-
Eksodosy 28:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 “Alaivo avy amin’ny Israelita i Arona+ rahalahinao sy ny zanany lahy,+ izany hoe i Nadaba, Abiho,+ Eleazara, ary Itamara,+ mba hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.+ 2 Dia manamboara akanjo masina tsara tarehy ho an’i Arona rahalahinao, mba hanomezana voninahitra azy.+ 3 Mitenena amin’izay rehetra manan-talenta,* izay efa nofenoiko fanahin’ny fahendrena.+ Izy ireo no hanamboatra ny akanjon’i Arona mba hanamasinana azy, ka ho afaka hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy.
-
-
Eksodosy 28:43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Tsy maintsy manao an’ireo i Arona sy ny zanany lahy rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin’ny toerana masina. Amin’izay izy ireo tsy ho meloka ka tsy ho faty. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahiny sy harahin’ny taranany mandimby azy.
-