-
Eksodosy 19:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia niakatra nankany amin’ilay tena Andriamanitra i Mosesy. Ary niantso azy avy teo amin’ilay tendrombohitra+ i Jehovah, ka niteny hoe: “Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hoteneninao amin’ny Israelita:
-
-
Asan’ny Apostoly 7:44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 “Nanana ny tranolain’ny vavolombelona ny razambentsika tany an-tany efitra. Nasain’Andriamanitra nanao azy io mantsy i Mosesy, araka ny modely nasehony taminy.+
-
-
Hebreo 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky+ ny zavatra any an-danitra+ ny fanompoana ataony. Hita tamin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy izany, tamin’izy efa hanorina ny tranolay. Izao mantsy no didy nomeny: “Mitandrema tsara mba hifanaraka amin’ilay modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.”+
-