-
Eksodosy 9:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Fa azoko natao ny nanatsotra ny tanako dia nasiako tamin’ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao, ka efa ripaka tsy nisy teto an-tany intsony ianao hoatr’izay. 16 Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+
-
-
Eksodosy 18:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Hoy izy avy eo: “Hoderaina anie i Jehovah, izay namonjy anareo tamin’ny Ejipsianina sy tamin’i Farao, sady namonjy ny vahoaka teo ambany fifehezan’ny Ejipsianina! 11 Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah,+ rehefa jerena izay nataony tamin’ireo nanao tsinontsinona ny vahoakany.”
-
-
Josoa 2:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10 Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana.
-