FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 7:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa izao no lazain’i Jehovah: “Izao no hahafantaranao fa izaho no Jehovah:+ Hokapohiko amin’ity tehina etỳ an-tanako ity ny rano ao amin’ny Reniranon’i Neily, ka ho lasa ra.

  • Eksodosy 8:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hoy i Mosesy tamin’i Farao: “Omeko anao ny voninahitra hiteny amiko hoe rahoviana aho no hiangavy amin’Andriamanitra mba hanesorana an’ireny sahona ireny eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ao an-tranonao. Dia ao amin’ny Reniranon’i Neily ihany sisa no hisy sahona.” 10 Dia hoy i Farao: “Rahampitso.” Ary hoy i Mosesy: “Ho tanteraka tokoa ny teninao, amin’izay dia ho fantatrao hoe tsy misy mitovy amin’i Jehovah Andriamanitray.+

  • Eksodosy 8:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ny any Gosena, ilay tany misy ny vahoakako, kosa tsy maintsy harovako amin’io andro io. Tsy hisy fihitra any,+ ka izany no hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin’ity tany ity.+

  • Eksodosy 9:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Hoy àry i Mosesy taminy: “Vao tafavoaka ny tanàna aho, dia hivavaka* amin’i Jehovah. Dia hitsahatra ny kotroka ary tsy hilatsaka intsony ny havandra. Amin’izay dia ho fantatrao fa an’i Jehovah ny tany.+

  • Eksodosy 14:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia havelako hiziriziry amin’ny heviny+ i Farao* ka hanenjika an’ireo Israelita. Ary hahazo voninahitra aho rehefa resy i Farao sy ny tafiny rehetra.+ Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.”+ Koa izany no nataon’ny Israelita.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara