenoiko ny fanahiko i Bezalila, ka homeko fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana asa tanana isan-karazany. 4 Amin’izay izy dia ho afaka hanao zava-kanto, hanefy volamena sy volafotsy ary varahina, 5 hanefy vatosoa hatao ao anaty tranotranony,+ ary hanao taozavatra isan-karazany vita amin’ny hazo.+ 6 Ary hanendry an’i Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, aho mba hanampy azy. Omeko fahendrena izay rehetra manan-talenta,* mba ho afaka hanao an’izay rehetra nandidiako anao,+
-