FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Aza misalasala manao fanatitra avy amin’ny vokatra be dia be azonao sy izay mihoatra avy amin’ny famiazanao.*+ Tokony homenao ho ahy ny zanakao lahimatoa.+

  • Eksodosy 34:19, 20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Ahy ny lahy rehetra teraka voalohany,+ anisan’izany ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompinao, na omby izany na ondry.+ 20 Tokony havotanao ny voalohan-teraka amin’ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa ilay izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+ Tsy misy mahazo mitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.

  • Levitikosy 27:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “‘Tsy tokony hisy hanamasina anefa ny voalohan-teraka amin’ny biby, satria voalohan-teraka ho an’i Jehovah izany.+ Efa an’i Jehovah izany, na omby na ondry na osy.+

  • Nomery 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy izay lahy teraka voalohany rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.”

  • Lioka 2:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Rehefa tonga ny fotoana fidiovana araka ny Lalàn’i Mosesy,+ dia nentin’i Josefa sy Maria niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’i Jehovah,* 23 araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Jehovah* hoe: “Ho masina ho an’i Jehovah* ny lahimatoa rehetra.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara