-
Eksodosy 3:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fantatro tsara anefa fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy hoe misy tanana matanjaka manery azy hanao an’izany angaha.+ 20 Koa tsy maintsy hanatsotra ny tanako aho, ka hamely an’i Ejipta. Ny zava-mahagaga rehetra hataoko ao aminy no hamelezako azy, dia handefa anareo izy aorian’izay.+
-
-
Eksodosy 10:8-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Koa nasaina niverina tany amin’i Farao indray i Mosesy sy Arona, dia hoy i Farao tamin’izy roa lahy: “Mandehana manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo. Fa iza sy iza avy tokoa moa no handeha?” 9 Dia hoy i Mosesy: “Handeha daholo izahay, na ny tanora na ny antitra, na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy, na ny ondrinay na ny ombinay.+ Fa hanao fety ho an’i Jehovah izahay.”+ 10 Dia hoy izy tamin’izy roa lahy: “Ianareo ve dia mihevitra hoe hamela anareo sy ny zanakareo handeha aho? Raha sanatria mitranga izany, dia manampy anareo tokoa i Jehovah!+ Mikononkonona zava-dratsy mihitsy ianareo. 11 Tsy manaiky an’izany aho! Izay lehilahy eo aminareo ihany no afaka mandeha manompo an’i Jehovah, satria izany no nangatahinareo.” Dia noroahina niala teo anatrehan’i Farao izy roa lahy.
-