18 Vao vita ny resak’izy sy Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ izany hoe ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+
20 Nalainy avy eo ny Tenin’ny Vavolombelona,+ ka nataony tao anatin’ilay Vata.+ Dia natsofony ny bao filanjana+ an’ilay Vata,+ ary nataony teo ambonin’ilay izy ny sarony.+
4 Tao no nisy ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ sy ny Vata misy ny fifanekena.+ Nopetahana takela-bolamena+ ilay Vata manontolo, ary tao amin’izy io ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ilay tehin’i Arona nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena.