-
Deoteronomia 5:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “‘Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namanao.+
-
-
Deoteronomia 19:16-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Raha misy vavolombelona mitetika ny hanao ratsy ka miampanga olon-kafa hoe nanao ratsy,+ 17 dia hijoro eo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy manana ady, izany hoe eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara miasa amin’izany fotoana izany.+ 18 Dia hanadihady tsara ireo mpitsara ireo,+ ka raha vavolombelona mandainga ilay miampanga, sady nanendrikendrika an’ilay rahalahiny, 19 dia tokony hataonao aminy izay noeritreretiny hatao amin’ilay rahalahiny.+ Esory eo aminao ny ratsy.+
-