-
1 Tantara 28:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nomeny azy ny planin’ny zava-drehetra azony avy tamin’ny fanahy masina, izany hoe ny planin’ny tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah, ny efitra fisakafoana rehetra manodidina an’ilay trano, ny fitehirizana ny zava-tsarobidy ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, ary ny fitehirizana ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.*+
-
-
Asan’ny Apostoly 7:44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 “Nanana ny tranolain’ny vavolombelona ny razambentsika tany an-tany efitra. Nasain’Andriamanitra nanao azy io mantsy i Mosesy, araka ny modely nasehony taminy.+
-
-
Hebreo 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky+ ny zavatra any an-danitra+ ny fanompoana ataony. Hita tamin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy izany, tamin’izy efa hanorina ny tranolay. Izao mantsy no didy nomeny: “Mitandrema tsara mba hifanaraka amin’ilay modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.”+
-