-
Eksodosy 7:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah,+ rehefa hanatsotra ny tanako hamely an’i Ejipta aho ary hitondra an’ireo Israelita hiala eo amin’izy ireo.”
-
-
Eksodosy 8:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia hoy i Mosesy tamin’i Farao: “Omeko anao ny voninahitra hiteny amiko hoe rahoviana aho no hiangavy amin’Andriamanitra mba hanesorana an’ireny sahona ireny eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ao an-tranonao. Dia ao amin’ny Reniranon’i Neily ihany sisa no hisy sahona.” 10 Dia hoy i Farao: “Rahampitso.” Ary hoy i Mosesy: “Ho tanteraka tokoa ny teninao, amin’izay dia ho fantatrao hoe tsy misy mitovy amin’i Jehovah Andriamanitray.+
-